Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo

Alahady tsotra faha 7 mandavantaona - Taona A

Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo” (Mt 5, 38-48)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Sanatria ve mila voatsiary i Kristy raha mampianatra antsika ho tia ny fahavalo? Sanatria ve maka fanahy antsika Izy raha milaza amintsika hoe manaova soa an’izay manao ratsy antsika? Sanatria ve i Kristy dia mampitondra antsika an’izay tsy ho zaka raha manentana ahy hanome ny lambako an’izay manendaka ny akanjoko? F’angaha dia tsy misy fomba hafa hanehoana ny Fitiavana ankoatran’ny fivavahana sy firariana soa an’izay manao ratsy ahy? Aiza kosa no dia hisy an’izany hoe “manaova soa an’izay manendrikendrika anareo” izany? Tsy mifanohitra amin’ny natiora maha olombelona antsika ve izany hafatra izany? Raha atao amin’ny fitenintsika ankehitriny dia hoe: mampihomehy be izany hevitr’i Kristy izany. Kanefa dia izany no tenin’i Kristy. Izany no fampianarany ho antsika amin’ity alahady androany ity sy mandritra ny herinandro vaovao ho diavintsika.

Tsaroanao angamba fa niompana momba ny Didy vaovao ny fampianaran’i Kristy ho antsika tamin’ny Alahady lasa teo; ny Lalàna vaovao hifampifehezan’ny Kristianina dia ny Didim-pitiavana. Dia manohy izany fampianarana vaovao izany àry i Kristy no miteny amintsika indray androany mba ho tia ny fahavalo. Eto am-panombohana ny fifampizarana izao Tenin’Andriamanitra izao aloha dia lazaiko mialoha fa tsy mora izany tia ny fahavalo izany; lazaina ilay izy dia mora fa rehefa iainana dia tena sarotra ary betsaka aza no milaza mazava fa tsy hisy haha efa an’izany. Ambony ampanga manamafy ny fahasarotan’izany didim-pitiavana vaovao izany ihany koa moa dia ny zava-misy iainantsika ankehitriny. Aiza no toerana tsy ahenoana fifandirana? Aiza no haino ama-jery tsy ahitana adilahy pôlitika sy ekônômika? Eny fa na dia ny mpirahalahy sy ny mpiray tampò aza mifampifahavalo. Hatramin’ny pretra sy ny mpisorona dia mifampihantsy ady sy mifanditra ary mifandray ho toy ny mpifahavalo. Firifiry ireo relijiozy, na lahy io na vavy, no mifandramatra sy mifamono an-teny sy kabary ary mifampifahavalo; kanefa dia iray trano, iray fikambanana ary iray latabatra eo anoloan’ny Sakramentan’ny Eokaristia. Firifiry ireo tokatrano kristianina no mifandatsak’aina sy mifamiravira amin’ny fihetsika sy teny mandritra aina. Firifiry ireo mpivady vita mariazy kristianina no mifamono sy mifampikasi-tànana kanefa dia nilokaloka fa hifankatia sy hifanaja mandra-maty. Firifiry ireo Eveka sy Kardinaly no mifanaratsy sy mifampihatsy ady am-pahibemaso amin’ny gazety sy radio nefa dia “dimbin’ny apostoly” izy ireo. Ary izaho; impiry aza aho no nankahala an’i ranona sy ranona satria halako ny ataony. Aleo aho tsy hitanisa intsony fa vaky fo fotsiny eto; aleo aho hiverina amin’ny fanazavako an’ilay Tenin’i Kristy teo.

Samy zanak’Andriamanitra isika rehetra ary samy nohariany hitovy endrika Aminy. Dia nomeny ihany koa an’ilay hoe “fahafahana” mba tsy ho Zanaka voageja; fahafahana mba ho afaka hisafidy hanao ny tsara na hanao ny ratsy. Fa noho ny fahalemena dia matetika aho, ianao, isika no misafidy ny ratsy ary lasa manisy ratsy ny namana ka mandray azy ho fahavalo. Vokatr’izany dia rovitra ny rohim-pihavanana. Koa raha tiana hivitrana sy hiverina amin’ny laoniny io rohim-pihavanana voahosihosin’ny fifankahalana io dia làlana tokana no vahaolana ary izany indrindra no ampianarin’ny Kristy: “tiavo ny fahavalonareo”. Ny fanehoam-pitiavana ny fahavalo ihany no hany fanafody mahasitrana ny fifankahalana; ny fandraisanao ny fahavalonao ho namana indray no hany vahaolana azo antoka haha-olombaovao azy. Raha raisiko ho fahavaloko ary ho valiako faty ny ratsy ataon’ny fahavalo amiko dia vao mainka hangitsokitsoka ny hantsana mampisaraka anay; ary na izy na izaho dia samy tsy ho henika fiainana satria samy ho feno lolom-po. Ivelomy ary ampanjakao amin’ny fiainanao ny Tenin’i Kristy ary aza hadino “fa raha mifankatia isika, dia hiova ho lanitra vao izao fiainana izao…”

Mirary alahady finaritra.

 

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098