Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra

Alahady 01 febroary 2015

Alahady Faha-4 tsotra Mandavantaona (Taona B)

« Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra » (Mk. 1: 24)

 

Tao anatin’ny Alahady roa mifanesy izay dia ny niantsoan’i Jesoa ireo mpianany voalohany no nambaran’ny Evanjely naroson’ny Fiangonana ho antsika. Vao avy niantso ireo mpianatra ireo Izy dia nandeha nampianatra ny olona araka ny nanirahan’Andriamanitra Ray azy. izany no ambaran’ny Evanjely izay aroso antsika amin’izao Alahady Faha-4 tsotra Mandavantaona izao. Ambaran’ity Evanjely androany ity tokoa fa « tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany nankany Kafarnaôma, ka ny sabata voalohany ihany, dia niditra tao amin’ny Sinagôga Izy ary nampianatra ny olona » (Mk. 1: 21). Hitantsika miharihary eto fa tsy nandeha irery i Jesoa fa niaraka tamin’ny mpianatra ary teo anatrehan’ireo mpianatra ireo izy no nampianatra ny olona tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma. Midika izany fa hatramin’ny volohany dia tsy niasa irery i Jesoa tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly fa niaraka mandrakariva tamin’ny mpianatra. Efa voalazantsika tamin’ny Alahady heriny fa ny hamonjy ny olom-belona rehetra no nahatongavan’i Jesoa koa hahafahany manatanteraka izany dia niantso ireo mpianiny ireo izy mba hanampy azy. Araka izany dia teo imason’ireo mpianatra ireo no nampianarany ny olona sy nanaovany fahagagana maro. Efa manambara sahady izany fa ireo mpianatra nofidin’i Jesoa ireo no hirahiny hanohy ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly rehefa tonga ny fotoana hialany teto an-tany.

Araka ny voalazan’ity Evanjely ity dia ny sabata voalohany taorian’ny niantsoany ny mpianatra no nandehanany tany Kafarnaôma, azo lazaina izany fa ity no fotoana voalohany nampianaran’i Jesoa ny olona ka izay no nahatonga ireo rehetra nihaino azy ho gaga noho ny fahefana nananany sy ny fampianarana vaovao nentiny. Ambaran’ny Evanjely fa « gaga izy ireo tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna » (Mk. 1: 22). Tsy izany ihany fa vao maika gaga ny olona rehefa nahita azy nandroaka ny fanahy maloto hiala tamin’ny lehilahy anankiray izay tao amin’ny Sinagôga ary anisan’ireo nihaino ny fampianarana nataon’i Jesoa. « Ary tao amin’ny Sinagôgany dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy nanao hoe : “Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa avy any Nazareta ? Tonga hampahita loza anay va Ianao ? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra”. Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe: “Mangina, ary mivoaha amin’io lehilahy io”. Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy. Gaga ny olona rehetra, ka nifampilaza hoe : “Inona ity ? Fampianarana vaovao inona re ity ? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy”. Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany » (Mk. 1: 23 – 28).

Mampianatra antsika handini-tena lalina ity Evanjely ity satria mampiseho amintsika fa nisy tamin’ireo nihaino ny fampianaran’i Jesoa no azon’ny fanahy maloto. Amin’ny maha olombelona mpanota dia matetika ihany koa isika no tsy lavorary rehefa mihaino ny fampianaran’i Jesoa mandritra ny Sorona Masina. Izany no antony angatahantsika aminy mandrakariva ny famelan-keloka. Tena mamela ny fahotantsika tokoa i Jesoa rehefa manantona azy amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana isika araka ny voalazan’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « Nanorina ny sakramentan’ny Fivalozana i Kristy ho an’ny rantsambatany rehetra mpanota, rantsambatan’ny Fiangonany, indrindra moa ho an’ireo izay latsaka tao anatin’ny fahotana lehibe sy namery ny fahasoavan’ny Batemy tamin’izany ary nandratra ny fiombonam-piangonana, taorian’ny Batemy. Ho azy ireo no anoloran’ny sakramentan’ny Fivalozana ny fahafahana vaovao hibebaka sy hahazo indray ny fahasoavampanamarinana » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1446).

Tahaka ny nataon’i Jesoa nandroaka ny fanahy maloto tamin’ity lehilahy iray tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma ity no ataony amintsika ihany koa rehefa mandray ny Sakramentan’ny Fivalozana isika satria « amin’ny fankalazana ny sakramentan’ny Fivalozana, dia tanterahin’ny Pretra ny andraiki-panompoan’ilay Mpiandry ondry Tsara izay mitady ny ondry very, ny an’ilay Samaritanina Tsara fanahy izay mitsabo ny fery, ny an’ilay Ray miandry ny Zanaka mpandany sy mandray azy amin’ny fiverenany, ny an’ilay mpitsara marina izay tsy mizaha tavan’olona, ka sady marina no feno indrafo ny fitsaràny. Raha fintinina, ny Pretra no famantarana sy fitaovan’ny fitiavana be famindram-pon’Andriamanitra ny mpanota » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1465). Mazava eto ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika fa i Kristy irery ihany no nanorina ny sakramentan’ny Fivalozana fa tsy ny Eveka na ny Pretra tsy akory. Noho izany rehefa mandray ny Sakramentan’ny Fampihavanana isika dia Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina mihitsy no mamela ny fahotantsika amin’ny alalan’ny Eveka sy ny Pretra. « Satria nankinin’i Kristy tamin’ireo apôstôliny ny andraiki-panompoana amin’ny fampihavanana, noho izany, ireo Eveka dimbin’izy ireo, sy ny Pretra mpiara-miasa amin’ny Eveka no manohy ny fampiasana io andraikipanompoana io. Araka izany, ny Eveka sy ny Pretra, noho ny sakramentan’ny Filaharana, no manana ny fahefana hamela ny fahotana rehetra amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1461).

Tsy zava-baovao amintsika ireto fampianarana ambaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ireto saingy tsara ny manamafy izany amin’izao Alahady Faha-4 tsotra Mandavantaona izao mba hanampy antsika handini-tena bebe kokoa manoloana ny fitiavan’i Jesoa antsika izay madroaka ny fanahy maloto rehetra ao amintsika rehefa manatona azy amim-pinoana isika, tahaka ny nataon’ity lehilahy iray tao amin’ny Sinagôga tany Kafarnaôma ity. Voalazan’ny Evanjely fa nahalala an’i Jesoa ny fanahy maloto ka nilaza hoe : « Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa avy any Nazareta ? Tonga hampahita loza anay va Ianao ? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra » (Mk. 1: 24). Tena ilay Masin’Andriamanitra tokoa i Jesoa ka na ny fanahy maloto aza dia niaiky izany. Isika ihany koa, noho ny Fanahy Masina noraisintsika tamin’ny Batemy, dia mino sy manambara fa i Jesoa no ilay Masin’Andriamanitra tonga hamonjy antsika. Tsy tonga handroaka antsika tahaka ny nataony tamin’ny fanahy maloto izy fa tonga hiantso antsika hiray aina aminy amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika. Miara-mivavaka ary isika androany mba tena ho mafy orina ao amintsika ny finoana an’i Jesoa ilay Masin’Andriamanitra ka tsy hisalasala isika hanantona azy amin’ny alalan’ny fahazotoana mivavaka, indrindra amin’ny alalan’ny fandraisana ny Sakramentan’ny Fampihavanana izay androahany ny fanahy maloto rehetra ao amintsika.



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011