Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’Andriamanitra taminy

Alahady 20 desambra 2015

Alahady Fahaefatra amin’ny Fiaviana (Taona D)


 

« Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’Andriamanitra taminy! »

(Lk. 1: 45)

 

Mankalaza ny Alahady Fahaefatra amin’ny Fiaviana isika androany. Ity no Alahady farany mialohan’ny fankalazana ny Noely ka manoloana izany indrindra dia manasa antsika ny Fiangonana mba tena ho vonona marina tokoa amin’ny fankalazana izao fety lehibe izao amin’ny alalan’ny fiomanam-panahy ka hazoto mivavaka sy mandray ireo Sakramenta izay mamelombelona hatrany ny Fanahintsika. Ireo Tenin’Andriamanitra izay vakina amintsika androany dia efa manomana antsika sahady hankalaza ny Noely satria ambaran’ny Vakiteny voalohany fa : « Izao no lazain’ny Tompo : Ary ianao, ry Betilehema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho Ahy Ilay tsy maintsy hanjaka amin’i Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola, hatramin’ny andro mandrakizay. Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny Izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy miteraka; ary ny sisa amin’ny rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely » (Mik. 5: 1 – 2).

Ity faminaniana ambaran’ny Bokin’i Mikea Mpaminany ity no mampahafantatra antsika fa efa hatry ny ela no nomaninan’Andriamanitra ny fandefasana ny Zanany Lahitokana mba hamonjy antsika. Efa voafaritra mialoha ny toerana hahaterahany fa ao Betilehema ary tsy maintsy hateraka tahaka ny olona rehetra izy fa tsy hoe ho tonga amin’ny fomba mahagaga fotsiny izao. Tena natera-behivavy tahaka ny olona rehetra izy ary voalaza mazava tsara fa i Maria no nomen’Andriamanitra ny fahasoavana manokana hitondra azy ao am-bohoka. Izany indrindra no ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany izay milaza fa : « tamin’izany andro izany, niainga i Maria, ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta. Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe : Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao ; ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho ? Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko » (Lk. 1: 39 – 44).

Vakiteny I : Mik. 5: 1 – 4

Tononkira : Sal. 80: 2 – 3, 15 – 16, 18 – 19

Vakiteny II : Heb. 10: 5 – 10

Evanjely : Lk. 1: 39 – 45

Ity fihaonan’i Maria sy Elisabeta ity no porofo manambara mazava tsara amintsika fa tena olombelona natera-behivavy tokoa i Jesoa Mpamonjy, tahaka ny olona rehetra dia velona sy niaina tao an-kibon’i Maria izy ary nahatsapa sy nanambara izany i Elisabeta izay notondra an’i Joany Batista tao an-kibony ihany koa. Tsy misy isalasalana noho izany ny antony iomanantsika amin’ny fanakalazana ny Noely satria tena nisy tokoa io fahatongavan’i Jesoa ho nofo io araka ny voalazan’ny Soratra Masina izay omena antsika androany. Noho izany na tsy nahita maso izay zava-niseho tamin’izany fotoana izany aza isika dia mino fa tena nisy tokoa io fotoana nitondran’i Maria an’i Jesoa tao an-kibony io ary tena nateraka tokoa izy ka velona sy niaina tahaka antsika olombelona rehetra. Io finoana ny famonjena nentin’i Jesoa Zanak’Andriamanitra, naterak’i Maria io no averimberintsika rehefa manao ny vavaka Fiekem-pinoana isika manao hoe : « Izaho mino an’i Jesoa Kristy Tompo tokana, Zanaka lahitokan’Andriamanitra, teraky ny Ray talohan’ny taona rehetra : Andriamanitra avy amin’Andriamanitra, Fahazavana avy amin’ny Fahazavana, Andriamanitra marina avy amin’Andriamanitra marina ; nateraka Izy fa tsy natao, iray fomba amin’ny Ray, ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra. Isika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra. Ary naka nofo tamin’i Maria Virjiny Izy, noho ny herin’ny Fanahy Masina, ka tonga olombelona ».

Arakany ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ihany koa dia niteny tamin’i Maria i Elizabeta nanao hoe : « Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’Andriamanitra taminy ! » (Lk. 1: 45). Azo lazaina fa tena vehivavy nanam-pinoana marina tokoa i Masina Maria satria raha tsy tao aminy izay finoana izay dia tsy ho nanaiky ny hitondra ny Zanan’Andriamanitra tao an-kibony izy. Tena fankan-tahaka ho antsika izy araka ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « I Maria Virjiny no nanatanteraka tamin’ny fomba lavorary indrindra ny fanekem-pinoana. Tamim-pinoana no nandraisany ny filazana sy ny fampanantenana nolazain’ny anjely Gabriely, sy nitokiany fa “tsy misy ny tsy hain’Andriamanitra atao” (Lk 1, 37), ka nanomezany ny fankatoavana hoe : “Inty aho mpanompovavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao” (Lk 1, 38). Niarahaba azy i Elizabeta hoe : “Sambatra ilay nino, fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy” (Lk 1, 45). Noho io finoana io no mahatonga ny taranaka rehetra hanambara azy hoe sambatra. Nandritra ny androm-piainany manontolo, ka hatramin’ny fisedrana azy farany, fony maty teo amin’ny Hazofijaliana i Jesoa Zanany, tsy nivembena ny finoany. Tsy nitsahatra nino ny “fahatanterahan’ny” Tenin’Andriamanitra taminy i Maria. Koa izany indrindra no anajan’ny Fiangonana ao amin’i Maria ny fanatanterahana mangarangarana indrindra ny finoana » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 148 – 149).

Tahaka an’i Masina Maria dia sambatra ihany koa isika rehefa mino fa ho tanteraka izay ampilazain’Andriamanitra amintsika. Tena miantso sy maniraka antsika amin’ny fomba maro samy hafa tokoa izy ka isaky ny mamaly izany antso izany amim-pitiavana isika dia antsoina ihany koa hoe sambatra. Ny fitondrana an’i Jesoa tao an-kibony no niantsoan’Andriamanitra an’i Masina Maria ary sambatra izy tamin’ny fanatanterahany izany antso izany. Isika koa dia antsoiny ho zanany tamin’ny Batemy noraisintsika ka misy ireo nirahiny ho vavolombelon’ny finoana eo amin’ny fiarahamonina ka miaina ny maha Kristianina amin’ny fandraisana ny Sakramentan’ny Mariazy ary mamorona fianankaviana masina ho an’Andriamanitra. Misy koa ireo mamaly ny antsony amin’ny fandraisana ny Sakramentan’ny Filaharana sy amin’ny alalan’ny fanokanan-tena. Amin’izao fotoan-dehibe iomanantsika amin’ny Noely izao ary dia miara-mivavaka isika mba ho afaka manatanteraka marina tokoa ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny famaliana ny antsoa izay miatefa amitsika tsirairay avy araka ny ambaran’ny Vakiteny faharoa androany manao hoe : « ry kristianina havana, rehefa tonga tamin’izao tontolo izao i Kristy dia nanao hoe : Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho Ahy Ianao ; tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota, ka hoy Aho hoe : Inty Aho tonga - fa Izaho no voalaza ao amin’ny horonam-boky - hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô ! » (Heb. 10: 5 – 7).


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109