Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany

Alahady 01 martsa 2015

Alahady Faha-2 amin’ny Karemy (Taona B)

« Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany » (Mk. 9: 2)

 

Tahaka ny isan-taona dia ny Evanjely mitantara ny niovan’i Jesoa tarehy no aroson’ny Fiangonana ho antsika isaky ny Alahady Faha-2 amin’ny Karemy. Efa nambarantsika ombieny ombieny fa amin’ity Taona B ity dia ny Evanjely nosoratan’i Md Marka no omen’ny Fiangonana hodinihitsika. Araka izany dia ambaran’ity Evanjely andraony ity fa « tamin’izany andro izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka nentiny nitokana tany an-tampon’ny tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany Izy. Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpanasa lamba, mahadio lamba toy izany ety an-tany » (Mk. 9: 2). Araka ny voalaza eto dia teo anatrehan’ny mpianany no niovan’i Jesoa tarehy. Tsy ny mpianatra rehetra anefa no nahita izany fa araka ny ambaran’ny Evanjely dia i Piera sy Jakôba ary i Joany no nentin’i Jesoa nitokana niaraka taminy tany an-tampon’ny tendrombohitra avo anankiray. Raha tsaroantsika ny Evanjely tamin’ny Alahady Faha-3 tsotra Mandavantaona (Taona B), dia izy telo lahy ireto no anisan’ny mpianatra nantsoin’i Jesoa voalohany. Nambaran’ny Evanjely tamin’io fotoana io fa : « nony nandalo teny amoron’ny ranomasin’i Galilea Izy, dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Ary hoy i Jesoa taminy: “Andeha hanaraka Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo”. Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy. Nony nandeha kelikely Izy, dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa nanamboatra ny haratony. Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy, ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambokeliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy » (Mk. 1: 16 – 20).

Azo ambara fa nananan’i Jesoa fitokisana manokana i Piera sy Jakôba ary i Joany, matetika izy ireo no tafaraka aminy rehefa misy zava-dehibe ataony. Endrika manambara sahady izany fa ireto mpianatra ireto no hanankinan’i Jesoa ny Fiangonana rehefa tonga ny fotoana hiverenany any amin’i Ray naniraka azy. Raha iverenantsika ary ny Evanjely androany dia voalaza fa niova tarehy teo anatrehan’ireo mpianatra ireo i Jesoa ka tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany, ary tsy misy mpanasa lamba, mahadio lamba toy izany ety an-tany. Azo ambara fa io fiovan’i Jesoa tarehy io, izay nahatonga azy hazava sy hanjelanjelatra, dia manambara amintsika fa izy tokoa no ilay fahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny maizina ka manazava ny fiainantsika olombelona izay rakotry ny aizin’ny fahotana. Tena mistery lehibe tokoa ity fiovan’ny Jesoa tarehy ity ary tena sarotra tokoa ny mahazo sy manazava ny halalin’izany mistery izany, saingy ho antsika izay mino sy mandray azy ho Tompo sy Mpamonjy dia mahazo tsara fa io Jesoa io no ilay Zanak’Andriamanitra marina ka ny fiovany tarehy dia manambara ilay voninahitra lehibe maha Andriamanitra azy.

Ambaran’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity fa « niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa. Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: “Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra aty; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia”. Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo. Tamin’izay dia nisy rahona nanarona Azy; ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: “Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy”. Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy » (Mk. 9: 3 – 7). Araka ny voalaza eto dia niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa. io fisehoan’i Moizy sy Elia io dia porofo mazava tsara fa tena irak’Andriamanitra Ray tokoa izy ka i Moizy sy Elia no vavolom-belon’ny tantara izay efa nanambara sy nampanantena ny taranak’olombelona ny fahatongavan’ny Mpamonjy. Io Fampanantenana io dia efa nambaran’ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Lalàna ; izay fantantsika amin’ny teny mahazatra hoe Boky Dimin’i Moizy sy ao amin’ireo Tenin’Andriamanitra voalazan’ireo Mpaminany maro nifandimby ka i Elia no misolon-tena azy ireo. Araka izany dia tsy misy isalasalana fa ny fisehoan’i Moizy sy Elia tamin’ny niovan’i Jesoa tarehy dia manambara mazava amintsika fa i Jesoa tokoa no ilay Mpamonjy irak’Andriamanitra efa voalazan’ireo Tenin’Andriamanitra samy hafa ao amin’ny Testamenta Taloha ireo.

Vakiteny I : Jen. 22: 1 – 2, 9a, 10 – 13, 15 – 18

Tononkira : Sal. 116: 10, 15, 16 - 17, 18 – 19

Vakiteny II : Rom. 8: 31b – 34

Evanjely : Mk. 9: 2 – 10

Manaraka izany dia voalazan’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity ihany koa fa tamin’izay dia nisy rahona nanarona Azy ; ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe : « Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy ». Tsy feon’olombelona izany fa feon’Andriamanitra Ray izay manamafy ny efa nambarany tamin’ny fotoana nanaovana Batemy an’i Jesoa. tamin’io fotoana ito tokoa « raha vao niala avy tao anaty rano Izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromahailala, nankeo amboniny ; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : “Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko” » (Mk. 1, 10 – 11). Ireo rehetra ireo dia tsy zavatra noforonina fa tena zava-nisy marina tokoa. Tamin’ny fotoana nanaovana Batemy an’i Jesoa dia i Joany Batista sy izay rehetra nanatrika io Batemin’i Jesoa io dia samy nadre izany feo izany daholo. Tamin’ny niovany tarehy kosa dia ny mpianatra no nandre io feo io, izay rahateo no antony nitondran’i Jesoa ireo mpianatra nofidiany voalohany ireo hiaraka aminy nandritra izany fotoana izany mba ho vavolombelona manambara amintsika ny zava-niseho marina tokoa. Izy ireo no vavolombelona nahita maso ny zava-niseho rehetra ka mampahafantatra antsika izany mba hinoantsika fa i Jesoa dia tena Andriamanitra, izy tokoa no lay zanak’Andriamanitra velona tonga teto an-tany mba hamonjy antsika.

Araka ny ambaran’ity Evanjely ity anefa : « nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia noraràny tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona. Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe : mitsangan-ko velona » (Mk. 9: 8 – 9). Tena notanterahin’ireto mpianatra ireto tiokoa io hafatr’i Jesoa tamin’izy ireo io ka tsy nilazalaza tamin’olona ny zavatra rehetra hitany izy ireo raha tsy efa nitsangan-ko velona i Jesoa. Toetra tsara sy azo alain-tahaka ny nataon’ireto mpianatra ireto ary fampianarana ho antsika ihany koa. Iaraha-mahalala fa anisan’ny olona lehibe miseho eny anivon’ny fiaraha-monina misy antsika eny ny tsy fahaizana mitana tsiambaratelo. Ny zava-misy dia arakakaraky ny ialazana fa tsiambaratelo ny zavatra iray no vao maika mampalaza azy sy ahalalan’ny olona rehetra ny zava-nisy. Io tsy fahaizana mitana tsiambaratelo io no fototry ny korontana isankarazany ary miteraka tsy fifampitokisana eo amin’ny mpiara-belona.

Ny fotoanan’ny Karemy moa dia natao indrindra mba hanampy antsika hibebaka sy hiova toetra. Koa manasa antsika i Jesoa mba hiova tarehy tahaka azy. Marina fa tsy afaka ny ho tonga manjelanjelatra tahaka ny azy ny tarehintsika saingy ny toetrantsika kosa dia azo atao tsara ny mampanjelanjelatra azy rehefa mibebaka isika. Anisan’ny fomba tsara ahafahantsika mampanjelanjelatra ny toetrantsika ny fahaizana mitana tsiambaratelo tahaka ny nataon’ny mpianatr’i Jesoa. Io fahaizana mitana tsiambaratelo io dia endriky ny fahaizana manatanteraka sy mitana ihany koa ny teny nomena. Noho izany amin’izao fankalazana ny Alahady Faha-2 amin’ny Karemy izao dia manasa antsika ny Fiangonana mba hanavao hatrany ny toky nomentsika tamin’ny Batemy ka hifikitra amin’ny finoana an’i Jesoa tena Zanak’Andriamanitra marina, izay nohamafisin’ilay feo avy tao amin’ny rahona araka ny ambaran’ny Evanjely androany. Miara-miavavaka ary isika mba hanomezan’i Jesoa hery antsika hatrany hahafahantsika manara-dia azy. Amin’izay dia hiova tarehy tahaka azy koa isika, ka hohita taratra amin’ny toetrantsika andavanandro fa tena mizy vokany tokoa ny fankalazantsika ny Karemy.
 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1582