Tompoko, mba te hahita an’i Jesoa izahay

Alahady 22 martsa 2015

Alahady Faha-5 amin’ny Karemy (Taona B)

« Tompoko, mba te hahita an’i Jesoa izahay » (Jo. 12: 21)


 

Miditra tsikelikely amin’ny famaranana ny fankalazana ny Karemy isika. Mifanaraka amin’izany indrindra ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao Alahady Faha-5 amin’ny Karemy izao. Ambaran’ny Evanjely androany fa « tamin’izany andro izany, nisy Jentily sasany, anisan’izay niakatra hivavaka tamin’ny andro fety, nanatona an’i Filipo, izay avy tany Betsaidan’i Galilea, ka nihanta taminy nanao hoe : “Tompoko, mba te hahita an’i Jesoa izahay”. Dia lasa i Filipo nilaza tamin’i Andre, ka dia i Andre sy i Filipo no niara-nilaza tamin’i Jesoa » (Jo. 12: 21 – 22). Mazava ny volazan’ny Evanjely eto, naniry hahita an’i Jesoa ihany koa ny Jentily izay tonga tao Jerosalema mba hivavaka. Tsara ampahatsiahivina ihany fa ny Jentily moa dia ireo mpino hafa tsy Jody nefa tonga manatrika sy mandray anjara amin’ny vavaka fanaon’ny Jody amin’ny andro fety. Misy amin’ny fandikan-teny sasany no tena milaza mazava fa Grika ireto Jentily naniry hahita an’i Jesoa ireto. Nandre ny zava-mahagaga maro nataon’i Jesoa izy ireo ka dia tsy nisalasala nanatona an’i Filipo ary niangavy taminy mba hihaona amin’i Jesoa.

Manoloana ity fiangavian’i Jentily maniry hahita azy ity dia niteny i Jesoa nanao hoe : « Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’Olona. Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be » (Jo. 12: 23 – 25a). Mbola averimberin’i Jesoa eto fa tsy maintsy ho faty izy saingy hitsangana ho velona indray, tahaka ny voam-bary afafy ka maty nefa rehefa mitsiry dia velona ary mahavokatra be. Raha tsy nahafoy ny ainy tokoa i Jesoa dia tsy afaka nitondra ny famonjena ho antsika ka na mafy ho azy aza ny nanaiky ny ho faty dia nekeny izany mba hahavoavonjy antsika olombelona mpanota. Efa fantany mialoha tokoa ny zavatra rehetra tsy maitsy hiseho ary dia nampiomana ny mpianany izy ka izany no nilazany hoe « Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’Olona ».

Nanome ohatra velona ho an’izay rehetra nihaino azy i Jesoa ka izany no nahatonga ny mpianatra nanara-dia azy tamin’ny toerana rehetra izay nalehany. Nambarany mazava tsara anefa fa mila fahafoizan-tena ny fanarahan-dia azy araka ny voalazany manao hoe : « Izay tia ny ainy no hahavery azy, fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy » (Jo. 12: 25b – 26). Marina tokoa ny voalazan’i Jesoa eto fa izay tia ny ainy no hahavery azy, fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao kosa no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Tsy mora izany fa mila fahavononana tanteraka. Eny fa na i Jesoa aza dia nijaly mafy sy nitebetiby tokoa teo am-piatrehana ny zavatra rehetra tsy maintsy hiaretany, izany no nilazany hoe : « Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity. Nefa izao indrindra no nahatongavako, ho amin’izao ora izao. Raiko ô, omeo voninahitra ny Anaranao » (Jo. 12: 27 – 28a). Araka ny voalazan’ity Evanjely androany ity dia tamin’izay indrindra no nisy feo avy any an-danitra nanao hoe : « Efa nomeko voninahitra Izy, ary mbola homeko voninahitra indray » (Jo. 12: 28b).

Maro ny fampianarana azontsika raisina amin’ity Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity. Voalohany indrindra dia ohatra velona ho antsika ny nataon’ireo Jentily izay nilaza tamin’ny mpianatra ny fanirian’izy ireo mba te-hahita an’i Jesoa. Izany ihany koa no faniriantsika rehetra amin’izao fiomanana amin’ny Paka izao. Tsy lavitra antsika anefa i Jesoa fa eo anivontsika mandrakariva satria miaraka amintsika isan’andro, indrindra rehefa mankalaza ny Eokaristia isika. Tena Jesoa velona tokoa no raisintsika amin’ny Komonio, koa raha maniry ny hahita azy marina tokoa isika amin’ny alalan’ny fandraisana io Sakramentan’ny Eokaristia io dia tsy maintsy miezaka hihavao lalandava, indrindra amin’izao fotoanan’ny Karemy izao. Mazava ny voalazan’ny Evanjely fa niteny tamin’i Filipo ireo Jentily ireo, nitondra an’i Andre izy ary dia niaraka niteny tamin’i Jesoa izany faniriana izany. Tahaka izany ihany koa no ataon’ny Pretra sy ny Eveka dimbin’ny Apostoly. Manatona azy ireo isika rehefa te-handray an’i Jesoa ary mangataka ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra ihany koa amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana izay fomba tsara indrindra ahafahantsika manatona an’i Jesoa ao anatin’ny fo madio.

Manaraka izany dia manasa antsika rehetra ihany koa i Jesoa mba hahafoy ny aina ary hanaraka azy satria izay itoerany hoy izy no hitoeran’ny mpanompony koa. Noho izany raha misy manompo azy, dia homen’ny Rainy voninahitra araka ny voalazany. Isika vita Batemy rehetra no antsoiny hahafoy ny aina sy hitoetra hiaraka aminy, koa amin’izao fotan-dehibe iomanana amin’ny Paka izao dia miara-mivavaka isika mba samy hovonona hanara-dia an’i Jesoa marina tokoa amin’ny alalan’ny fahafoizantsika ny aintsika. Marina fa tsy hanolo-tena hovonoina tahaka azy isika saingy amin’ny alalan’ny fanaovantsika asa fitiava-namana no ahafahantsika mampiseho izay fahafoizana ny aina izay. Eo ihany koa ny fahazotoantsika mandray ny Sakramenta samihafa omen’ny Fiangonana, indrindra ny fahazotoantsika mivavaka. Tena mila famolahan-tena tokoa ireo rehetra ireo ary mila ezaka avy amintsika tsirairay avy koa mitalaho mandrakariva ny fahasoavan’Andriamanitra isika mba hankahery antsika hahafahantsika manara-dia marina tokoa an’i Jesoa satria tena mitari-dalana antsika ho any amin’ny Ray tokoa izy araka ny ambarany amin’ity Evanjely androany ity manao hoe : « ary Izaho, rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy » (Jo. 12: 32).
 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0843