Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra

Alahady tsotra faha 4 - Taona A

Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra” (Mt 5, 1-12)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Miombona tanteraka amin’ireo kristianina miaraka mivavaka amin’ny solontenan’ny Papa ao Mahamasina isika rehetra amin’ity andro ity. Andro lehibe satria soratra mipetraka eo amin’ny tantaran’ny Finoaka Katolika eto Madagasikara. Mirary koa raha mirary Finoana velona sy vonona hiatrika ny mafy ho anao sy ho antsika tsirairay avy indrindra fa amin’izao vanim-potoana mampivaivay ny fanozongozonam-pinoana izao. Herezo ary atanjaho ny saina fa efa nampanantena anao i Kristy hoe “mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra”. Mazava dia mazava araka izany fa misy vidiny hay ny fiaretenao ny mafy ao amin’ny Finoana. Ity am-pahan-tsoratra masina ity dia fehin’ilay ataontsika hoe “hasambarana valo” ao amin’ny Evanjelin’i Mt Matio izay vakiana amintsika amin’ity Alahady ity. Anisan’izany fahasambarana izany ny hoe “Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan'ny lanitra” sady izany rahateo moa no anombohan’ny evanjelista ny fitanisany ireo hasambarana valo ireo. Raha atao indray mijery, ireo hasambarana valo ireo dia vokatrin’ny fihafiana sy fiaretana am-pinoana ireo fahantrana valo ihany koa. Noho izany, ireo hasambarana valo ireo dia mifototra amin’ny fihafiana valo ihany.

Satriko dia satriko hanazava aminao amin’ny antsipiriany ireo hasambarana valo ireo fa saingy ny fotoana manam-petra. Fa hahazahoana ny tian-kambara dia hovoasako fohy aminao ny iray; ary satriko raha mba manohy toy izany ihany koa ianao amin’ireo fito sisa. “Sambatra ny mahantra am-panahy”. Raha hoe raisina am-bolony fotsiny amin’izao aloha dia azo lazaina fa hadalana tanteraka izany. Aiza kosa no hisy olona sambatra ao anatin’ny fahantrana izany? Ary aiza koa hisy Andriamanitra faly amin’ny fahantrako izany? Tsy Andriamanitra milay kosa angamba izany ka. Noho izany, ny fahantrana tiana hambara eto dia tsy hoe akory ny “tsy fanànana” ara-materialy; tsia. Ny fahantrana tiana hambara eto dia ny fanànana ny ampy ara-materialy fa kosa tsy mifikitra amin’izany ary tsy mametraka izany ho vonjy sy andriamanitra. Ny fahantrana dradradraina eto dia ny tsy fifikirana amin’izay harena sy fanànana ara-materialy eo  am-pelatànana. Raha adika hafa, ny fahantrana lazaina eto dia ilay fahantrana ara-panahy fa tsy ara-nofo. Ny mahantra am-panahy dia ny olona tsy miandry vonjy afa-tsy amin’ny Tompo ary tsy mametraka ny fototrin’ny hasambarany ao amin’ny raha materialy. Handray ohatra akaiky aho: mety manana ny ampy aho ara-materialy: fiara, trano, sakafo, solosaina raitra, havana sy namana… manan-karena aho. Fa ireo rehetra ireo anefa tsy ataoko ho ambony noho Andriamanitra ary tsy ataoko hanakana ahy hiandrandra ny Tompo. Ny zavatra mitranga manko matetika, rehefa mba manan-javatra kely isika dia hadino Andriamanitra: rehefa tapaka dia mino an’Andriamanitra fa rehefa mba mahazohazo kely dia hadino Andriamanitra. Raha lazaiko amin’ny voambolana ankehitriny dia hoe: ny fahantrana am-panahy dia ny fanànana izay ilaina fa kosa mihevitra ny tena ho tapaka mandrakariva eo anatrehan’ny Tompo ary miandrandra Azy hatrany.

Eto am-pamaranana aho dia hilaza fo tsy aritra mahakasika ny fanararaotan’ny mpitondra fivavahana io teny hoe “fahantrana ao amin’ny Tompo” io. Misy mopera na pasitera milaza fa “atero aty ary omeo ahy ny harenanao fa ireo no manakana anao hiditra ny lanitra sy tsy ho sambatra”. Lainga izany ary fisolokiana. Tsy ny fanomezanao ny ampahafolo-karenanao an’i pasitera na i mopera no hampiditra anao amin’ny fanjakan’ny lanitra fa ny fizaranao am-pinoana sy am-pitiavana izay harena anananao amin’ireo sahirana noho ianao. Enga anie ka homba anao lalandava ny Tompo.

Mirary alahady finaritra.

 

Mompera Nary

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099