Tompo o, ampianaro mivavaka izahay

“Tompo ò, ampianaro mivavaka izahay…fa izay mangataka no homena ary izay mandondòna no hovohana” (Lk 11, 1-13)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

 

Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo, fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho: Angamba folo izy no ho hita ao” hoy i Abrahama tamin’ny Tompo, manoloana ny fandringanana nitatao teo ambonin’i Sôdôma sy Gômôra. Tsaroantsika tsara angamba ny famangian’ireo Telolahin’Andriamanitra an’i Abrahama. Rehefa niainga izy ireo dia nilaza mazava fa handeha handringana an’i Sôdôma sy Gômôra fa tanàna feno haratsiana loatra. Fa noho i Abrahama olon’ny fitsimbinana sy ny fiherehana ny hafa dia nangataka tamin’ny Tompo mba tsy ho tanterahina ny fandringanana raha misy olomarina folo ao an-tanànan’ny Sôdôma sy Gômôra. “Fandio iray tandroka no nahalefy ny fandoto iray siny” ka dia neken’ny Tompo ny fangatahan’i Abrahama; fangatahana niainga tamin’ny fandio dimampolo ka niafara tamin’ny folo. Izany no vavaka atao amim-pinoana: tsy mikoso-masomena ary tsy mipody vato zinera, sahy misedra ary mitolona amin’ny Tompo, manao lemozy ary tsy manaiky raha tsy mahazo.

Vakiteny I : Jen. 18:20-32,
Tononkira : Sal. 138:1-2,2-3,6-7,7-8,
Vakiteny II : Kol. 2:12-14,
Evanjely : Lk. 11:1-13,

Samy milaza ho mivavaka amin’Andriamanitra isika kristianina. Kanefa maro ihany koa amintsika no mibararareoka fa tsy mihaino vavaka Andriamanitra ary tsy mamaly antso. Maro amintsika no milaza fa tsy henoin’Andriamanitra ny vavaka ataotsika ary tsy tanteraka ny fangatahana ataontsika. Matetika aho no miteny anakam-pò fa malaina hamaly ny fivavahako ny Tompo. Ny tena marina dia tsy Andriamanitra no tsy mamaly vavaka fa ny faharetako no tsy ampy ary ny fikirizako no fohy. Toa tsy mamaly vavaka Andriamanitra satria tsy maharitra misisika Aminy aho, fa manao vavaka ala safay ka manao “tora-baton’ilay jamba: mahavoa mahafanina, tsy mahavoa mahafarina”. Toa tsy mamaly vavaka Andriamanitra satria vavaka mihambahamba ny fivavahako; mivavaka hiany fa zara fa vita. Toa tsy mamaly vavaka Andriamanitra satria ny fivavahako dia tsy mikendry afa-tsy izay ho tombontsoako fa tsy ny tombontsoan’ny besinimaro; vavaka famahanana ny fitiavan-tenako fa tsy ny hahasoa ny rehetra. Dia samy miteny isika hoe “ampianaro mivavaka ary izahay e.”

Na izaho, na ianao, dia “tenenina foana fa eEeee, anarina foana fa eEee”. Efa nilaza mavaza i Kristy: “Raha mivavaka hianareo, manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Omeo anay anio ny hanina ilainay isan'andro. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin'ny fitaoman-dratsy izahay”. Io vavaka nampianarin’ny Tompo io no modelim-bavaka tsara indrindra; io no lasitra tsara indrindra raha tiako, tianao ny hanana vavaka mandaitra sy tò.

Ray Andriamanitra. Io no fehitenim-pamaritana mamintina ny Endrik’Andriamanitra: Ray miahy sy mihaino antsika rehetra, Ray tsy mba manavaka fa tia ny olon-drehetra, Ray mikolokolo sy manome izay mahasoa antsika tsirairay, Ray mizara maimaim-poana ny mamy sy ny meva ho antsika sombin’ny Ainy. Ray Andriamanitra fa Izy no ahazahoantsika ny aina mbola ivelomantsika, Ray mamaly ny antson’ny zanany mila vonjy sy mitodika aminy, Ray mankahery amin’ny sarotra. Ray Andriamanitra fa entiny an-tsangory isika rehefa mandalo fisedrana sy làlana mahatahotra, ataony am-babena rehefa mandia kizom-piainana mila hahavery. Ray Andriamanitra fa mizara teny mamy sy mankahery antsika rehefa mandalo vanim-potoana mangidy sy migoka adim-piainana mafaitra isika.

Fa ihany koa, Ray Andriamanitra ka manafay antsika rehefa misy hadisoana ataontsika amin’ny hafa satria samy zanany ny rehetra; satria zanany tiany aho dia “tsy itsitsiany rotsa-kazo” rehefa misy nataoko na noteneniko na noeritreretiko hitany fa manimba ny zanany hafa ka mampilatsa-dranomaso azy ireo. Andriamanitra tsy mba faly hampihanta ahy fotsiny amin’izay faniriako rehetra, na koa raikely “sakay kely rano” ka ho faly amin’ny fijaliako. Ray tsara indrindra Andriamanitra ka mahay mandanjalanja ny tokony hataony mihoatra noho izay eritreretiko: ny tanany an-kavia mikapoka ahy rehefa misy hadisoako ary ny tànany an-kavanana kosa manafosafo ahy rehefa injay aho mangirifiry ny kapoka manjo ahy tamin’ny fananarany. Izany no Andriamanitra Ray asain’i Jesoa itodihantsika rehefa mivavaka isika.

Tsy mampianatra antsika hivavaka sy hanamasina anaran-kafa ankoatran’Andriamanitra Ray i Kristy; tsy niteny Izy na nanafatra hanamasina ny anaran’ny Kelimalaza na ny anaran’ny Zanakandriamasinavalona. Tsy mampianatra antsika hampanjaka hery hafa i Kristy afa-tsy ny Fanjakan’Andriamanitra; fanjakana anjakan’ny rariny sy ny hitsiny, fanjakana miorina amin’ny fifankatiavana sy fiombonana, fanjakana iainana ny fifampizakana fahalemena.

Ny tapany voalohany amin’io vavaka nampianarin’ny Tompo io dia mitodika amin’Andriamanitra. Izany hoe, rehefa hivavaka aho, dia aoka aloha ho ny haja amam-boninahitrin’ny Tompo no ho lafika hanorenako ny vavaka ataoko; aoka mba ho ny Fanjakan’Andriamanitra no ho fototrin’ny vavaka ataoko. Mazàna manko aho rehefa mivavaka dia avy hatrany izay “mahamandina” ahy no ataoko totoafo eo anatrehan’Andriamanitra fa izay hasiny sy fahamboaniany “tsy asiako sira”.

Ny tapany faharoa amin’ity vavaka nampianarin’ny Tompo ity no mahakasika izay faniriako eo anatrehan’Andriamanitra. Rehefa hivavaka aho dia izay “ilaiko” isan’andro no tokony hangatahako amin’Andriamanitra. Manaraka izany, ilaiko ny fiekeko ny hadisoako eo anatrehan’Andriamanitra ary mangataka Aminy aho mba ho avelany heloka. Fa ho tambin’izany koa dia tsy maintsy mamela ny hadisoan’ny hafa nanao hadisoana tamiko aho. Ary fahatelo manaraka izany, hataoko ho anisan’ny anton’ny fivavahako ny fiarovan’Andriamanitra ahy amin’ny ratsy mety hihatra amiko. Raha arahako antsakany sy andavany io fomba fivavaka nampianarin’ny Tompo io, dia inoako fa hamaly vavaka ahy Andriamanitra. Raha ataonao am-pinoana tsy misy fihatsaram-belatsihy io vavaka nampianarin’ny Tompo io, dia sahiko ny milaza aminao fa ho henoin’Andriamanitra ny fivavahanao ary hovaliany ny fitarainanao Aminy; satria “izay mangataka no homena ary izay mandondòna no hovohana”.

Mirary alahady finaritra.

 

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736