Ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay

Alahady 15 mey 2016

Alahady Pantekôty

« Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay »

(Jo. 14: 16)

 

Dimampolo andro lasa izay no nankalazantsika ny Alahadin’ny Paka. Ireo Tenin’Andriamanitra rehetra naroson’ny Fiangonana ho antsika nandritra izay dimampolo andro izay dia nanamafy mandrakariva fa tena nitsangan-ko velona tokoa ny Tompo ary velona mandrakizay. Efa niakatra any an-danitra izy ary tamin’io fotoan-dehiibe nankalazantsika ny Niakaran’ny Tompo any an-danitra io dia nambaran’ny Evanjely fa nanafatrafatra ny mpianany i Jesoa ary nanao tamin’izy ireo hoe : «izaho kosa haniraka aminareo ilay nampanantenain’ny Raiko ; fa mitoera ao an-tanàna hianareo mandra-pandrainareo ny hery avy any ambony ». Ny Fanahy Masina no nampanantenain’ny Ray ary izy no hery avy any ambony ka ankalazaintsika amin’ny fomba manokana amin’izao Pantekôty izao, izay ahatsiarovantsika isan-taona ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apôstôly sy tamin’i Masina Maria renin’i Jesoa Mpamonjy.

Tsara ho marihina araka ny efa voalazantsika ombieny ombieny fa raha ny Evanjely arosin’ny Fiangonana androany no jerena dia mazava fa tsy misy fitantarana mivantana mahakasika io fidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apôstôly io. Ny Tenin’Andriamintra ao amin’ny Asan’ny Apôstôly kosa dia milaza mazava tsara ny zavatra niseho tamin’izany fotoana izany satria araka ny ambaran’ny Vakiteny voalohany androany : « nony tonga ny andro Pantekôty, dia tafavory tao amin’ny trano anankiray ny Apôstôly rehetra, ary tampoka injay nisy feo avy any an-danitra toy ny rivotra nifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany : sady nisy lela maro mitarehina afo niseho taminy sy nizarazara nipetraka teo amboniny tsirairay avy, ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy » (Asa. 2 : 1 – 4).

 

Mazava araka izany fa ireo Apôstôly ireo no nahita maso sy nanambara, ary nijoro ho vavolombelona fa tena nisy tokoa io fidinan’ny Fanahy Masina tamin’izy ireo io araka ny fampanantenana nataon’i Jesoa izay ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. « Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe : Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko. Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay. Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko ; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ny Ray Izay naniraka Ahy. Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo » (Jo. 14: 15 – 16, 23b – 26).

Araka ity fampanantenana nataon’i Jesoa ity dia avy amin’ny Ray no nahazoan’ny mpianatra ny Mpanafaka alahelo dia ny Fanahy Masina satria izy no nangataka izany ho azy ireo. Ho antsika mpanara-dia azy ihany koa no nanaovan’i Jesoa ity fampanantenana ity satria tamin’ny Batemy noraisintsika sy tamin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fankaherezana dia nandray ny Fanahy Masina isika ary tonga zanaka mapandova sy mpiray lova amin’i Jesoa zokintsika araka ny voalazan’ny Vakiteny faharoa izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany manao hoe : « Koa amin’izany, ry kristianina havana, tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo. Satria raha velona ara-nofo ianareo, dia ho faty ; fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo ; satria izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andriamanitra. Ary izany tokoa, satria tsy fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe : Aba ! Ray ! Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy, raha miara-mijaly aminy isika, mba hiara-komem-boninahitra aminy koa » (Rom. 8: 12 – 17).

Azo ambara fa tena misy fiombonana tanteraka ao amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Indraindray anefa toa hadinontsika ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina koa ny fankalazana ny Pantekôty tahaka izao no fotoana anamafisana hatrany ny finoantsika ny Fanahy Masina sy anazavana bebe kokoa ny fampianaran’ny Fiangonana mahakasika izany araka ny hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika mano hoe : « ny mino ny Fanahy Masina àry dia ny miaiky fa anankiray amin’ny Olon’ ny Trinite Masina ny Fanahy Masina, iray fombam-pisia-maha-izy amin’ny Ray sy ny Zanaka, « tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka ». Izany no antony nahatonga ny resaka momba ny mistery maha- Andriamanitra ny Fanahy Masina ho ao amin’ny “teôlôjia” momba ny Trinite. » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 681). Ity Fampianarana ity no manamafy fa ny Fanahy Masina dia anankiray amin’ny Olon’ ny Trinite Masina ka mendrika ho hajaina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka.

Tena Andriamanitra tokoa ny Fanahy Masina, noho izany amin’izao Alahady ankalazana ny Pantekôty izao dia miara-mivavaka sy mitodika aminy isika mba hirotsaka ao am-pontsika tsirairay avy izy, ka hanazava sy hampianatra ary hitari-dalana antsika hatrany amin’ny famaliana ny antson’Andriamanitra izy miatefa amintsika tsirairay avy. Io Fanahy Masina io no efa noraisintsika tamin’ny Batemy izay mahatonga antsika ho tena zanak’Andriamanitra marina koa manainga antsika i Md Paoly mba tsy ho variana amin’ny zavatry ny nofo fa hanaraka mandrakariva ny fanilovan’ny Fanahy Masina, izany indrindra no nilazany hoe : « Ry kristianina havana, izay ao amin’ny nofo dia tsy mety ho sitrak’Andriamanitra. Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy; fa raha ao anatinareo i Kristy, na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. Ary raha ny Fanahin’Ilay nanangana an’i Jesoa avy any amin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Ilay nanangana an’i Kristy Jesoa koa, no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo » (Rom. 8: 8 – 11).




 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0624