Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita fahazavana lehibe

Alahady tsotra faha 3 mandavan-taona - Taona A

Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita fahazavana lehibe” (Mt 4, 12-23)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Ny Evanjely atolotran’ny Fiangonana antsika zanany ho vakiana amintsika amin’ity alahady faha-3 mandavataona ity dia azo lazaina fa milaza sy manoritsoritra ny fiatombohan’ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly nataon’i Kristy. Mizara telo mazava tsara ny andalan-tsoratra masina arakan’ny nanoratan’i Masindahy Matio azy. Ny andininy faha-12 ka hatramin’ny faha-16 dia milaza amintsika ny toerana nonenan’i Jesoa. Misy anaran-tany Jody maromaro lazain’ny Matio ao amin’ireo andininy vitsivitsy ireo. Fa ny tiany havoitra tsy dia hoe akory ny tanàna loatra fa ny hoe niara-nonina taman’olona i Jesoa fa tsy nitoka-monina na nanava-tena; mba ho tanteraka ny tenin’ny Mpaminany hoe “ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita fahazavana lehibe”. Izany fanambarana miezinezina izany no ahatsapana ihany koa ny asa nanirahana an’i Kristy: ho fahazavana Izy, ho fahazavana hanilo ny olombelona rehetra sy ny mpiara-monina Aminy. Ny fizarana faharoa kosa dia ny andininy faha-17. Voafaritra ao amin’io andininy faha-17 io ny hafatra sy fampianarana nataon’i Kritsy teo amin’ireo manodidina Azy: “Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra”. Tsy hoe sanatria nivoendry erakin’ny tampo-tanety fotsiny i Kristy fa nitory teny sy nampianatra. Ary ny votoanton’ny fampianarany dia tokana: Fibebahana. Ny fizarana fahatelo farany kosa (raha ny vakiteny lava no atao) dia ny andininy faha-18 ka hatramin’ny faha-23. Ity fizarana farany ity dia itantaran’i Md Matio ny niantsoan’i Kristy an’ireo olona hanara-dia Azy ka ho lasa Apostoly. Tsy olona ambony na mpanakarem-be no nantsoiny fa olona mpanarato trondro mbola eo am-perin’asa ary nolazainy mazava fa hataony Mpanarato olona.

Ireo hevi-dehibe telo ireo dia mifono fampianarana lalina ho ahy ihany koa ary misy hafatra mafonja tian’i Kristy hampitaina amiko amin’ny alalan’ny Evanjely. Fa tsy ho ahy ihany fa ho anao ihany koa. Ny hafatra lehibe voalohany indrindra dia ny fiaraha-monina. Mba hivoatra ny maha-izy ahy sy ny maha-olombelona ahy dia tsy maintsy mahay miara-monina amin’ny hafa aho. Tsy ho tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra amin’izay iriany hivelarako sy hahasoa ahy raha tsy eo anivon’ny fiaraha-monina. Ny fahaizako miara-monina aminao sy amin’ny hafa no antoka lehibe hampivelatra ny maha olona ahy sy hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra mikendry ny hahasambatra ahy. Faharoan’izany; eo anivon’io fiaraha-monina misy ahy io aho dia tsy hoe mpanao tazan-davitra sy hizaha arina an-tava anao fotsiny; fa manana adidy aho hanitsy anao. Adidiko sy andraikitro ny miantso anao hibebaka ka hiverina amin’Andriamanitra. Adidiko sy andraikitro ny manitsy anao raha misy hadisoanao eo anatrehan’Andriamanitra sy ny eo anatrehan’ny olombelona. Ny hafatra fahatelo sady farany dia momba ny fiantsoana antsika tsirairay. Tsy ny pretra sy ny relijiozy ihany akory no voaantson’ny Kristy hitory ny teniny fa ny olona rehetra tsy misy avakavaka. Esory ao anatin’ny saina ny hoe izay lalim-pahaizana sy nandia fianarana ambony ihany no antsoin’i Kristy; tsia. Ny olona rehetra dia antsoiny avokoa ary toetra fototra takian’ny Kristy ho an’ireo voaantso aza ny fanetren-tena. Noho ny Batemy iraisana dia voaantso avokoa isika rehetra hanara-dia an’i Kristy ary manana adidy hanohy ny asany ka hiantso fibebahana ho an’ny hafa.

Noho izany raha sendra tojo tsy fahombiazana sy misedra olana mahakivy amin’ny fiainana ny maha kristianina sy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ianao, dia aza manahy: tsy ianao no tompon’antoka voalohany amin’izany asa izany fa ny Tompo, ka matokia fa Izy tsy hamela anao ho irery; Izy hiady ho anao ary hampandresy anao.

Mirary alahady finaritra.


Mompera Nary

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104