Md. Nestor - 26 febroary

Masindahy Nestor, Eveka martiry.
Ny faritanin’I Magydos, misy an’I Turquie ankehitriny no notantanany.
Nahery vaika ny fanenjehana ny Kristianina ary maro ireo novonoina araka ny didin’ny Amperôra.Tsy vitsy koa anefa ireo nivadika ary nandà ny finoany mba tsy iharan’ny fampijaliana sy ny vono.
Mba isorohany izany fivadihana izany dia notoroan’I Nestor Evekany hevitra handositra ireo izay natahotra ary izy tenany no nitolo-batana mba hampitoniana ny hatezeran’ireo manampahefana Rômanina .
Maty nofatsihana teo amin’ny hazo mitanambokovoko (hazo fijaliana ) i Nestor ny taona 250.

Nampidirin'i admin

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099