Mb. Anastasie - 10 martsa

Mpitokamonina tao Scété Egypte i Masimbavy Anastasie; vehivavy virijiny sady tsara tarehy. Nitsiriritra azy ny Amperora Justinien ary naniry azy ho vadiny. Saropiaro noho izany i Théodorat vadin’ny amperora. Nandositra io fihetsika ny Amperora io i Anastasie ka nanova fitafy toy ny lehilahy ary nanalavitra ny tanàna sy nitoka-monina nandritran’ny enin-taona tany Alexandrie. Tsikarit’ireo irakin’ny amperora izy ka nandositra sy nitokamonina irery tany an-tany efitra tao Scété nandritran’ny 20 taona ary novainy hoe : « Anastase l’eunuque » ny anarany. Nodimandry tao izy ny taona 576. 15 taona taty aorian’ny nahafatesany vao nitantara ny momba azy ny lehiben’ny mpitoka-monina.

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179