Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho

Alahady tsotra faha 30 mandavantaona - Taona D

Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho” (Lk 18, 9-14)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

 

Nanao ity fanoharana ity i Jesoa ho fananarana sy fanitsiana ireo miseho milay ka matoky tena ho marina sy be tatasika manebaka ny namany. “Nisy roa lahy niakatra hivavaka tany an-tempoly: Farisiana ny iray ary poblikàna ny anankiray. Nitsangana ilay Farisiana ka nivavaka tao am-pony hoe: Andriamanitra ô, misaotra anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy poblikàna itsy akory aza; mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny am-pahafolon'ny fananako rehetra. Fa ilay poblikàna kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho. Lazaiko aminareo fa ity no nidina efa nohamarinina tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra” (Lk 18, 9-14).

Niniako nadika manontolo ilay lahatenin’i Jesoa mba hahazoatsika mandalina sy mandray ny hafatra tiany holazainy amin’ity Alahady ity sy io herinandro vaovao ho diavintsika io. Mazava dia mazava toy ny tafika andrefatanàna ny tiany ho lazaina. Toy ny hipasoka ny efa malama aho raha mbola hanampy zava-kafa amin’izay voalazany izay. Fa ny hany hataoko dia ny hanao jery todika ny fiainako eo am-pandinihana izany teniny izany. Rehefa mamaky ity andalan-dahatenin’ny Tompo ity aho dia alaim-panahy hametraka ny tenako avy hatrany ho toy ilay “poblikana” avy hatrany. Dia avy eo dia maminany sy maka sary an-tsaina an’i anona sy anona izay manao fivavaka “farisiana” ka manambony tena amin’ny fahamasinana sy manambany ny hafa amin’ny toe-piainany. Hadinoko fa hay aho “mandia tany ka solafaka ary miloloha lanitra mety lena”. Tsy tsaroako akory fa arakarakin’ny ametrahako ny tenako ho “poblikana manetry” dia efa fanandratan-tena sahady. Hadinoko fa kay tsy ny maha farisianina na ny maha poblikana ny fomba fivavahako sy ny fifandraisako amin’Andriamanitra no inona fa ny fanekeko fa mpanota aho ary mila ny vonjy avy amin’ny Tompo sy ny famelany heloka ahy. Tsy azoko an-tsaina akory fa hay aho efa manandra-tena sahady rehefa miteny rery ka mivavaka hoe “misaotra Anao aho Raiko fa manetry tena tahaka ilay farisiana tao an-tempoly fa tsy mba poblikana manandra-tena matoky ho marina sy mitatasika manebaka ny namany rehefa mivavaka”. Hay aho rehefa mametraka ny tenako ho toy ny olona manetri-tena dia efa manandra-tena sahady. Hay aho rehefa mivavaka ka mitsara ny hafa ho olona manambony tena dia manambony tena noho izy aza.

Ny hany hataoko rehefa mivavaka dia ny mametraka ny fiainako eo am-pelatanan’ny Tompo, hiaiky eo anatrehany fa mpanota aho ary mila ny famelan-keloka avy Aminy. Rehefa hoany am-piangonana aho ka hihaona amin’Ilay Andriamanitra nahary ahy dia tsy hametraka ny tenako ho farisiana manetry tena na ho poblikana manandratena; ny hany hataoko dia hiseho eo anatrehan’ny Tompo aho amin’ny mahaizy ahy manontolo ka hiaiky eo anatrehany fa tsy mendrika hijoro eo anatrehany akory. Ny fivavahako dia ny mba hamindrany fo amiko fa mpanota aho ka hodioviny ho olom-baovao indray amin’ny mahaizy ahy. Tsy manan-jò hitsara na iza na iza aho sady tsy izany rahateo no fotodiako any am-piangonana fa hivavaka sy hisaotra ny Tompo amin’ny fitiavany ahy.

Mirary alahady finaritra.

 

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0258