Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra

Alahady Faha 3  - fiavian'ny Tompo - Taona A

Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra?” (Mt 11, 2-11)

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

 

Herinandro roa sisa dia ho tonga ny Noely na ny Krisimasy izay ankalazantsika ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Dia efa somebiseby sahady aho ity, efa miomankomana ianao ary ny rehetra dia efa samy vonombonona sy mihenikenina miomana amin’izany andro lehibe izany. Na ny kely na ny lehibe dia efa samy miomana handray izany fankalazana izany avokoa. Re any antsefatsefantrano any ny ankizy mamerina ireo hira sy tsianjery hatao ny sasakalin’ny Noely. Any ambany vohitra any, isakin’ny takariva mody masoandro iny dia miraondraona any ambany rihana any ny famerenana ny zafindraony hifaninanana ny andron’ny Noely. Isan-tokatrano dia efa voaravaka ny hazonoely mirentina jiro maro loko sy hantokantona mangirana sy manaitra, tsara jerena. Eny an-tsena sy ireo toeram-pivarotana, ny ankamaroan’ny entam-barotra dia momba ny noely. Ny tambazotran-tserasera faisiboky dia feno ny saritsika manao selifia miaraka amin’ny dadabenoely. Fa ny tena anisan’ny iomanana ihany koa amin’izao dia ny akanjo sy ny fitafiana vaovao hoentina mivavaka sy miangona amin’ny andron’ny Kirisimasy. Tsy manaiky i dada raha tsy nahazo an’ilay palitao Giorgio Armani efa ela niriany. I mama efa nahazo, iray volana lasa, ilay akanjo raoby volomparasy, miloko somary mangirana, mitovy didy amin’ny an’i Beyonce. Ranabavy mbola midongizina amin’i dada fa tsy hiangonana raha tsy mahazo ilay kiraro avo talon navoakan’ny Victoria’s Secret farany teo. I zokilahy dia mody manao mamomamo isan-kariva raha tsy mahazo ilay iPhone7Plus alohan’ny Krisimasy. I zandrivavy moa dia efa nilaza mazava fa tsy vita mora raha tsy mahazo Stan Smith sy jean Destroy… Izany no fiomanana amin’ny Noely fankalazana ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Kanefa…

Hizaha inona no nalehanareo tany an'efitra? Volotara hetsiketsehin'ny rivotra va? Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Indro any amin'ny tranon'ny mpanjaka izay tsara fitafiana. Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Moa mpaminany va?”. Izany no antso nataon’i Kristy tamin’ireo olona izay nihaino azy tany an’efitra. Fa tsy ho azy ireo ihany fa ho ahy ihany koa, ho anao, ho antsika rehetra. Fa inona moa no halehako any am-piangonana amin’ny krisimasy? Inona no hojereko any? Fihetsiketsehana sy fihevohevoana tsy misy farany ve? Moa fitafiana vaovao sy lafo vidy ve no haha Noely ny Noely? Ny ho hita sy ho derain’ny olona fa maharaka kata ve no handehanako hivavaka amin’ny andron’ny Noely? Hilatro sy hanao mannequin ve no antony andehanako any am-piangonana? Fa angaha moa andro fijerena izay beaugosse sy bellegosse ny andron’ny Noely? Moa ve sakafo be sy hanim-pitoloha tsy lany laniana no maha krisimasy ny krisimasy? Moa ve fihetsiketsehana ivelany sy fandaniana ara-bola mihoa-pampana no hampanan-danja ny andron’ny Noely? Fa angaha rehefa tsy miainga masiaka amin’ny kitro milay be sy hitsaka degany be vao Krisimasy ny andro? Fa inona no idiran’i iPhone amin’izay andro ankalazana ny nahaterahan’i Kristy? Fa angaha moa tsy Mesia manetry tena fa tsy be fihetsiketsehana sy fihevohevoana no andrasantsika rehetra? Tsy tao an-tranon’omby aza ve Izy no teraka?

Aleo aho tsy hamaly fa aleo isika rehetra no samy hanome ny valiteniny. Tsy milaza aho hoe kongoroty sy akanjo tsy voasasa no ho entina mivavaka fa na izany aza… Samia mamisavisa.

Mirary alahady finaritra.

 

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1006