Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao

Alahady 11 oktobra 2015

Alahady Faha – 28 tsotra Mandavan-taona (Taona B)

« Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao » (Mk. 10, 28)

 

Efa voalazantsika tamin’ny Alahady heriny fa tao anatin’ny Alahady maromaro izay dia ny fampianaran’i Jesoa mahakasika ny zazakely no nambaran’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika. Androany kosa, amin’izao Alahady Faha – 28 tsotra Mandavan-taona izao dia ny resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’ilay lehilahy anankiray mpanakarena no aroson’ny Fiangonana hodinihintsika ka ilazan’ny Evanjely fa : « tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany, ka nanontany Azy hoe : Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay ? Ary hoy i Jesoa taminy : Nahoana no ataonao hoe tsara aho ? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. Fantatrao ny didy hoe : Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, aza manambaka, manajà ny rainao aman-dreninao » (Mk. 10: 17 – 19).

Mazava ny fanazavana nomen’i Jesoa an’ity lehilahy ity fa ny fitandremana ny didy rehetra no lalana mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay. Ho antsika vita Batemy izay manara-dia an’i Jesoa ihany koa dia io fitandremana ny didin’Andriamanitra io no lalana atorony raha tiantsika ny hahazo ny fiainana mandrakizay. mba tena hahafahantsika mahazo tsara ity Tenin’Andriamanitra androany ity dia izao no fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika : « Ry Mpampianatra ô, inona no tsara tokony hataoko hahazoana ny fiainana mandrakizay ? Ny navalin’i Jesoa an’ilay tovolahy izay nametraka io fanontaniana io Taminy aloha, dia ny fanaingàna fa ilaina ny mankato an’Andriamanitra ho “hany Tsara”, ho Soa indrindra sy ho loharanon’ny soa rehetra. Avy eo, izao no nambaran’i Jesoa taminy : “Raha te hiditra any amin’ny fiainana ianao, tandremo ny didy.” Dia notanisainy tamin’ity olona nifampiresaka Taminy ny didy mikasika ny fitiava-namana : “Tsy hamono olona ianao, tsy hijangajanga ianao, tsy hangalatra ianao, tsy hijoro ho vavolombelona tsy marina ianao, hajao ny rainao sy ny reninao.” Lafiny manentana ny tokony hanatanterahana azy no amintinan’i Jesoa ireo didy ireo amin’ny farany : “Ho tia ny namanao tahaka ny tenanao ianao” (Mt 19.16-19) » (jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 2052).

Vakiteny I : Fah. 7: 7 – 11

Tononkira : Sal. 90: 12 – 13, 14 – 15, 16 – 17

Vakiteny II : Heb. 4: 12 – 13

Evanjely : Mk. 10: 17 – 30

Ity Evanjely androany ity tokoa no noraisin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika hanazavana amintsika ny maha zava-dehibe ny fitandremana ny didin’Andriamanitra izay natao hiainana sy hivelomana tanteraka amin’ny fiainantsika andavan’andro amin’ny maha Kristianina antsika. Ny fitandremana ny didy fotsiny anefa dia tsy ampy satria mety vitantsika tokoa ny hitandrina amin’ny antsipiriany ny didy rehetra saingy fihetsika ivelany fotsiny izany fa mety misy toe-po izay tsy mifanaraka amin’ny tena maha Krsitianina ka mahatonga antsika tsy ho lavorary. Izany indrindra no ambaran’ity Evanjely androany ity, raha niteny tamin’i Jesoa indray ilay lehilahy niresaka taminy nanao hoe : « Mpampianatra ô, hatry ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany. Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: “Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy”. Nampahory azy izany teny izany satria nanan-karena be izy, ka niala tamin’alahelo » (Mk. 10: 20 – 22).

Izao no fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika mahakasika ny tohin’ity resaka nifanaovan’i Jesoa sy ilay lehilahy anankiray ity : « ny valy faharoa fanampin’io valy voalohany io, dia hoe : “Raha te ho lavorary ianao, mandehana, amidio izay anananao ka omeo ny mahantra ny vidiny, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao ; rahefa izany, avia, araho Aho” (Mt 19, 21). Tsy manafoana ny valy voalohany tsy akory ny valy faharoa. Ny fanatanterahana ny didy no fanarahana an’i Jesoa-Kristy. Tsy nofoanana ny Lalàna, fa ny olona no asaina mitady azy ao amin’ny Tenan’ilay Mpampianany, izay ao Aminy no lavorary ny fahatanterahan’ ny Lalàna. Ao amin’ny Evanjely telo sinôptika, ny antson’i Jesoa miantefa amin’ilay tovolahy mpanankarena mba hanaraka Azy araka ny fanekena maha-mpianatra sy amin’ny fitandremana ny didy, dia mifandray tendro amin’ny antso ho amin’ny fahantrana sy ny fahadiovam-pitiavana. Ireo torohevitry ny Evanjely dia tsy azo sarahina amin’ny didin’Andriamanitra » (jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 2053).

Mazava ny fampianarana omen’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika eto fa tsy manafoana ny valy voalohany tsy akory ny valy faharoa. Ny fanatanterahana ny didy no fanarahana an’i Jesoa Kristy, izany hoe raha tena tiantsika ny hahazo ny fiainana mandrakizay sy ho lavorary dia ilaina ny fanatanterahana antsakany sy andavany ny didy rehetra saingy ho fanampin’izany dia tsy maintsy manao asa fitiava-namana ihany koa isika amin’ny alalan’ny fahafoizana izay ananana mba hanasoavana ny hafa fa ny tena zava-dehibe indrindra dia ny fanarahan-dia an’i Jesoa. Araka ny fampianarany amain’ity Evanjely aroson’ny Fiangoanana ho anatsika androany ity dia tena sakana lehibe tsy hahafahana miditra any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra tokoa ny fifikirana amin’ny harena satria noho ity lehilahy ity nanan-karena be dia niala tamin’alahelo rehefa nilazan’i Jesoa mba hivarotra ny fananany rehetra ka hanome ny vidin’izany ho an’ny mahantra, ary nilazany hoe « rahefa izany, avia, araho Aho ».

Voalazan’ity Evanjely ity fa : « nijerijery manodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe : “Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra !” Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany, dia hoy indray i Jesoa taminy : “Sarotra, anaka, ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra”. Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe : “Iza àry no mety ho voavonjy ?” Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe: “Amin’ny olombelona zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin’Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra” » (Mk. 10: 23 – 27). Manoloana ity fampianaran’i Jesoa ity dia tokony handini-tena lalina isika mba tsy ho variana amin’ny fitadiavan-karena fa hanara-dia azy sy hatoky azy tanteraka satria tsy ny fiankinana amin’ny harena mandalo eto an-tany no hidirantsika any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra fa ny fanarahana ny diany araka ny voalazany tamin’i Piera rehefa niteny taminy nanao hoe : « Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao » (Mk. 10: 28). Tsotra ny tenin’i Jesoa namaly an’i Piera satria hoy izy hoe : « lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely, ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity, dia trano, rahalahy, anabavy, ray, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy » (Mk. 10: 29 – 30).

Fampianarana lehibe tokoa no ambaran’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity. Aoka anefa tsy ho diso hevitra isika raha mandray ity fampianaran’i Jesoa mahakasika ny maha sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ity. Izao mantsy, tsy miteny mihitsy i Jesoa eto manao hoe « aza miasa na aza mitady harena », izany hoe tena ilaina tokoa ny mitady vola aman-karena ka tsy izay miasa sy manao izany amim-pahamarinana no lazainy fa tsy hiditra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra fa ireo « izay miankina amin’ny harena ». Noho izany dia tsy ratsy velively ny mitady vola aman-karena saingy tsy natao hiankinana sy hotompoina izany fa natao indrindra hanasoavana ny namana. Voalohany indrindra dia ny ankohonana ary eo ihany koa ny mpiara-monina, indrindra ireo mahantra sy tsy misy mpiahy. Io fifampintsimbinana io indrindra ary no tian’i Jesoa hampitaina amintsika androany ary raha dinihina dia tena natao ho antsika amin’izao fotoana izao tokoa io tenin’i Jesoa io satria izay toetra mitsinjo ny hafa izay no tokony hampiavaka antsika Kristianina manoloana ny vanin’andro ankehitriny izay anjakan’ny samy maka ho azy. Miara-mivavaka ary isika amin’ izao Alahady Faha – 28 tsotra Mandavan-taona izao mba tena hanara-dia an’i Jesoa marina tokoa amin’ny alalan’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra sy amin’ny alalan’ny fanasoavana ny namana ka tsy hiankina amin’ny haren’ny tany fa hiandrandra mandrakariva ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy.

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 
 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213