Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra ilay manala ny fahotan'ny olona

Alahady tsotra faha-2 mandavan-taona - Taona A

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Miditra amin’ny vanim-potoana mandavataona indray isika izao ary efa mandray ny herinandro faharoa. Vakiana mba ho sakafom-panahintsika amin’ity alahady sy ity herinandro vaovao ho diavintsika ity ny fanambarana goavana nataon’i Joany mpanao Batemy momba ilay Mesia vao avy nankalazaintsika ny fahaterahany. Indro, hoy izy, ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra, ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao. Teny fohy fa mafonja, teny kely fa manan-danja. Fehezan-teny indraim-bava fotsiny no amaritan’i Md Joany ny maha Mesia an’i Kristy; fehezan-teny fohy fa saingy kosa mahadika manontolo ny maha Mesia an’i Kristy sy ny anton-diany ety an-tany. “Zanak’Ondrin’Andriamanitra” i Jesoa. Hainao tsara fa eo amin’ny kolontsaina sy kolofinoana jody dia manana ny dikany goavana ny zanak’ondry. Ny dikany voalohany indrindra dia ny maha bibin-tsorona azy. Ny zanak’ondry no biby fanao sorona tsara sy lavorary indrindra eo amin’ny jody noho ny antony maro: tsotra, madio, malemy paika. Ireo dikany ireo ihany dia ampy hanazantsika ny tian’i Md Joany holazaina. Raha izany, i Jesoa dia ilay Voafidin’Andriamanitra hatao sorona; Izy no ilay Mesia nirahin’Andriamanitra hanavao indray ny Fanekem-pihavanana efa rava. “Manala ny fahotan’ny olona” io Zanak’ondry io. Ny Sorona teo amin’ny fomba amam-panao ara-pinoana jody dia nanana dikany maro: sorom-pamitranam-pihavanana, sorom-pifonana, sorom-pisaorana, sorom-pidiovana sy ny sisa isan-karazany. Fa eto i Md Joany dia milaza mazava kosa fa io Zanak’Ondry io dia Manala ny fahotan’izao tontolo izao. Noho izany, ny antony haha sorona an’i Kristy dia tsy hoe rendrarendran-Janahary te-hahita an-janany latsaka aina sy mijaly; ny irak’Andriamanitra ho an’Ilay Zanany dia ny mba hanala ny fahotan’izao tontolo izao. Ny tian’i Md Joany Mpanao Batemy ho tenenina amin’io hoe “manala fahotana” io dia mbola mifanjohy akaiky amin’ilay famaritana ny sorona efa natsidiko tetsy ambony. Natolotr’Andriamanitra ho Sorona ny Zanany mba ho afa-pahotana isika rehetra. Ny ran’i Kristy Zanak’Ondrin’Andriamanitra no hanasana ny fahotantsika rehetra.

Dia inona ary izany no hifandraisan’izany hevitra rehetra izany amin’ny fiainantsika andavanandro eo amin’ny ara-nofo sy ara-panahy? Eo amin’ny ara-nofo: hiezaka aho mba hanamarika ny fiainako amin’izay ataoko rehetra ka hamaritra ny maha-Izy Azy an’i Kristy. Hiezaka aho mba ho vavolombelona, tahaka an’i Md Joany ka hampiharihary amin’ny asako sy ny fihetsiko fa io Kristy io tokoa dia tonga ho Mesiako. Amin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-mianatra amiko dia hijoro ho vavolombelona aho fa Tompo sy Mpamonjy i Kristy fa tsy firehan-kevitra fotsiny sanatria. Eo amin’ny lafiny ara-panahy: hiezaka aho arak’izay tratran’ny aiko hanatona ny Sakramentan’ny Eokaristia, Sorona Lavorary indrindra satria i Kristy mihitsy eo no Zanak’Ondry atao sorona, Otely anaovan-tsorona ary Mpisorona misorona. Hiezaka aho hanao komonio am-pahamendrehana fa izany no antoka hahatonga ahy ho afa-keloka sy tsy hanan-tsiny eo anatrehan’ny Tompo ary hampahazo ahy ny fiainana mandrakizay. Hiezaka aho hanome hasina ny Lamesa, ankalazana an’i Kristy Zanak’Ondrin’Andriamanitra atao sorona; hanome hasina ny Lamesa aho na dia tsy lavorary sy andairam-pahotana ary tsy mendrika toa ahy ihany koa aza ny Pretra manolotra ny sorona Masina. Hiezaka aho mba hitaona ireo namako hivavaka sy hamonjy Lamesa; fa sao koa manko dia hitsarana ahy indray andro any ny tsy fitaomako ireo namako hanatona ny Tompo sy handray anjara amin’ny Fanasan’ny Zanak’Ondry.

 

Mirary alahady finaritra.

 

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761