Tandremo sao ho voafitaka hianareo, fa maro no ho avy hisandoka

Alahady faha-33 D Tsotra Mandavantaona

Tandremo sao ho voafitaka hianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny anarako hanao hoe: Izaho no izy” (Lk 21, 5-19)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

 

Angamba tsy ho zoviana aminao intsony ny zava-misy ankehitriny ny amin’ireo olona isan-karazany sy avy amin’ny faritra maro milaza sy manolotra ny tenany ho mesia. Any Siberia ohatra dia milaza ny tenany ho mesia ingahy Vissarion ary nanolo-tena ho mpamonjy an’izao tontolo izao. Fa na tsy haka lavitra aza isika dia misy ihany koa eto Madagasikara. Nanolotra ny tenany ho mesia ihany koa ingahy Tsaratsara ary nanandratra ny tenany ho mpanjaka sy tompo. Efa taona vitsivitsy izy izay no nanao fitetezam-paritra sy famangiana ireo vondron’olona momba ny tsangan-keviny fa vao tsy ela kosa no izao manandra-tena ho mesia sy mpanjaka izao. Apostoly Tsaratsara no niantsoany ny tenany taloha fa rehefa naharesy lahatra olona maromaro amin’ny tsangan-keviny izy dia nanolo-tena ho mpanjaka sy mesia amin’izay. Izy no ilay dahalo niala tamin’ny fanaony taloha ka nahazoatsika ilay fitenenana hoe “niova fo”.

Sanatria dia sanatria ahy ny hoe hitsara na iza na iza; tsy manan-jo amin’izany aho ary tsisy tombotsoa hoahy izany. Fa na izany na tsy izany dia adidiko kosa ny milaza ny zavatra misy sy mampitaha an’izany amin’ny Tenin’i Jesoa ao amin’ny Evanjely sy ny Soratra Masina. Ekeko fa mila fibebahana aho, manaiky aho fa mila miova fomba fitondran-tena ny tsirairay hahazahoana ny lanitra; tsy mandà aho ary vao maika aza faly rehefa misy olona mahasahy mijoro amin’ny finoany ka mitarika ny hafa hibebaka sy hanatona ny famonjena. Satriko dia satriko raha mba mihamaro ireo mirotsaka hitory ny Evanjely sy hitaona ny olona hibebaka ka hivavaka sy hitodika amin’Andriamanitra. Fa laviko marindrano kosa ny olona milaza ny tenany ho mesia sy mpanjaka. Tsipahako ny hevitr’ireo mitolo-tena ho mpanavotra, satria iray ihany ny Mesia sy Mpanjaka dia i Kristy Jesoa, Ilay Zanak’Andriamanitra tonga olombelona. Tokana ihany ny Mpanavotra dia Ilay Nazareanina maty nofantsihana tamin’ny hazofijaliana nefa nitsangan-ko velona. Ary manontany tena aza aho hoe “ireo olona milaza tena ho mesia sy mpanjaka tahaka an’i Kristy ireo ve efa vonona ny hofantsihana amin’ny hazofijalina sa hoe aAaann?”. Ny maha Mesia ny Mesia dia io fanolorany ny Tenany teo amin’ny hazofijaliany io.

Tadidio tsara ny tenin’i Kristy hoe : ”Tandremo sao ho voafitaka hianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny anarako hanao hoe: Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro, ka aza manaraka azy”. Raha fintinina io Teniny io dia tsotra: raha vao ny olona anankiray no “misora-tena toy ny voatavo” ho mesia sy mpanjaka, dia tsy milamina izy zay. Dia manontany tena aho hoe inona no hataoko? Tsotra ihany: ho hamafisiko ny Finoako amin’ny maha katolika na protestanta ahy. Hataoko izay hahamafy orina ny fiainako ao amin’ny Kristy fa tsy hanaraka an’izao antsanga tsy aman’orana rehetra izao. Hiezaka aho mba hanantona ireo sakramenta azoko raisina mba hankahery ahy amin’ny adim-pinoana atrehiko. Rehefa hivavaka aho ny alahady sy ny andro voadidy hohamasinina dia hoany am-piangonana; sanatria tsy hampiseho haingo sy didin’akanjo lamaody fa izay ananako no ho sasaiko madio dia ampy izay. Satria ny Tompo tsy hijery izay paozinao fa ny vavakin’ny olona malahelo, Izy tsy hijery izay akanjonao fa ny vavakin’ny olona mitaraina. Halaliniko ny Finoako fa efa akaiky ny andro hitsarana an’izao tontolo izao. Homaniko ny fiainan-ko avy fa ny tany fandalovana ary tsy misy hitoetra eto mandrakizay. Izay ataoko rehetra dia atolotro amin’ny Tompo ho fibebahako sy fivalozako. Ianao koa asaiko hanao toy izany.

 

Mirary alahady finaritra.

 

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124