Tandremo tsara sao azon'ny fahihirana hianareo

Nampiditra : hery
Daty : 31/07/2016

“Tandremo tsara sao azon'ny fahihirana hianareo, fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'izay ananany” (Lk 12, 13-21)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

Asa raha tsaroanao ilay hiran’i Backom Le Rasta sy Monique hoe : “io vola be ‘nao io ô, tsy handay anao hoany Mausolée…”. Tsaroanao. Dia raha manjohy akaiky ianao dia toa mifanandrifindrify amin’i Tenin’i Jesoa momba ilay mpanankarena voalaza ao amin’ny Evanjely izay renesintsika amin’ity alahady ity. Etsy andanin’izany anefa dia eo ihany koa ny ohabolandrazantsika milaza fa ny “ny vola no maha rangahy”. Sanatria ve nifanipaka toy ny dakan’antitra ny fampianaran’ny Evanjely sy ny Fahendren’ny razana? Tsia, tsy nifanipaka ireo hevi-dalina roa ireo fa ny fomba fijery no samihafa ary ny lokom-pitazanana no tsy naha sahala azy. “Tsinay tsy mba vatsy, ary kibo tsy mba lamosina”. Noho izany, ilaina ny vola ary tadiavina ny harena hamelomana ny aina sy hividianana ny soa. Eo amin’izay fandanjalanjana ny famelomana ny aina sy fikatsahana ny soa izay no anoloran’ny Evanjely fampianarana ho antsika; tsy inona akory izany fa ny fahalanana ny onony amin’ny fitadiavam-bola aman-karena. Ny tiana ho lazaina amin’ilay fahalalana onony dia tsy inona tsy akory fa ny fahaizana mametraka ny vola aman-karena ho anjara biriky hanasoavana ny mpiara-belona sy zana-tohatra hiakarana ny lanitra. Raha adika hafa dia hoe: ny harena eo am-pelatanatsika dia tsy tanjona ho tratrarina fa antoka kosa hanampy antsika hanana fari-piainana tsaratsara kokoa dieny ety an-tany eo am-pikarakarana sy am-panomanana ny fiainan’ny lanitra. Ilaina ny vola, katsahina ny harena. Fa saingy tsy atakalo an’ireo kosa ny Fanahy na hatao antsonjay hamidy hahazahoana an’ireo; fahihirana izany. Tadidio ilay tenindrazantsika hoe : “na fy aza ny amalona, ny lela tsy hatao jono”. Katsaho ny vola, tadiavo ny harena fa aza atao jono hahazahoana an’ireo ny fanahinao.
Izany teny fahendrena rehetra izany no mbola hamafisin’i Md Paoly ka nilazany tamin’ireo Kôlôsianina hoe : “ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany”. Olombelona aho, olombelona ianao ary mbola miriaria eto ambony tany eto isika. Ka noho izany, mbola ilaiko ary ilainao ny zavatrin’ny tany, ny vola sy ny harena. Fa ny tena tokony hankafizina, izany hoe ny hatao tanjona ho tratrarina dia ny lanitra anjara lovatsika. Matoa aho mivavaka, matoa ianao mbola mino an’Andriamanitra dia satria manantena ny mba handray anjara amin’ny fandresen’i Kristy ny fahafatesana ka mba te-hiaraka hitsangan-ko velona Aminy indray andro any rehefa tonga ny andro handaozana ity tany fandalovana feno “sakoroka” sy “lagy” ity. Manoloana izany fanantenana goavana izany no ilazan’i Md Paoly amiko sy aminao mba hikatsaka sy hankafy ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy; raha tiako sy raha tianao ny handray anjara amin’ny fiainana mandrakizay.
“Zava-poana dia zava-poana” hoy ny Mpitoriteny. Angamba tsy ho raisinao ho famingavingana ny zavatrin’ny tany izany teny izany. Te-hanitrikitrika mafy ny Mpitoriteny fa ny zavatrin’ny tany dia zava-poana ihany raha atao tanjona kendrena. Te-hilaza amiko sy aminao izy fa zava-poana ny vola aman-karena raha tsy entina hanomanana ny fiainan’ny lanitra ary hanasoavana ny mpiara-belona. Te-hilaza amiko, te-hilaza aminao ny Mpitoriteny fa zava-poana ary tena zava-poana mihitsy ny fireharehako sy fireharehanao amin’ny vola aman-karena. Omaniko ny lanitro, omano ny lanitrao ary “Mihevera fa mandalo, Mihevera fa mbola ho vovoka… Io vola be ‘nao io ô! Tsy handay anao any Mausolé ”

Mirary alahady finaritra.

Mompera Nary

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0416 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org