Fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay

Alahady fankalazana ny Vatana Masin'i Kristy - Sakramenta Masina

Fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay” (Jn 6, 51-59)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

“Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra: raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao. Dia nifanditra ny Jody nanao hoe: Hataon'ilay io ahoana àry no fanome antsika ny nofony hohanina? Fa hoy Jesoa tamin'izy ireo: Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona hianareo sy tsy misotro ny rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary izaho hanangana azy amin'ny farandro. Fa tena fihinana ny nofoko, ary tena fisotro ny rako. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako, dia mitoetra ao anatiko, ary izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka ahy, izaho koa dia velona amin'ny Ray: toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana ahy. Izany àry no mofo nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay.”

Izany no Evanjely aroson’ny Fiangonana ho vatsim-panahintsika zanany ho an’ny andro rahampitso. Ankalazain’ny Fiangonana rahampitso tokoa manko ny Vatana aman-dran’i Kristy. Niniako nadika manontolo ny Evanjely satria feno dia feno ny Filazan’i Kristy momba ny Tenany ho sakafontsika manan’aina. Tsy hitako intsony izay madilana ho tentenina amin’ny voalazany, sady tsy mendrika an’izany rahateo aho. Fa ny hany hataoko dia ny hitondra fanazavana fohy mahakasika ny maha Mofon’aina Azy sy ny antom-pahavelomana entiny ho an’izay mandray sy mihinana Azy.

Vantaniko mialoha avy hatrany fa ny nofo aman-drà tian’i Kritsy ho lazaina amintsika eto dia tsy hoe akory ny nofo amin’ny maha olona Azy sanatria, fa raha tsy izany manko dia mpihinana olona isika na koa amin’ny fiteny baiko hoe kanibala. Tsy kanibalisima na oviana na oviana no ilazan’i Kristy ny fanomezany ny tenany no sakafontsika. Fa sarinteny ihany izany hilazany amintsika ny momba ny Eokaristia. ny Eokaristia, Sakramenta misy ny Tenan’i Jesoa manontolo amin’ny endrikin’ny mofo sy divay no lazainy eto ho vatana sy rany. Izany Sakramenta lehibe izany no lazainy ho antoka hahazahoana ny Fiainana mandrakizay. Raha fintinina ny Evanjely dia ireto lohahevitra telo ireto no azo tsoahina. I Kristy no mofo velona avy any an-danitra. Tsy tahaka ny mofo rehetra izay fihinantsika andavanandro i Kritsy fa tena mofo avy an-danitra mihitsy. Ny hevitr’izany dia hoe Fanomezan’Andriamanitra ho antsika rehetra i Kristy; Andriamanitra mihitsy no efa namolavola mialoha Azy ho sakafontsika ka hamelona indray ny aintsika. Ny hevitra faharoa kosa dia ny Filazan’ny Jesoa ny tenany ho antokin’ny fahavelomana mandrakizay ho an’izay mandray Azy. Izay mihinana ny Nofony sy misotro ny Rany dia tsy ho faty mandrakizay fa hanana ny fahavelomana tsy manam-petra. Ny hevitra fahatelo dia ny fananan’ny olona ao anatiny ny ain’i Kristy ho an’izay mandray Azy. Ny Eokaristia hoy aho no tian’i Jesoa ho lazaina amin’ny Teniny. Ny Eokaristia no mofo velona omen’Andriamanitra antsika ho sakafon’ny fanahy ary ho antoka hahazahoana ny fiainana mandrakizay. Ny antoka fa hahazo ny lanitra isika indray andro any dia ny Fandraisantsika am-pahamendrehana ny Eokaristia. Ny olona izay mandray ny Eokaristia dia tsy izy intsony no velona fa i Kritsy no velona ao aminy; ny ain’i Kristy no iveloman’izay mandray ny Eokaristia satria tonga sandry ary tonga nofo ao aminy i Kristy. Eto am-pamaranana dia manentana anao aho handray am-pahamendrehana ny Eokaristia; mety tsy ho azonao ankehitriny izao ny vokatr’izany fiombonana Aina amin’i Kristy izany, fa indray andro any, ho tsapanao.

Mirary Alahady Finaritra

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0185