Mb. Louise - 15 martsa

Teraka tao Paris ny 12 Aogositra 1591 iMasimbavy Louise de Marillac. Mbola kely izy dia efa nobeazina tany amin’ny trano fitokana-monina ka tany no nahalalany an’Andriamanitra sy nahaizany namaky teny sy manoratra ary ny fahaizana hosodoko.Tao ihany koa no nahalalany ny fiainam-panahy fanta-daza an’i Catherine de Sienne izay hitany ny asasorany tany aoriana. Nikasany hanao relijiozy izy nefa nasain’ny dadatoany nifamofotamin’i Antoine le Gras. Nivady izy ireo taty aoriana, vetivety monja nefa ny hasambarana tamin’ izany ankohonana kely izany, satria narary mafy i Antoine. 21 desambra 1625 no nodimandry i Antoine.Rehefamaty ny vadiny dia naira niasa tamin’i Vincent de Paul nanao asa fiantrana i Louise, ka niandraikitra ireo zaza nirenireny teny an-dalambe sy ireo antitra ary ireo marary sy manan-kilema nandritra ny 35 taona. Tamin’izany nonanorenan’izy ireo nyfikambanan’ny masera Filles de la Charité ny taona 1633. I Louise no nanoratra ny fitsipika nifehy io fikambanana io ary nitantana izany hatramin’ny faha 69 taonany,fotoana nialany sasatra any amin’ny mandrakizay,ny 15 Marsa 1660.

Loharano Radio Don Bosco

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0839