Koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra

Alahady 31 Mey 2015

Fankalazana ny Trinite Masina (Taona B)


 

« Koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina » (Mt. 28: 19)

 

Tamin’ny Alahady heriny isika dia nankalaza ny Pantekôty, izay nahatsiarovana indrindra ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly rehetra. Nambarantsika tamin’izany fa tsy afa-misaraka ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina satria tamin’io andro Pantekôty io no nahitantsika miharihary ny maha Andriamanitra tokana Olona telo ny Trinite Masina araka ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « tamin’io andro io no nambara manontolo ny Trinite Masina. Hatramin’io andro io, ny Fanjakana nolazain’i Kristy dia misokatra ho an’ireo izay mino Azy : amin’ny fanetren-tenan’ny nofo sy amin’ny finoana no efa andraisan’ izy ireo anjara sahady amin’ny fiombonana amin’ny Trinite Masina. Amin’ ny fahatongavany, ary tsy mitsahatra izany, no ampidiran’ny Fanahy Masina an’izao tontolo izao ao amin’ny “fotoana farany”, ny fotoanan’ny Fiangonana, ilay Fanjakana efa nolovàna, nefa tsy mbola tomombana » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 732). Azo ambara araka izany fa tsy afa-misaraka ihany koa ny fankalazana ny Pantekôty sy izao fankalazana ny Trinite Masina androany izao.

Raha tsiahivina ny fampianaran’ny Fiangonana mahakasika ny Trinite Masina dia izao no ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika : « Ny Trinite dia misterin’ny finoana amin’ny dikany ara-bakiteny, iray amin’ ireo “mistery miafina ao amin’Andriamanitra, izay tsy mety ho fantatra raha tsy nambara avy any ambony”. Marina fa namela mariky ny fisiana maha-Trinite Azy Andriamanitra tamin’ny tsanganasam-pahariany sy tamin’ny Fanambaràny nandritra ny Testamenta Taloha. Kanefa ny halalin’ny Fisian’ny Tenany maha-Trinite Masina Azy dia anisan’ny mistery tsy takatra amin’ny fahalalan’ny saina fotsiny izao, ary na dia tamin’ny finoan’i Israely talohan’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo sy ny fanirahana ny Fanahy Masina aza » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 237). Araka ity fampianarana ity dia mazava tsara amintsika fa fotoana ankalazana manokana ny maha iray an’Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina ny fankalazana ny Trinite Masina. Tena andro lehibe ho antsika tokoa araka izany ity ankalazaintsika androany ity satria ny fototry ny finoana maha-kristianina mihitsy no halalinintsika androany.

Ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao fankalazana ny Trinite Masina izao no manambara mazava amintsika fa tsy maintsy atao Batemy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina isika araka ny nandidian’i Jesoa ny mpianatra mialohan’ny niakarany any an-danitra. Ambaran’ity Evanjely ity fa : « tamin’izany andro izany, niaraka nankany Galilea ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy, any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany. Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy. Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe : Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ; koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ; ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao » (Mt. 28: 16 – 20). Hita miharihary amin’ity Evanjely ity ny maha zava-dehibe ny Sakramentan’ny Batemy satria tena i Kristy mihitsy eto no manafatra ny mpianatra hanao Batemy ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Midika izany fa io Batemy io no iorenan’ny fahaterahana amin’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy.

Araka ny fampianaran’ny Fiangonana dia ilaina amin’ny famonjena ny Batemy, izany no mahatonga ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika hampianatra antsika fa : « ny vokatry ny Batemy na fahasoavan’ny Batemy dia tena fisiana sarobidy tokoa izay ahazoana an’ ireto : ny famelana ny fahotana tamin’ny fototra sy ny fahotana rehetra nataon’ny isam-batan’olona ; ny fahaterahana amin’ny fiainam-baovao, izay mahatonga ny olona ho zanaka atsangan’ ny Ray, rantsambatan’i Kristy, tempolin’ny Fanahy Masina. Araka izany, ny vita batemy dia voakambana amin’ny Fiangonana, Vatan’i Kristy, ary manjary mpandray anjara amin’ny maha-mpisorona an’i Kristy » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1279). Ity fampianarana ity dia manamafy fa izao fankalazantsika ny Trinite Masina izao dia fandalinana ihany koa ny finoana izay noraisintsika tamin’ny Batemy. Tena amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina tokoa no anaovana Batemy antsika satria araka ny voalazan’ny fampianaran’ny Fiangonana eto dia mahatonga antsika ho zanaka atsangan’ ny Ray, rantsambatan’i Kristy, tempolin’ny Fanahy Masina io Sakramenta io.

Miara-mivavaka ary isika amin’izao fankalazana ny Trinite Masina izao mba hihamafy hatrany ny finoantsika an’Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy Masina izay anaovana Batemy antsika. Mazava ho azy fa manana adidy lehibe tokoa isika vita Batemy rehetra amin’ny fitondrana ireo izay tsy mbola vita Batemy mba handray io Sakramenta lehibe io satria efa fantantsika ary averimberina mandrakariva fa ny Batemy no Sakramenta fototry ny fiainana kristianina manontolo, tokonambaravaran’ny fiainana ao amin’ny Fanahy, ary varavarana izay manokatra ny fidirana amin’ireo Sakramenta hafa rehetra. Io no Sakramenta mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra ka ahafahatsika miantso hoe : « Abà! Ray! », araka ny ambaran’ny Vakiteny faharoa izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany manao hoe : « izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andriamanitra. Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-pahandevozana no noraisinareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Abà! Ray! Ary ny Tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy, raha miara-mijaly aminy isika, mba hiarakomem-boninahitra aminy koa » (Rom. 8: 14 – 17).

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011