Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy

Nampiditra : admin
Daty : 04/06/2016

Alahady 05 Jiona 2016

Alahady Faha – 10 tsotra Mandavantaona (Taona D)

 


 

« Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe: Aza mitomany » (Lk. 7: 13)


 

Rehefa avy nibanjina an’i Jesoa nijaly sy maty ary nitsangan-ko velona isika tao anatin’ny Alahady maromaro dia miverina indray amin’ny fankalazana ny Alahady tsotra Mandavantaona. Ireo Tenin’Andriamanitra aroson’ny Fiangonana ho antsika androany dia mampianatra antsika fa be fitiavana Andriamanitra, be fangorahana ary manome hatrany izay fahasoavana angatahintsika aminy. Indraindray anefa dia tsy tsapantsika io halehiben’ny fitiavan’Andrimanitra io ka lasa manome tsiny azy isika ary mieritreritra fa tsy mihaino ny vavaka ataontsika izy. Ny marina anefa dia tsy miandry ny vavaka ataontsika Andriamanitra satria mahalala izay rehetra ilaintsika sy mahaso antsika izy. Porofo manambara izany ny fahaveloman’ilay zana-dravehivavy tompon-trano famantanan’i Elia izay narary mafy ka efa tsy nisy fofon’aina intsony araka ny ambaran’ny Vakiteny Voalohany izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha – 10 tsotra Mandavantaona izao.

Voalazan’io Tenin’Andriamanitra io fa : « Tamin’izany andro izany dia nandraiki-narary ny zana-dravehivavy tompon-trano famantanan’i Elia, ary mafy dia mafy ny aretina, ka efa tsy nisy fofon’aina intsony taminy. Dia hoy ity vehivavy tamin’i Elia : Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon’Andriamanitra ? Moa ny hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao taty amiko ? Ary hoy ny navaliny azy : Atolory ahy ny zanakao. Dia nalainy ny zaza teny an-trotroan-dravehivavy, ka nentiny any amin’ny efitrano ambony nitoerany. Dia niantso ny Tompo izy, nanao hoe : Ry Tompo Andriamanitro ô, dia nampidi-doza ho amin’ity mpitondratena itoerako ity va Ianao, ka hahafaty ny zanany va ? Ary niampatra intelo tamin’ny zaza izy, sady niantso ny Tompo nanao hoe : Ry Tompo Andriamanitro ô ! mifona aminao re aho, mba ampodio aminy indray ny ain’ity zaza ity ! Nohenoin’ny Tompo ny feon’i Elia, ka nody taminy indray ny ain’ilay zaza, dia tonga velona indray izy. Ary noraisin’i Elia ny zaza, nampidininy avy any ambony rihana ho ao an-trano, dia natolony an-dreniny, ary nataon’i Elia hoe : Inty fa velona ny zanakao. Ka hoy ravehivavy tamin’i Elia : Fantatro amin’izao fa olon’Andriamanitra tokoa ianao, ka marina ny tenin’ny Tompo ao am-bavanao » (1 Mpan. 17: 17 – 24).

Vakiteny I : 1 Mpan. 17: 17 – 24

Tononkira : Sal. 30: 2, 4, 5 – 6, 11, 12a, 13b

Vakiteny II : Ga. 1: 11 – 19

Evanjely : Lk. 7: 11 – 17

Hita fa tena kivy tanteraka ary tena nanary toky mihitsy ity vehivavy ity manoloana ny fahafatesan’ny zanany, nieritreritra izy fa noho ny fahotana nataony no nahatonga izany. Tsy tao an-tsainy velively fa afaka mamelona io zanany io Andriamanitra ary tsy nangataka tamin’i Elia izy mba hanangana amin’ny maty ny zanany fa fanomezan-tsiny ity olon’Andrimanitra ity aza no nataony. Mahefa ny zava-drehetra Andriamanitra ary mamonjy izay mitalaho ny famonjena avy aminy ka izany no nahatonga an’i Elia tsy nisalasala nivavaka sy nangataka izany fahasoavana izany. Tsy hoe i Elia no nanagana ity zaza ity tamin’ny maty fa Andriamanitra izay tompon’ny aina no nihaino ny vavaka nataony. Izany no nahatonga ny renin’ilay zaza hiteny hoe : « Fantatro amin’izao fa olon’Andriamanitra tokoa ianao, ka marina ny tenin’ny Tompo ao am-bavanao ». Azo ambara fa ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha dia efa niresaka mahakasika ny fananganana amin’ny maty noho ny vavaka ataon’ny olon’Andriamanitra.

Anisan’ny asam-pamonjena notanterahin’i Jesoa ihany koa io fananganana amin’ny maty io. Miresaka mazava mahakasika izany ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany satria voalaza fa : « Tamin’izany andro izany i Jesoa dia nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima, ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy. Rehefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia indro nisy fatin’ny zaza lahy anankiray nentina halevina, zanak’olona lahy tokana sady mpitondratena indray reniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy. Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe : Aza mitomany. Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona ; dia nijanona ny mpilanja, ary hoy i Jesoa : Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna. Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny ary nomen’i Jesoa an-dreniny » (Lk. 7 : 11 – 15).

Tena hita miharihary eto ny maha Andriamanitra an’i Jesoa satria tamin’ny andron’i Elia Mpaminany dia nivavaka sy nitalaho tamin’Andriamanitra izy mba hanasitrana sy hamerina indray ny ain’ilay zana-dravehivavy tompon-trano famantanany. Ny an’i Jesoa kosa dia ambaran’ity Evanjely ity mazava tsara fa nangoraka izy nony nahita an-dravehivavy ka nanao taminy hoe : « Aza mitomany ». Rehefa izany dia nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona ary niteny nanao hoe : « Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna ». Voalazan’i Jesoa ombieny ombieny fa izy sy ny Ray dia iray ihany. Noho io fiombonany amin’Andriamanitra Ray io, araka izany, dia tsy nisalasala izy nandidy ilay zatovo mba hitsangana. Ny maha Andriamanitra an’i Jesoa no ananany fahefana hanangana amin’ny maty saingy tsy nahalala izany ireo olona nanatrika io fahagagana nataony io ka nihevitra azy ho toy ny Mpaminany lehibe araka ny voalazan’ity Evanjely ity manao hoe : « raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe : Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony. Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana Azy izany » (Lk. 7 : 16 – 17).

Tahaka ny nataony tamin’ity vehivavy mpitondratena ity dia mankahery antsika ihany koa i Jesoa manoloana ireo olana maro samy hafa izay tsy maintsy atrehitsika ka miteny mandrakariva amintsika izy manao hoe : « Aza mitomany ». Enga anie io teny fankaherezana avy amin’i Jesoa io no hanenika ny fiainantsika hatrany ka na misy aza ireo zava-mampitomany dia tsy ho kivy isika fa hatoky sy hiankina aminy hatrany. Fantany rahateo ny fahoriana mianjady amintsika, tsy misy miafina aminy ny fijaliana sy tebitebin-tsaina mahazo antsika ka rehefa miankina aminy isika dia tsy misalasala izy manome izay fahasoavana rehetra ilain’ny vatana sy ny fanahintsika. Ny andrasany amintsika dia ny finoana sy ny fahatokisana azy. Noho izany, raha tiantsika ny hahazo mandrakariva ny fahasoavana avy aminy dia mamporisika antsika hatrany ny Fiangonana hazoto mivavaka sy mandray ireo Sakramenta samihafa izay zaraina amintsika, indrindra ny Eokaristia izay mahatonga antsika hiray aina tananteraka amin’i Jesoa Kristy ilay nanokana antsika sy niantso antsika tamin’ny fahasoavany araka ny ambaran’i Md Paoly amin’ny Vakiteny Faharoa androany.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1102 s.] - Aidé par Evanjelyanio.org