Md. Josefa - 19 martsa

Joseph ilay Ray mpitaiza an’i Jesoa no resahana amin’ity daty. Ny evanjelin’I Masibdahy Lioka sy Masindahy Matio no miresaka azy rehefa milaza ny momban’I Jesoa.

Taranak’i Davida izy araka ny fitantaran’i Masindahy Lioka azy ao amin’ny toko faha telo. Vadin’i Maria Renin’i Jesoa izy araka ny fitantaran’i Masindahy Matio azy ao amin’ny toko voalohany, ary ao amin’io Evanjely io ihany koa no ahitana fa Joseph no hanambarana ny fanirahana an’i Jesoa. Izao no voalaza ao “Ry Joseph zanak’I Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria ho vadinao, fa ny zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina. Hiteraka zaza lahy izy ka ny anarany dia ataonao hoe : Jesoa fa izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany”. Lehilahy marina I Md Joseph. Nanankinan’ny anjely ny fiarovana ny Mesia tamin’ny fikasan’i Herôda hamono Azy. Maro ny olona no manam-pitiavana sy manaja manokana an’i Masindahy Joseph.

Efa tamin’ny taonjato faha 11 no nisy ny fanajana azy tany amin’ny tany tandrefana, fa tamin’ny taonjato faha 14 vao niseho ankarihary izany. Ny fikambanana mpangataka antsoina hoe : Servites no nankalaza azy voalohany tamin’ny 19 Marsa 1326. Tamin’ny taona 1621 no nambaran’I Papa Gregoara faha-15 fa fety voadidy ho hamasinina io fankalazana an’I Masindahy Joseph io. I Papa Leon faha-13 no nanolotra azy ho mpiaro ny mpiasa sy ny raim-pianakaviana tamin’ny taona 1892.

Ny hoe Joseph dia avy amin’ny teny hebrio hoe “yôsephyâh” midika hoe “ Manampy Andriamanitra”.

Loharano: RadioDonBosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1895