Izaho no Mpiandry ondry tsara

Alahady 26 aprily 2015

Alahady Faha-4 amin’ny Paka (Taona B)

« Izaho no Mpiandry ondry tsara » (Jo. 10: 11, 14)

Mankalaza ny Alahady Faha-4 amin’ny Paka isika androany. Tahaka ny isan-taona, araka ny efa fantantsika, dia ity Alahady ity no ankalazana ny fetin’ny Mpiandry ondry tsara izay anasan’ny Fiangonana antsika indrindra hivavaka hoan’ireo antsoin’Andriamanitra manokana ho mpisorona ka ho mpiandry ondry misolo tena an’i Kristy dia ny Eveka sy ny Pretra miara-miasa aminy. Raha ny Tenin’Andriamanitra mitantara ny fisehoan’i Jesoa taorian’ny nitsanganany ho velona no naroson’ny Fiangonana ho antsika tao anatin’izay Alahady telo nifanesy fankalazana ny Paka izay, androany kosa dia mahakasika manokana an’i Jesoa Mpiandry ondry tsara no ambaran’ny Evanjely izay iarahantsika mandinika. Ambaran’i Jesoa mazava tsara amin’ity Evanjely androany ity tokoa fa izy no ilay Mpiandry ondry tsara nirahin’Andriamanitra Ray hamonjy antsika olombelona tamin’ny nanolorany ny tenany hampijaliana sy ary maty teo amin’ny Hazofijaliana fa nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo araka ny voalazan’ny Soratra Masina izay aroson’ny Fiangonana ho antsika mandritra izao fankalazana ny Paka izao.

Hoy indrindra i Jesoa hoe : « Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny ; fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy, satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry. Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy, tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko » (Jo. 10 : 11 – 15). Mazava dia mazava ny tian’i Jesoa hambara fa tonga olombelona izy mba hanavotra antsika. Izy no nirahin’Andriamanitra Ray, tahaka ny mpiandry ondry miahy ny ondriny ka tsy mamela ny amboadia hisambotra sy hampihahaka izany ondriny izany. Araka ny voalazany dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny izy ka tamin’ny alalan’ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan-ko velona no nanatanterahany izany. Io indrindra no nahatonga azy hilaza hoe : « Izao no itiavan’ny Ray Ahy : satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray. Tsy misy maka azy amiko, fa ny Tenako ihany no mahafoy azy ; manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray: izany no didy azoko tamin’ny Raiko » (Jo. 10 : 17 – 18).

Azo lazaina fa tsy nivadika tamin’ny didy azony tamin’ny Ray tokoa i Jesoa ka na mafy aza ny fampijaliana natao azy dia nekeny sy niaretany izany satria izay no sitraky ny Ray izay naniraka azy. Tena fitiavan-dehibe no nasehon’i Jesoa ho antsika, manome ohatra velona ho antsika ihany koa izy mba tsy hivadika amin’ny toky izay efa nekena na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Araka izany dia mampianatra antsika vita Batemy rehetra i Jesoa, amin’ny maha Mpiandry ondry tsara azy, mba tsy handao azy fa hiara-dalana aminy mandrakariva satria sady mahalala azy isika no fantany ihany koa araka ny voalazany eto manao hoe : « Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy, tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy sy ahalalako ny Ray koa ». Tamin’ny alalan’ny Batemy isika no tonga zanak’Andriamanitra, io no fotoana voalohany indrindra idirantsika amin’ny finoana sy ahalalan’ny Ray antsika ary iombonantsika aina amin’i Jesoa Zanany. Noho izany tsy maintsy mijoro mandrakariva amin’izany finoana noraisina tamin’ny Batemy izany isika mba tsy ho lasa ondry mania fa hitambatra amin’ny andian’ondrin’i Jesoa ka harovany rehefa tonga ny amboadia izay mitady hisambotra sy hampihahaka antsika. Ny amboadia voalaza eto dia mazava fa ny demony izay mitady ny fomba rehetra hampisarahana antsika amin’i Jesoa ilay Mpiandry ondry tsara sy mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny.

Nankinin’i Jesoa tamin’i Piera sy ny Apôstôly rehetra ny adidy aman’andraikitra amin’ny fiahiana ny andian’ondriny saingy « mba hitohizan’ny fanirahana nankinina tamin’ny apôstôly aorian’ny fahafatesan’izy ireo, dia nanome fahefana toy ny fara hafatra tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky izy ireo, mba hamita ny lahasan’izy ireo sy hanamafy ny tsanganasa natombok’izy ireo, tamin’ny nanafarana azy ireo hiahy ny andian’ondry izay amin’izany no nanendren’ny Fanahy Masina azy ireo hamahana ny Fiangonan’ Andriamanitra. Koa noho izany nanangana olona ho amin’ity sokajy ity izy ireo, ary taty aoriana, nanapaka fa aorian’ny fahafatesan’izy ireo, dia olona hafa voazaha toetra no handray ny andraiki-panompoan’izy ireo”. Tahaka ilay adidy aman’andraikitra nankinin’ny Tenan’ny Tompo tamin’i Piera, ilay voalohany amin’ny apôstôly, sy natokana hampitaina amin’ireo mpandimby azy, natao ho adidy aman’andraikitra maharitra, no mampaharitra toy izany koa ny adidy aman’andraikitra nankinina tamin’ny apôstôly ho mpitondra Fiangonana, adidy aman’andraikitra izay ny filaharana masin’ny Eveka no tsy maintsy miantoka ny faharetany lalandava.” Izany no antony ampianaran’ny Fiangonana fa ny Eveka, noho ny lalàna fototra naorin’Andriamanitra, no mandimby ny apôstôly ho mpitondra Fiangonana, hany ka ireo izay mihaino azy ireo, mihaino an’i Kristy, izay mandà azy ireo, mandà an’i Kristy sy Ilay izay naniraka an’i Kristy » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 861 sy 862).

Araka ny voalazan’ity fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ity dia mazava fa ny Eveka dimbin’ny Apôstôly no manohy ny asa maha mpiandry ondry. Tsy miasa irery anefa izy ireo amin’izany fa eo ihany koa ny Pretra izay manao izany asa maha mpiandry ondry izany satria « miray amin’ny Eveka ireo Pretra amin’ny fahambonian’ny mahampisorona sady miankina aminy koa amin’ny fanaovana ny anjara raharaha maha-mpiandry ondry azy ireo; voantso ho mpiara-miasa kinga saina amin’ny Eveka izy ireo; manotrona ny Evekany izy ireo amin’ny alalan’ny fivondronan’ny maha-pretra izay miantsoroka miaraka aminy ny fiandraiketana ny Fiangonana eo an-toerana. Ny Eveka no andraisan’izy ireo ny fiadidiana ny ankohonana kristianina eo amin’ny paroasy iray na ny fisahanana anjara raharaha iray voafaritra ao amin’ny Fiangonana ». (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1595).

Amin’izao fankalazantsika ny fetin’ny Mpiandry ondry tsara androany izao ary dia miara-mivavaka isika ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra rehetra amin’ny maha mpiandry ondry azy ireo. Izy ireo no manatanteraka ny iraka nankinin’i Jesoa tamin’i Piera sy ny Apôstôly, koa enga anie Andriamanitra hanome azy ireo hatrany ny finoana sy ny herim-po ary ny fahafoizan-tena amin’ny fitondrana ny andian’ondry nankinina amin’izy ireo. Marina fa mety manana ny fahalemana maha olombelona izy ireo saingy tokony hotsaroantsika mandrakariva fa tsy asan’olombelona no ataon’i Papa sy ny Eveka ary ny Pretra fa asan’i Kristy izay soloin’izy ireo tena. Noho izany dia manana adidy lehibe tokoa isika rehetra hivavaka ho azy ireo mba tena ho i Kristy Mpiandry ondry tsara tokoa no hotahafin’izy ireo amin’ny fanantanterahana ny adidy niantsoan’Andrimanitra azy ireo, dia ny fitorina ny Tenin’Andrimanitra sy ny fizarana ireo Sakramenta samihafa, indrindra ny Eokaristia izay loharano sy tampon’ny fiainana kristianina manontolo.



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225