Fa izay hisotro amin'ny rano homeko azy no tsy hangetaheta mandrakizay

Alahady fahatelo Karemy - Taona A

Fa izay hisotro amin'ny rano homeko azy no tsy hangetaheta mandrakizay” (Jn 4, 5-42)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Miditra amin’ny Alahady sy herinandro fahatelo amin’ny Karemy indray ary isika mianakavy izao. Azo lazaina fa efa akaiky hahavita ny antsasakin’ny làlana makany amin’ny Fankalazana ny Paka isika. Mbola lavitra anefa ny haleha ary mbola hideza ny làlan-kombana. Matetika dia rehefa akaiky ho tonga an-tanàna vao tena manaiki-tsoroka ny bao. Rehefa manakaiky ny fankalazana ny Paka dia mihamafonja ny ady amin’ny fakam-panahy ary mahery ny setran’ny filàna sy ny ady atao amin’ny fironana amin’ny asan’ny nofo manimba fanahy. Mihareraka ny vatana ary mihatrotraka ny fanahy manoloana ny ady amin’ny fakam-panahy. Mangetaheta hery vaovao ny tena iray manontolo fa lanahan’ny havizanana amin’ny tolona atao handresena ny ratsy manimba sy mandavo ny fanahy. Soa fa teo i Kristy mitondra hery vao ary manolotra rano hialana hetaheta; rano hamerina aina indray.

Ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’ity herinandro ity dia manamafy tanteraka an’izany. Vala-dia i Jesoa ka nipetraka teo akaikin’ny Fatsakana. Vehivavy Samaritanina anakiray no indro tamy hanovo rano. Nangetaheta i Jesoa ka nangataka tamin’ilay vehivavy mba hanovo rano indray misotro mba hialany hetaheta. Fa hafa mihitsy avy eo ny fihodin’ny tantara satria i Jesoa indray no nanala hetaheta an’ilay vehivavy. Ny an’ilay samaritanina dia rano manala ny hetaheta ara-nofo no atsakainy sy ahatongavany eo, fa ny an’i Jesoa kosa dia ilay rano manala ny hetaheta ara-panahy. Nolazain’i Jesoa mazava tamin’ilay vehivavy “Fa izay hisotro amin'ny rano homeko azy no tsy hangetaheta mandrakizay”. Mazava hoazy fa sarin-teny no ampiasan’i Jesoa ny teny hoe “rano”; tsy io rano fisotrotsika sy isasantsika io fa rano hafa mihitsy. Izay “rano” izay no andeha hohazavaitsika etoana ary. Fa alohan’ny hirosoantsika amin’izay fifampizarana izay dia hojeretsika indray maka aloha ny atao hoe “hetaheta” fa matoa misotro rano dia  satria mangetaheta. Ny hetaheta eto dia tsy inona tsy akory fa ny faniriako te-hahalala ny momba ny Fiainana: inona no ataoko mba ho sambatra amin’ny fiainana? Aiza no hametrahako ny fiainako mba ho mendrika ny fandalovako eto amin’ity tany fandalovana ity? Moa misy ve ny lanitra ary inona no hataoko hahazahoako an’izany? Rotoroto ny fiainana ary feno ahiahy; aiza no hahitako fitsaharana sy fahatoniana? Izany no hetahetako; mangetaheta fiadanana ao am-po aho ary te-hanana fahatoniana sy fiononana tanteraka amin’ny fahoriana mianjady amiko. Ny vali-tenin’i Jesoa dia tsotra: ao Aminy no misy ny rano manala izany hetaheta izany ary Izy mihitsy aza no loharano haha afa-diana ny fanahy te-higoka ny hasambarana sy fahatoniana. I Jesoa no loharano haha-afaka ny hetahetako. Raha te-hanana ny fahatoniana ato anatiko aho manoloana ny rotoroto mahavalaka ny fanahiko dia ao amin’i Jesoa no tsy maintsy hiantefa. Raha tiako mba hisy dikany ny fandalovako eto amin’ity tany ity dia tsy maintsy ho ao amin’i Jesoa aho no hanorina ny fiainako. Raha te-hanana fitsaharana marina sy fahatoniana feno aho dia ao amin’i Jesoa no hitoetra sy hiala sasatra.

Ny fiainana izany rehetra izany dia tsy inona tsy akory fa ny Sakramentan’ny Eokaristia. Raisiko ao amin’ny Eokaristia i Jesoa manontolo. Ny Eokaristia na ny Komonio no loharano hananako fiononana amin’izay hetahetako ara-panahy rehetra. Ny Sakramenta misy ny Vatana sy ny Ran’i Kristy no hanovozako ny fahasoavana sy ny hery rehetra hanome hasina ny fiainako sy ny fisiako eto amin’ity tany fandalovana ity. Koa hiezaka aho, ary asaiko ho toy izany koa ianao, mba hanatona am-pahamendrehana an’izany Sakramenta lehibe izany fa izany no hahazahoako sy hahazahoanao ny fiadanana ao am-po. Ianao koa, raha te-ho sambatra ianao, dia raiso ao am-po ary i Jesoa.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104