Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho

Alahady tsotra faha 21 mandavan-taona taona A

Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?” (Mt 16, 13-20)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Asa moa ianao zao na mba efa nametraka fanontaniana tamin’ny tenanao tokoa hoe “iza tokoa moa ianao ry Jesoa ho ahy?” Fanontaniana tsara apetraka izany manolona ny Finoana sy ny fiainana maha-kristianina. Mazava loatra fa tsy hitovy mihitsy ny valintenintsika ny amin’izay hilazantsika ny amin’i maha-Izy azy an’i Kristy. Tsy hoe diso ny an-dranona na marina ny an’izatsy; samy valinteny daholo izany rehetra izany. Fa ny anton’ny fahasamihafana dia miankina betsaka amin’ny fomba fifandraisana amin’i Kristy. Noho izany, dieny ety am-piandohana dia lazaiko sahady fa ny maha-Izy azy an’i Kristy dia miainga be dia be amin’ny iheveranao ny momba Azy; ary ny iheveranao ny momba Azy dia miainga be dia be amin’izay fifandraisanao Aminy sy ny iheveranao ny fomba fitondrany Anao eo amin’izay sera sy fifanakalozana ataonao Aminy.

Ho an’ireo “olona sasany” dia Joany Batista, Elia, Jeremia, na anankiray amin’ny Mpaminany no iheveran’izy ireo an’i Jesoa. Rariny izany valinteny izany satria ny fifandraisan’ireo olona ireo amin’i Jesoa dia nankininy amin’ny “atao”-n’i Jesoa. Inona moa no nataon’i Jesoa fa tsy ireo fahagagana samihafa be dia be sy ireo fampianarana mifono hevi-dàlina manoloana ny fiainana. Ireo Mpaminany voatanisa ireo dia nanao fahagagana sy nanao fampianarana miezinezina ihany koa; dia tsy manana valin-teny hafa ireo olona ireo satria izay no zavatra andrasany amin’i Jesoa. Dia izay izany no amaritany ny maha-Izy Azy. Fa na izaho, ary tsy vitsy amintsika koa no mitovy fomba fijery amin’ireo olona ireo. Rehefa manontany ny momba an’i Jesoa amiko aho dia tsy lavitra an’izany koa ny valinteniko. Ny antony dia satria apetrako loatra amin’ny “atao” no amaritako an’i Jesoa. Akamako Izy satria iresahako sy izarako izay manahirana ahy; Bankiko sy Fitahirazam-pananako Izy satria rehefa “tapaka sy serana” aho dia mitalaho Aminy mba homeny an’izatsy sy izaroa. Fa misy fotoana koa anefa dia “filàn-tsy mahita” Izy satria rehefa misy olona hafa na zavatra hafa eo akaikiko eo dia hadinoko ny fisiany ary tsy asiako sira akory aza izay mba fiangaviany mba hiresaka amiko; satria amin’ny maha-mpiakama anay dia tsy hoe izaho ihany no manatona miresaka Aminy fa, Izy koa misy fotoana, Izy mihitsy no manatona mba te-hiresaka sy hisera amiko. Fa ny tena zava-doza amin’izay andraisako sy iheverako an’i Kritsy indrindra indrindra dia ilay toe-tsaiko hoe “makany ny olona dia mba makany” koa aho. Eny, mitranga izany rehefa tsy lalim-paka ny Finoako ary lasa fahazarana fotsiny ny mivavaka sy mitafa amin’i Kristy… Rariny avokoa izany valinteny izany satria izany no maha-olombelona antsika; tsy anjely akory isika fa mbola mivelona amin’ny nofo sy ny filàna fototra.

Fa ny Marina amin’izay mety ho famaritana an’i Kristy dia io valin-tenin’i Masindahy Piera io: “Ianao no Kristy Zanak'Andriamanitra velona”. Io no Marina fa ny antsika rariny; Marina satria io no tena mahadika ny maha-Izy azy an’i Jesoa. Kristy Izy satria Izy no ilay Irak’Andriamanitra hamonjy ny olona rehetra sy hampody indray ny fifandraisan’ny taranak’olombelona amin’Andriamanitra. Kristy Izy satria nanaiky hanolotra ny Ainy ho fanavotana ny olombelona rehetra amin’ny anolorany ny Tenany ho Sorona. Fa Zanak’Andriamanitra ihany koa Izy satria Andriamanitra Rainy mihitsy no nilaza ny momba izany tamin’Izy nataon’i Joany Batemy teo amin’ny ranon’i Jordany. Zanak’Andriamanitra Izy satria raha ny fahagagana sy zava-bitany dia mihoatra lavitra noho ny nataon’ireo mpaminany. Zanak’Andriamanitra Izy satria tsy hoe ny “atao”ny ihany no amantarana izany fa ny maha-Izy Azy manontolo mihitsy. Tano ny “rariny” fa ny “Marina” aza hadino mihitsy.

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0175