Md. Cyrille avy ao Jerosalema - 18 martsa

Teraka tao Jerosalema nanodidina ny taona 315 I Masindahy Cyrille. Notendren’I Acace, Arseveka tao Césare ho eveka izy, hisolo an’I Maxime ny taona 330. Vetivety foana nefa dia tsy nifankahazo i Cyrille sy Akachar satria nisy adihevitra teôlôjika tamin’izany, vokatrin’ny Kônsily tao Nisea nanamarika ny fampianaran-diso nataon’I Arius. Voalaza fa nampangain’i Acace fa nivarotra ny zava masina sy ny akanjo nomen’ny Amperora Constantin ho an’ny fiangonana mba hitsinjovana ny mahantra izay nianjadin’ny mosary tamin’izany andro izany. Niala tao izy ary nialokaloka tany Tars. Naverin’ny kônsilim-paritra tamin’ny toerany izy ny taona 339 ka nivezivezy tao Jerosalema sy Tars. Efa naharitra ho 16 taona i Cyrille no tany an-tsesitany noho ny fandavany ny foto-kevitra Arianne ary niezaka nanamafy ny foto-pinoana kristianina. Nodimandry ny taona 386 izy ary ny Papa Leon13 no nanambara ny maha-mpampianatra ny fiangonana azy.

Ny Cyrille dia avy amin’ny teny grika hoe : « kurios », midika hoe : « voatokana ho an’Andriamanitra »

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0646