Andeha isika ho any Betlehema hizaha izany zavatra izany

Alahady fankalazana an'i Maria Renin'Andriamanitra

Andeha isika ho any Betlehema hizaha izany zavatra izany” (Lk 2, 16-21)

 

Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa.

 

“Ary rahefa nandao azy ireo ny anjely ka nankany an-danitra, dia niresaka ny mpiandry ondry nanao hoe: Andeha isika ho any Betlehema hizaha izany zavatra vao tonga nampahafantarin'ny Tompo antsika izany. Dia nankany haingana izy, ka nahita an'i Maria sy Josefa ary ny Zaza kely mandry amin'ny fihinanam-bilona; ary rahefa nahita izy ireo, dia nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany. Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa tamin'izay nolazain'ny mpiandry ondry taminy; fa Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany, ka nieritreritra azy tao am-pony. Ary nody ny mpiandry ondry nidera sy nankalaza an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy. Ary rahefa afaka ny havaloan'andro ka hoforana ny Zaza, dia natao hoe Jesoa no anarany, araka ilay nataon'ny anjely fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo izy” (Lk 2, 15-21)

Izany tenin’Andriamanitra izany no hifampizarantsika amin’ity alahady ity; vakiteny mifanjohy amin’ny Evanjely novakiantsika tamin’ny alahady heriny izay nankalazantsika ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Fa alohan’ny fifampizarana dia tsy hohaiko ny tsy hiarahaba antsika rehetra tratran’ny taona vaovao 2017. Arahabaina dia arahabaina isika rehetra tratran’ny taona; enga anie dia hitondra fanambinana sy tsodrano mitafotafo ho antsika rehetra ity taona vaovao ity. Mirary aho raha mirary taona zina sy feno zava-tsoa ho antsika rehetra amin’ity taona vaovao ity; hitondra ny mamy ary hivimbina ny soa anie izao taona vaovao santarintsika anio izao. Hangitsingitsy ary hanaranara anie isika manditra ity taona vaovao ity ka izay ho kasaina dia ho tanteraka ao amin’ny Tompo avokoa. Hanamafy orina ny finoanantsika anie izao fanombohana ny taona santarina amin’ny andro Alahady izao ka ho finaritra isika mamakivaky ny taona omban’ny Tànan’Izy Tompo.

Momba antsika tokoa ny Tànan’ny Tompo amin’izay ataontsika rehetra rehefa apetratsika eo am-pelatanany izay ataontsika. Ary Andriamanitra Andriananahary dia miasa, manohy ny asany, ary mandavorary izay ataony isan’andro eo amin’ny fiainako fa izaho, noho ny fitiavan-tenako sy ny tsy fijereko ny hafa dia tsy mahatakatra izany fahasoavana mitobaka amiko isan’andro izany. Tsinontsinona sy bitika aho; manaiky aho. Hay hadinoko fa ao anatin’izany fahakelezako izany indrindra ny Tompo no miasa sy mampanantena ahy harena be miavosa sy tsy manam-paharoa, dia ny lanitra. Iza moa no nanam-pò fa hoe mpiandry ondry no nilazana voalohany fa hoe teraka ny Mpamonjy? Iza no nanam-pò fa ho olona mbola masisom-biby avy any an-tsaha no hahita voalohany an’izany atao hoe Mesia Mpamonjy izany? Iza no nanam-pò fa ho tovovavy kely tsy mbola mahalala na inona na inona no ho renin’ny Mpamonjy? Iza no nanam-pò fa ho lehilahy mpandrafitra sy mpanao asa-tànana no ho ray mpiahy an’izany Mesia efa ela nandrasana izany? Tsy nisy nanam-pò izany rehetra izany. Koa aza mijery ny maha kely sy maha tsinontsinona anao ianao eo anatrehan’ny Tompo fa matokisa Azy fa Izy hanao zava-dehibe eo amin’ny fiainanao raha matoky Azy ianao. “Herim-pò fanary ary vola fitady” hoy ny ohabolan-drazantsika, fa saingy aza variana fotsiny amin’ny fitadiavana any “an-tsaha” fa mandehana ihany koa mamangy ny Tompo raha te-hahita zava-tsoa sarobidy. Aza manambany tena ka hilaza tena irery fa mpanota tsy mendrika intsony handray ny fanavotana, fa mitafia hery manantona ny Sakramentan’ny Famonjena mandrakizay dia i Kristy fahazavana sy fanilon’ny fiainana. Efa nanaiky hiara-monina aminao Izy.

Mirary taona vaovao feno fiovanana ho amin’ny fahasoavana ho anao.  

Mirary alahady finaritra

 

Mompera Nary

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099