Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy izy

Alahady Niovan'ny Tompo Tarehy

Ity no Zanako malalako, izay sitrako indrindra: henoy izy” (Mt 17, 1-9)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

“Dia niova tarehy teo anatrehany Izy; ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ny fitafiany tonga fotsy mangatsakatsaka tahaka ny fahazavana. Ary indreo niseho tamin'izy ireo Moizy sy Elia niresaka tamin'i Jesoa.”

Ankalazain’ny Fiangonana Katolika renintsika androany ny Fiovan’ny Tompo Tarehy. Raha ny fitantaran’ny Masindahy Matio izany zava-nitranga izany, tamin’izany andro izany, dia sady maha-te hanatrika no ihany koa mahalasa saina ny mandinika ny zava-nisy. Mazava dia mazava ny fanehoany ny zava-nisy ary antsipiriany ny fitanisany izay nitranga teo: tahaka ny masoandro ny famirapiratrin’ny tarehin’i Kristy ary ny fitafiany fotsy dia fotsy. Fa tsy izany ihany fa niresaka taminy teo ihany koa i Moizy raiben’ny Fanarahan-dalàna sy Elia zokiben’ny Mpaminany rehetra. Tsy hionona amin’ny famakafakana ny zava-misy sy ny mety ho dikany aho eto amin’ity fifampizarana androany eto ity fa ny hasiatsika resaka dia ny momba ny fihetsik’i Masindahy Piera manoloana ny zava-mitranga hitan’izy ireo.

Hoy izy: “Tompo, mahafinaritra ny mitoetra atý; ka raha sitrakao, andeha hanao lay telo atý, ny iray ho anao, ny iray ho an'i Moizy, ary ny iray ho an'i Elia”. Rehefa nahita an’i Kristy niova endrika toy izany izy dia nahatsapa ny hakanto sy ny hatsaran’izany famirapiratan’ny Tompo izany. Dia niangavy tamin’i Kristy mba hitoetra eo hatrany. Fa tsy izy ihany fa na izaho koa aza, ary inoako fa ianao koa mba toy izany, rehefa mivavaka lalina dia mahatsapa ny hamamy sy ny famirapiratan’ny Tompo ao anaty fanahy ao. Dia mieritreritra fa satry foana ho eo lalandava hibanjina ny Tompo. Tsara izany, tsy misy ny maharatsy an’izany. Saingy tsy natao hibanjina ny lanitra foana eo hay aho, ianao, fa irahin’ny Kristy hietry eo amin’ny fiainana andavanandro. Rehefa niangavian’i Piera i Kritsy fa hanamboarany lay telo eo, dia tsy namaly hoe eny na tsia i Kristy fa nangina Izy. Tao anatin’izany fahanginany izany anefa i Kristy dia feo hafa no re nisolo vava Azy ary naniraka azy ireo izay nanatrika an’izay nitranga teo mba hihaino an’i Kristy. Mazava loatra fa Andriamanitra Ray no niteny an’izany. Ny hevitr’izany rehetra izany, mifanjohy amin’ilay efa nolazaiko etsy ambony dia tsy inona tsy akory fa hoe tsy ampy ny mibanjina am-pahafinaretana ny famirapiratr’i Kritsy fa ny tena ilaina aza dia ny mihaino ny Teniny sy miaina izany eo amin’ny fiainana andavanandro. Koa ny tian’ny Evanjelisitra hampitaina amiko sy aminao dia ny hoe tsara ny mitodika amin’ny Tompo sy mankafy ny hankaton’ny famirapiratany. Fa ambonin’izany rehetra izany, ny tena tsara indrindra dia ny mihaino ny Teniny sy miaina izany eo amin’ny fiainana andavanandro ary manatanteraka izany ho nofo eo amin’izay atao rehetra.

Lay telo no nirian’ny Masindahy Piera haorina teo an-tendrombohitra. Ny toe-tsaintsika olombelona dia voasarika hampisaraka mandrakariva; ny fomba amam-panaontsika dia manosika antsika “samy hanana ny azy” matetika. Tsy toy izany no irian’Andriamanitra; tiany mba ho iray mandrakariva isika rehetra ary satriny dia satriny mba ho tokana isika samy isika ary tokana eo anatrehany. Tsy satriny mihitsy ilay hoe “samy maka ho azy” fa ny iriny dia mba hiombona sy hiray mandrakariva isika rehetra. Sady tsy izany ihany, hataon’i Kristy inona moa izay lay, manana fitoerana mendrika lavitra noho izany Izy. Tsy satriny ny hamehifehezantsika Azy hionona amin’izay harintanantsika; fa ny iriany aza dia ny mba hananantsika fanetren-tena ka hiaiky fa Izy no Zanak’Andriamanitra mahavita ny zavatra rehetra. Sitrany raha ny fiainantsika manotolo mihitsy no lay hitoerany, satriny raha ny amintsika mihitsy no ho trano fonenana.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102