Efa nitsangan-ko velona Izy, ary indro hialoha anareo any Galilea

Efa nitsangan-ko velona Izy, ary indro hialoha anareo any Galilea” (Mt 28, 1-10)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

1Tamin'ny alin'ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia lasa nitsirika ny fasana Maria Madelena sy ilay Maria anankiray. 2Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy anjelin'ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny. 3Namirapiratra tahaka ny helatra ny tarehiny, ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany. 4Ankona ny mpiambina nony nahita izany, ka nanjary tahaka ny maty. 5Dia niteny tamin'ireo vehivavy ny anjely nanao hoe: Aza matahotra hianareo; fantatro fa mitady an'i Jesoa izay nofantsihana tamin'ny hazo fijaliana hianareo. 6Tsy ato izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia ka jereo, fa teo no toerana nametrahana ny Tompo. 7Mandehana haingana milaza amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty izy, ary indro hialoha anareo any Galilea izy; any no hahitanareo azy; izany àry, fa efa nilazako hianareo izay. 8Dia niala faingana tamin'ny fasana izy ireo, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin'ny mpianatra. 9Ary indro Jesoa niseho taminy nanao hoe: Arahaba. Dia nanatona azy izy ka namihina ny tongony, sy niankohoka teo anatrehany. 10Dia hoy Jesoa taminy: Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy.”

Izany Evanjely sy Teny soa mahafaly ary mahafeno fanantena izany no anombohako ny fifampizarana aminao amin’izao andro Goavana izao. Ny Tenin’ny Evanjely mihitsy no tiako hifampizarana aminao; Tenin’Andriamanitra milaza sy manoritsoritra ny momba an’i Jesoa ilay maty fa nitsangan-ko velona. Tiako hifampizarana aminao manontolo, amin’ity andro goavana ity, ny Tenin’ny Tompo milaza amintsika fa nitsangana tamin’ny maty Izy ary nandresy ny fahafatesana. Mamy loatra izany fandreseny izany ary fototrin’ny fiainantsika rehetra ka tsy ho ampy hilazako aminao ny halalin’izany fahasoavana lehibe izany ny voambolana rehetra ananako. “Tsy ato izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Feno dia feno ny foko, hipoka dia hipoka ny saiko ka na ny Teny hilazako ny halalin’izany Fandresena goavana nataon’i Kristy izany aza dia hamatra dia hamatra. Nitsangan-ko velona ny Tompo, resiny ny fahafatesana ary tsy nahatàna azy ny herin’ny fasana. Feno dia feno hoy aho ny foko. Dia velon-kira vao maraina aho: “Nandresy ny tompontsika…”, “Nitsangana tamin’ny maty Jesoa Mpamonjy antsika, koa mifalia, Aleloia…” Fantatro ary inoako fa hisy akony goavana dia goavana eo amin’ny fiainako izao fandresen’i Kristy izao. Fantatro ary inoako fa hitondra fanavaozana lehibe eo amin’ny fiainanao izao fandresen’i Kristy izao.

Maloka dia maloka ny fandriampahalemana maneran-tany ary mihaohao aok’izany ny horakoraka an’ady aty Eoropa sy amin’iny faritra Atsinanan’ny bolabolatany iny. Mailomailo isika rehetra fa hipoaka tsy ho ela ny ady lehibe fahatelo. Mandry tsy lavo lova ny tany rehetra amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny sotasota ara-politika. Fa mino aho fa izao Fankalazana ny Paka izao dia hitondra fangatsiatsiahana ho an’ny tsirairay. Mino aho fa tsy “matimaty fahatany” i Kristy fa hitondra fanavaozana ao am-pon’ny tsirairay. Mino aho fa hamiratra indray ny andron’ny tsirairay.

Eto am-pamaranana aho dia mirary Paka sambatra sy finaritra ho anao; enga anie i Kristy ilay efa nandresy ny fahafatesana hampandresy anao ihany koa amin’ny ady atrehinao amin’ny finoana. Ny Ra nalatsany ho fanavotana antsika rehetra anie mba ho zezika hahavokatra ny fanomezam-pahasoavana eo amin’ny fiainanao. Hisy vokany eo amin’ny fiainam-panahinao anie ny ezaka nataonao nandritrin’ny Karemy.

Mirary Paka sambatra e

Mompera Nary

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.189