Mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enim-polo, ary ny sasany telo-polo heny

Nampiditra : admin
Daty : 15/07/2017

Alahady tsotra faha 15 mandavan-taona - Taona A

Fa ilay nafafy tamin'ny tany lonaka kosa no izay mandre ny Teny ka mahalala azy.

(Mt 31, 1-23)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Masina ny Teny. “Manapa-teny, manapak’aina” hoy ny ohabolan-drazantsika. Tsy dia nandalina filozofia tandrefana ny Ntaolo razantsika nefa efa nahatakatra sahady ny hasin’ny teny sy ny soatoavina entiny. Masina ny teny ary mitondra aina. Tsy soatovina lovaina ho lovan-tsofina ho antsika ankehitriny anefa ny fahalalana ny maha manan-kasina ny teny. Na isika ankehitriny koa dia mbola migoka ny maha manan-kasina ny teny. Impiry isika no somebiseby sy dibo-kafaliana rehefa mahazo “teny mamy”. Mamiratra ny tontolo andro rehetra rehefa mahazo teny feno fankaherezana sy tambitamby avy amin’ny olona akaikin’ny fo. Satria Masina ny teny.

Ity alahady androany ity, ny Fiangonana dia manantitrantitra ny hasin’ny Teny amintsika. Ny Teny lazainy eto dia tsy ny “tenintsika” olombelona fa ny “Tenin’Andriamanitra”. Ataoko fa tsy zoviana aminao intsony ilay fanoharana momba ny voa nafafy. Fintiniko fohy. Vory teo anatrehan’i Jesoa ny vahoaka mba hihaino Azy. Dia rafitra nampianatra azy ireo tamin’ny fanoharana Izy. Ny fanoharana noraisiny dia ny momba ilay mpamafy voa. Ny voa sasany dia latsaka teny amoron-dàlana, ny sasany teny amin’ny tany be vato, ny sasany teny anaty tsilo ary ny sasany kosa teny amin’ny tany be nofo sady voaasa. Tsy hanampiako ary tsy hanalako ny fanazavan’i Kristy momba izany fanoharana izany fa izao no lazainy: “Raha misy mandre ny Tenin'ny fanjakan'Andriamanitra nefa tsy mahalala, dia avy ilay ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony: dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be. Ary ilay nafafy tamin'ny tany be vato no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin'izay, nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela; fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. Ilay nafafy tany anaty tsilo no izay mandre ny teny, fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mamono ny Teny ao aminy, ka tonga tsy mamoa izy. Fa ilay nafafy tamin'ny tany lonaka kosa no izay mandre ny Teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enim-polo, ary ny sasany telo-polo heny”.

Tsy hitsara aho hoe iza amintsika no sisin-dàlana, iza no tany be vato, iza no tany be tsilo ary iza no tany lonaka. Tsy anjarako izany ary tsy anjaranao ihany koa. Fa ny holazaiko fotsiny dia hoe zava-misy io, ary raha ny marimarina kokoa aza dia isika rehetra mihitsy no sisin-dàlana, tany be vato, tany be tsilo ary indraindray mba tany lonaka. Toetra misy ao amintsika avokoa ireo rehetra ireo. Misy fotoana aho mihaino ny Teny saingy noho ny tebiteby amin’ny fanahiana ny tontolo andro, rehefa donainan’ny fanadinana sy fianarana dia tsaingohin’ny ahiahy ilay Teny novakiako dia very anjevony. Misy fotoana aho mamaky ny Teny fa teren’ny adin-tsaina amin’ny fiahiana ny nofo dia malazo hoazy ny Teny fanantenana renesiko. Misy fotoana aho mamaky ny Teny fa rangotin’ny tsilom-pankahalana andranona sy ranona dia maty hoazy ny Teny. “Fa”. Soa ihany “Fa”. Soa ihany “Fa” ny fihevitro tsy fihevitr’Andriamanitra. Andriamanitra no mamafy ny “Teny” ho ao amiko. Izy mahalala izay mahasoa ahy. Vimbinany fanantenana aho ary hevohevoany ny fiainako mba ho tany lonaka. Dia afafiny eo ny Teniny. Ka na tsy tsapako akory aza fa lonaka ho an’ny Teniny aho dia Izy miasa mangina hoahy. Dia ampamokariny hamoa zato heny amiko ny Teniny. “Andriamanitra tsy adala” ary Izy mahita izay hahasoa sy hahavokatra ny Teniny amiko. Ny hany ataoko dia ny manondratondraka izay efa mitsiry ao amiko ary mikolokolo izany tsy ho lanin’ny “fody” amin’ny fotoam-pahavokarana indray. Samia mamisavisa ny fiainany.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1062 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org