Mb. Rosine - 11 martsa

Masimbavy Rosine dia maritiry panirery tany amin’ny taonjato voalohan-dohany. Najaina tao amin’ny Diôsezin’ny Augsbourg ao Wenlingen any Allemagne tany amin’ny taonjato faha-14. Nanomboka ny taona 1679 dia nisy Chapelle nampitondrana ny anarany ary voarakitra amin’izany fiangonana izany ny sariny izay maneho vehivavy virijiny maritiry miaraka amin’ny vonikazo lisy, palma ary ny sabatra. Marihana moa fa ao Wenlingen ao Bavière no misy an’izany fiangonana mitondra ny anarany izany.
Ny hoe Rosine dia avy amin’ny teny latinina hoe: Rosa izay midika hoe vonindraozy

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1283