Fa nampalady ny marenina Izy sy nampiteny ny moana

Alahady 06 Septambra 2015

Alahady Faha – 23 tsotra Mandavan-taona (Taona B)


 

« Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy sy nampiteny ny moana » (Mk. 7: 37)

Ny hamonjy ny olona rehetra ho afaka amin’ny rofy sy ny aretina isan-karazany no nahatongavan’i Jesoa. Izay rehetra nanantona azy sy nitalaho taminy mba hositraniny dia nahazo izany fanasitranana izany daholo, tsy nisy na iray aza ka hoe nanatona azy no nolaviny sy niala maina ka nadeha tamin’alahelo satria tsy sitrana. Raha dinihintsika lalina tokoa ny voalazan’ny Tenin’Andriamanitra rehetra voarakitra ao amin’ny Baiboly Masina dia tsy mbola nisy fotoana na indray mandeha monja aza nandavan’i Jesoa hanasitrana izay marary nentina teo aminy. Ny mifanohitra amin’izany aza no hita satria misy amin’ireo olona nositraniny no tsy nanatona azy akory fa izy mihitsy no tonga nanatona sy nanome azy ireo fanasitrana. Iray amin’ireo fanasitranana maro nataony no ambaran’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany satria « tamin’izany andro izany, i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira, ary namaky ny faritanin’i Sidôna ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapôly. Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahiny mba hametrahany tanana. Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy, ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany. Raha efa izany dia niandrandra ny lanitra Izy, sady nisento ary nanao taminy hoe : “Efetà!”, izany hoe, “misokafa !” Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran’ny lelany, ka niteny tsara izy » (Mk. 7: 31 – 35).

Araka ny voalazan’ity Evanjely ity dia tsy ilay lehilahy marary no nangataka tamin’i Jesoa mba hositranina fa ireo olona nitondra azy. Mazava ho azy fa sady marenina no moana ity lehilahy anankiray ity ka tsy afaka niteny sy nanambara mivantana tamin’i Jesoa ny faniriany te-hositrana. Mampianatra antsika hahay hifanampy sy hifanasoa ity Evanjely ity satria amin’ny fiainan-tsika andavan’andro dia manana adidy ihany koa isika hanao soa ireo mpiara-belona amintsika. Amin’ny maha olona dia tsy maintsy miezaka mandrakariva isika hanaja sy hiaro ny zon’ireo olona rehetra manan-kilema. Tsy ampy anefa izany satria ny adidy lehibe tena miandry antsika amin’ny maha Kristianina antsika dia ny fitarihana ireo rehetra manan-kilema ara-panahy mba hanatona an’i Jesoa, indrindra handray ny Vatany sy ny Rany masina izay manasitrana sy mitondra aina vaovao ho antsika. Aoka hotsaroantsika mandrakariva fa isaky ny handray ny Eokaristia isika dia miteny hoe : « Tompo ô, tsy mendrika hidiranao ato amiko aho, fa manonòna teny iray ihany dia ho sitrana ny fanahiko ». Midika izany fa isaky ny mandray ny Eokaristia isika dia manatona an’i Jesoa ary mahazo fanasitranana ara-panahy avy aminy.

Ambaran’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity ihany koa fa « noraràny ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza ; fa araka ny nandraràny azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza ; sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe : Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy sy nampiteny ny moana » (Mk. 7: 36 – 37). Matetika i Jesoa no mandrara ny olona tsy hilaza na amin’iza na amin’iza izay fahagagana nataony saingy tsy nanaraka izany ireo olona nilazany izany fa vao mainka aza nampiely izany kokoa. Eto dia tsara ihany ny milaza fa anisan’ny kilema mpahazo antsika matetika ny tsy fahaizana mitana tsiambaratelo fa arakaraky ny andraràna ny olona iray tsy hilaza na amin’iza na amin’iza izany tsiambaratelo izany no vao maika mampiely izany bebe kokoa. Noho izany dia mampianatra antsika ity Evanjely ity mba hahay mitana tiambaratelo satria izany dia antoka lehibe isian’ny fifampitokisana eo amin’ny samy mpiara-belona. Izany no ilazan’ny Boky Eklesiastika fa « very ny fitokiana an’izay manambara ny tsiambaratelo ary tsy hahita sakaiza araka ny sitrany intsony izy. Tiavo ny sakaizanao, ary aza mivadika aminy ; fa aza midodododo any aminy intsony, raha manambara ny tsiambaratelo avy aminy hianao » (Ekl. 27, 16 – 17). Araka izany dia tena zava-dehibe tokoa ny fahaizana mitana tsiambaratelo koa amporisihana mandrakariva isika mba hanao izany fa tsy ho tahaka ireo olona noraràn’i Jesoa mba tsy hilazalaza na amin’iza na amin’iza ny fahagagana nataony saingy araka ny nandraràny azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza.

Vakiteny I : Iz. 35: 4 – 7a

Tononkira : Sal. 146: 7, 8 – 9a, 9bc – 10

Vakiteny II : Jak. 2: 1 – 5

Evanjely : Mk. 7: 31 – 37

Na izany aza anefa dia tokony hodinihintsika lalina ihany ny voalazan’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity satria tsy noho ny fitiavan’ireo olona ireo hanohitra ny fiangavian’i Jesoa azy ireo tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ny fahagagana nataony no nahatonga azy ireo tsy hitana io tsiambaratelo io fa noho izy ireo talanjona loatra ka nanao hoe : « Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy sy nampiteny ny moana ». Raha izany no izy dia mamporisika antsika ity Evanjely ity mba hahay handanjalanja amin’izay tokony ho tenenina sy ny tsy tokony hambara. Izany hoe manana adidy ihany koa isika hanambara ny Vaovao Mahafaly amin’ny olona rehetra. Noho izany dia io fitoriana ny Vaovao Mahafaly io no tokony hameno ny fiainantsika ka tsy maintsy ijoroantsika ho vavolombelona noho ny asa soa nataon’i Jesoa. Mbola maro no marenina tsy mandre ny Teniny ary mbola maro ihany koa ny moana tsy afaka mitory ny Vaovao Mahafaly nentiny, koa tsy maintsy mijoro mandrakariva isika hitory izany Teniny izany indrindra amin’ireo izay mbola tsy mahalala ny famonjena nentin’i Jesoa Mpamonjy.

Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha – 23 tsotra Mandavan-taona izao mba tena hahay handanjalanja tokoa ny teny avoakantsika. Noho izany amin’izay rehetra ambarantsika dia tsy maintsy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly no tokony ho loha laharana fa tsy sanatria ny fifosana na firesahana ny kileman’ny hafa izay ipoiran’ny filazana ny tsiambaratelo izay ankinina amintsika noho ny fitokisana apetraka amintsika. Mitalaho ny fanilovan’ny Fanahy Masina isika mba hitari-dalana antsika ka hahafahantsika mijoro ho vavolombelon’i Kristy hatrany amin’ny fiainantsika andavan’andro. Tahaka ny nataon’ny olona tamin’ity lehilahy anankiray sady marenina no moana izay nentin’izy ireo teo amin’i Jesoa sy nangatahiny mba hametrahany tanana ity no tsy maintsy ataontsika ihany koa amin’ny fitarihana ny namana handray ny fahasoavana avy aminy. Amin’ny maha Kristianina antsika dia tsy maintsy miezaka hatrany isika hifampitarika amin’ny tsara koa enga anie i Jesoa nampalady ny marenina sy nampiteny ny moana hanasitrana ireo kilema rehetra mpahazo antsika mba hahafahantsika manahaka azy ka hahatonga ny olona hilaza fa tsara avokoa ny zavatra rehetra ataontsika satria manara-dia an’i Jesoa isika.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1161