Md. François d'Assise - 4 oktobra

Teraka tamin'ny taona 1181 tao Assise (Italie). Bernardone no anaran-drainy ary Pica no reniny. Varo-damba no asa fiveloman'ny fianakaviany. Tia sy nanaraka ny rendrarendran'fiaraha-monina i Francois fony fahatanorany, naniry mafy ny ho tonga Chevalier ihany koa izy, ary nirotsaka an'ady mba hanohitra ireo mpikomy tao Perousse tamin'ny faha-21 taonany.

Niantefa taminy anefa ny antson'Andriamanitra nanao hoe "Inona no tianao, hanompo ny Tompo sa hanompo ny mpanompo?" teo dia nitsoaka an'ady izy ary nampidirina am-ponja noho izany. Narary mafy izy tao am-ponja ary nanomboka niova fo tsikelikely.

Nivoaka ny fonja izy dia niezaka namantatra ny antson'Andriamanitra taminy. Ka nialany avokoa ireo kilalao ratsy fanaony teo aloha ary matetika dia mandeha mivavaka any lasapelina i Francois. Tamin'ny taona 1205, tao amin'ny lasapelin'i Masindahy Damien (fiangonana rava), nanoloanan'ny sarin'i Jesoa Kristy mifantsika, no nahenoany ny feon'i Kristy, naniraka azy manao hoe : "Francois, amboary ny fiangonako"

Namidiny ny entam-barotry ny Rainy tao an-trano, mba hahazoany vola hanamboarana ilay fiangonana. Tezitra noho izany Rainy ka nitondra azy teo anatrehan'ny fitsarana sy nitaky ny onitry ny entany. Noho ny fihetsika maneho fivalozana nataony anefa dia natolotra ny Eveka izy mba hotsarainy. Teo dia nozarazarainy tamin'ireo madinika avokoa ny fananana teny aminy rehetra. toy izany koa ny fitafiana teny an-kodiny, ka lasa nitanjaka izy. Onena azy anefa ny eveka raha nahita, ka nampitafy azy ny lamba (Cape) teny aminy. Maneho fa mandray an-tanana an'i Francois ny Fiangonana.

Fitafin'ny mpitoka-monina no nisalorany miampy kofehy lehibe mamatotra ny andilany. Mangataka aman'olona izy mba entiny manamboatra ilay fiangonana ka maro no nanome vato na fitaovana hafa nentiny namboatra izany. I Bernard de Quintavalle sy i Pierre de Catane no nantsoiny voalohany ho mpiara miasa aminy, taty aoriana anefa dia nitombo be ireo Frera, ka namorona fitsipika i Francois hifehy ny Fikambanana.

Nankatoavin'ny Papa Innocent III am-bava izany fitsipika izany tamin'ny taona 1210, noho ny fahitana itany tamin'ny nofy, dia i Francois manohana ny Basilika ao Latran.

Nanomboka teo no nijoro ny fikambanan'ny Frera madinika (Ordre des Freres Mineurs). Nikatroka tamin'ny asa fiantrana, fikarakarana ireo marary hoditra, ny fitiavana ny zava-boarin'Andriamanitra, ary indrindra ny fitoriana ny Evanjely.

Tamin'ny taona 1212 no nandraisany an'i Claire sy nanorenan'i Francois ny Fikambanana "Soeurs Clarisse"

Rehefa niroborobo ny fikambanana, noho ny hetahetam-pihavanana tao aminy, dia nandeha nihazo an'i Egypte i Francois tamin'ny taona 1219 mba hihaona amin'ny lehiben'ny Silamo (Sultan Al Kamei), izay nitoriany ny Evanjelin'i Kristy. Tsy nanaiky ny hiala amin'ny finoany anefa ny Sultan, saingy tsy nampamono azy kosa fa nidera ny fahendrena tao amin'ny Francois, ary namela malalaka azy hiditra ao Jerosalema.

Tamin'ny taona 1220, noho fanetre-tena lalina tao aminy dia natolony an'i Pierre de Catane ny fitantanana ny fikambanana.

Tamin'ny taona 1222 kosa, tao Bologne no namoronany ny fikambanana fahatelo hoan'ny Lahika ( Tiers Ordre Franciscain Seculier).

Ny taona 1224 izy dia nisintaka niaraka tamina Frera vitsivitsy nivavaka tany amin'ny tendrombohitr'i Alverne, ary ny 17 Septambra no nandraisany ny fery dimin'i Kristy. I Francois araka izany no voalohany nitondra ny fery dimin'i Kristy teo amin'ny tantaran'ny fiangonana.

Nodimandry ny 3 oktobra 1226 i Md Fransoa, ary natsangan'ny papa Gregoire IX ho Olomasina ny 16 Juillet 1228.

 

Nampidirin'i tojosoft1

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112