Ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’olona

Alahady faha 31 tsotra mandavantaona - Taona D

Ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’olona” (Lk 19, 1-10)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

 

Resaka Famindrampon’ny Tompo le raha. Ataoko fa tsaroanao fa nifampizarantsika teto fa rehefa hivavaka isika dia sady tsy hanebaka ny hafa no tsy hanambony tena amin’ny fireharehana fa manetry tena ary hilaza amim-pahatsorana amin’ny Tompo hoe: “Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho”. Ary izaho mino, asa ianao raha toa ahy, fa mihaino vavaka ny Tompo ary tsy am-pisalasalana no anekeko fa amindran’ny Tompo fo aho rehefa miverina sy manatona azy amin’ny fo sy fanahy torotoro. Rehefa miaiky aho fa mpanota eo anatrehan’ny Tompo dia tsy atositosiny fa raisiny am-pitiavana indray satria ny famonjena ahy dia vidin-dràn’ny Zanak’olona; ankoatr’izany moa dia arak’ilay ohabolan-drazantsika hoe “ny heloka ibabohana mody rariny”.

Sarobidy eo imason’ny Tompo ianao ary tsy foiny ho very. Noho Izy mahefa ny zavatra rehetra no iantrany anao sy tsy ijereny ny fahotanao rehefa mibebaka Aminy ianao. Tiany ny zava-boahary rehetra satria samy nataony; fa ianao kosa dia omeny tombom-pitiavana manokana satria nohariany hitovy endrika Aminy ary nanolorany ny Ainy ho sandan’ny fanavotana anao.

Fa matetika isika no tsy mahatsapa izany famindram-po tsy misy fetra avy amin’ny Tompo izany ka lasa miraviravy tànana ary manao faohy any faohy any ny ezaka tokony hatao hahazahoana ny famonjena. Rehefa misy fihaonana miaraka, ka iangaviana aho hitarika vavaka dia milaza fa “izaho mpanota”; rehefa mba iangaviana aho hamaky ny Tenin’Andriamanitra ao am-piangonana dia mihifikifika fa mpanota ka tsy mendrika an’izany… Rehefa mba taonin’ny namako aho hivavaka dia mamaly hoe “mandehana ianareo fa izaho mpanota”. Dia mionona amin’ny fahotako aho fa tsy manao ezaka akory hanatona ny Tompo ka hangataka ny indrafony ka hamafa ny fahotako. Izany no fihetsiko, izany no fisainako.

Tsy ny fahotanao no mahafaly ny Tompo, sanatria dia sanatria izany. Fa ny sitrakin’ny fony dia ny fahitany anao mpanota miverina sy manokatra ny fonao hampandroso Azy ao anatinao; toy ny nataon’i Zake mpamory hetra. Tsy misy olona tsy diso ary tsy misy olona lavorary; fa izany akory tsy natao ho fialan-tsiny tsy hanakaikezana sy handraisana ny Tompo. Tsy misy olona tsy manota fa izany akory tsy antony velively tsy handehananao eo anoloan’ny Tompo ka hiandrandra famonjena sy famelana avy Aminy. Be fitiavana anao ny Tompo ka na akory na akory halehiben’ny fahotanao sy ny kilemanao dia tsy manary Anao Izy ary mitondra ny anjara famonjena ho anao rehefa miaiky eo anatrehany ianao fa mpanota ary ianao koa vonona ny handray Azy ho ao aminao.

Hamaranako ny fifampizarana androany dia hiteny fohy momba ny sakramentan’ny Fampihavanana aho. Ireo efa mikonfesy dia amporisihiko hatrany fa ianao malaina kosa dia entaniko hiroso amin’izany Sakramentan’ny famindrapo izany. Mandehàna mikonfesy. Aza mivaky loha an’izay fiainan’ny pretra any fa azy sy ny Tompo iny; fa ianao kosa vonjeo ny fanahinao raha mbola afaka mampikonfesy anao izy. “Aza variana amin’ny fisavoritahan’ny akanjon’ny fakitera fa ny taratasy entiny no omeo lanja”; aza mivaky loha an’izay fahotan’ny pretranao fa ny sakramenta omeny anao no asio sira sy ankamamio. Raha dia tena tsy mety ny sainao fa “tsy mazoto homana ianao raha tsy amin’ny vilia bakoly madio” dia mandehana mikonfesy amin’izay pretra azoazonao, raha izay no olana. Aza hadino anefa fa mitovy ny lanjan’ny sakramenta raisinao amiko sy raisinao amin’ny Papa Ray Masina.

Mirary alahady finaritra.

 

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0566