Mb. Léa - 22 martsa

Mpianatra sady mpakafy ny fampianaran’i Masindahy Jerôme I Masimbavy Léa. Isan’ireo vehivavy manan-kaja romanina izy Nozarainy tamin’ny mahantra ny fananany rehefa nodimandry ny vadiny. Niditra tao aminy trano fitokana-monina tao Roma izy.

Lasa lehibean’io trano io izy tany aoriana. Nanana fiainana mendrika tokoa i Léa noho izy nanolotra manontolo ny fiainany ho an’Andriamanitra araka ny fitantaran’i Masindahy Jerôme. Nahatonga azy ho lehiben’ny trano fitokanamonina izany ka lasa renin’ireo virijiny marobe. Ny fiankanjony izay nianjaika teo aloha dia nosoloiny hirifiry, lamba mahalailay mba hampijaly ny vatany sy ny nofony. Tsy mikipy ny masony mandritra ny alina. Mampianatra ireo mpiray dia aminy izy amin’ny fihetsiny sy ny teniny. Tsotra ny fiakanjony, ny sakafony ary tsy matahotra izy na inona n’inona mitranga satria santariny ety ambonin’ny tany ny asa vitany . Nahazo ny fankasitrahana mandrakizay izy ankehitriny. Noraisin’ny tafikin’ny Anjely ary sambatra.

Ny hoe Léa dia avy amin’ny teny Latinina midika hoe liona vavy na avy amin’ny teny hebrio hoe : «leah» midika hoe: omby vavy na koa hoe : torovana

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0616