Md. Patrice - 17 martsa

Masindahy Patrice no ilay antsoina hoe Apôstôlin’i Irland. Teraka tao Boulogne-sur-la-Mer tamin’ny taona 373 izy. Heverina fa zanak’anabavin’i Masindahy Martin de Tour. Nobeazin’ny Ray aman-dReniny tao anatin’ny fitiavam-bavaka. 16 taona izy no nalain’olona ankeriny ary nentiny tany Ireland. Nandritran’ny 5 taona izy no nianatra ny fiteny sy ny fomba tao ary nandritran’izany ihany koa no niandrasany ondry. Teo am-panaovany an’io asany andavanadro io izy no nisehoan’ny anjely, niendrika tovolahy ka nibaiko azy. Nankany France izy ary nivantana tao amin’ny trano fitokanamonina tao Marmoutier ka tao no niofana sy nianatra nandalina ny fitoriana ny vaovao mahafaly. Taona visy taorian’izay dia nankany amin’ny Papa izy haneho ny fahavononany ary ny Papa no nanendry azy sy naniraka azy ho any amin’ilay nosy izay navaoziny taty aoriana kely. Maro be ireo famolahan-tena sy fahagagana nataony sy nitranga taminy fony fahavelony. 90 taona i Patrice vao nodimandry na dia teo aza ny famolahana mafy nataony.

Avy aminy teny “latinina” hoe “Patricius” ny Patrice, ary midika hoe Patrician, zany hoe fianakavian’ireo manampahefana ao anatin’ny fanjakana Romanina ary avy amin’izany ihany koa ny niavian’ny hoe Patrick.

Loharano: Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.067