Ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho Azy izy

Alahady 03 janoary 2016

Fankalazana ny Epifania (Taona D)

« Ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho Azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira »

(Mt. 2: 2)

 

Misaotra sy midera an’Andriamanitra isika noho ny fitantanany ka nahatratrarantsika ny Taona vaovao 2016. Ity moa no Alahady voalohany amin’izao taona vaovao izao ka rariny raha ny firarian-tsoa sy ny fiarahabana no ifanolorantsika eto mialohan’ny hanohizana ny fifampizarana ny Tenin’Andriamanitra izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany. Noho izany, araka ny efa nambarako tamin’ireo izay nahazo ny firarian-tsoa avy amiko manokana dia amin-kafaliana lehibe tokoa no itondrako ny fiarahabana ho antsika rehetra nahatratra ny Taona vaovao 2016 izay anasana antsika manokana mba handinika sy hadray bebe kokoa ny Famindram-pon’Andriamanitra. Izao Taonan’ny Famindram-po izao tokoa no tsy maintsy hiezahantsika hanana toetra be famindram-po tahaka ny Ray Mpamindra fo, koa enga anie tena ho taom-pahombiazana ho antsika rehetra tokoa ity taona vaovao ity ary ny tsodranon’Andriamanitra be famindram-po no hanenika ny fiainantsika eo ampanatanterahana ny adidy sy andraikitra apetraka amintsika tsirairay avy.

Tena mbola ao anatin’ny fankalazana tanteraka ny Mistery nahatongavan’ny Zanak’Andrimanaitra ho nofo isika ka rehefa avy nankalaza ny fetin’ny Fianakaviana Masina tamin’ny Alahady heriny dia mankalaza ny Epifania kosa androany. Tahaka ny isan-taona dia ny Alahady anelanelan’ny 2 janoary sy ny 8 janoary no ankalazana ity fety ity. Tsara ho marihina hatrany anefa, araka ny efa nifampizarantsika teto fa amin’ny firenena sasany dia isaky ny 06 janoary no ankalazana izany na tsy Alahady ka manao azy io ho andro tsy iasana mihitsy fa tahaka ny Alahady izay natokana hivavahana sy hiderana an’ilay Zanak’Andriamanitra tonga nofo ka niseho miharihary fa Izy no Mesia, Tompo sy Mpamonjy an’izao tontolo izao. Ny teny hoe « Epifania » rahateo dia midika ho fisehoan’Andriamanitra miharihary amintsika olombelona ka nahatonga ireo Majy avy tany Atsinanana hitsaoka sy hanome voninahitra azy araka ny ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao fankalazana manetriketrika izao. « Rehefa teraka tao Betilehema any Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreo nisy Majy avy tany Atsinanana tonga tany Jerosalema nanao hoe : Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka ? Fa efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka Azy » (Mt. 2: 1 – 2).

Araka ny voalazan’ity Evanjely androany ity dia tsy nahalala akory mahakasika ny fisian’io Mpanjakan’ny Jody vao teraka io ny mpitondra sy ny vahoaka tao Jerosalema satria « raha nahare izany i Herôda mpanjaka, dia taitra izy mbamin’i Jerosalema rehetra, ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra, sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe : Aiza no hahaterahan’i Kristy ? Ary hoy ireo taminy : Ao Betilehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany : Ary ianao, ry Betilehema tanin’i Jodà, tsy ianao no kely indrindra amin’ny renivohitr’i Jodà, fa avy ao aminao no hivoahan’ilay Mpanjaka izay hifehy an’i Israely oloko. Dia nalain’i Herôda mangingina ny Majy, ka nohadihadîny fatratra ny andro nisehoan’ny kintana taminy. Ary naniraka azy ho any Betilehema izy nanao hoe : Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza ; ary rehefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy » (Mt. 2: 3 – 8).

Raha dinihina lalina ny ambaran’ity Evanjely ity dia hita fa tena tsy nahalala ny fahaterahan’ny Mpamonjy ny mpitondra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema. Midika izany fa hamonjy ny olombelona rehetra no nahatongavany satria raha ny hamonjy ny vahoaka Jody irery no nidinany tety ambonin’ny tany dia azo antoka fa ireo rehetra nonina tao Jerosalema no tsy maintsy ho nandray sy nikarakara azy voalohany indrindra. Ny mifanohitra amin’izay aza no hita satria tsy nisy na dia olona iray aza nampian-trano ny Fianakaviana Masina ka nahatonga an’i Maria niteraka an’i Jesoa tao an-tranon’omby. Tsy ny Jody ihany koa no notarihin’ny kintana hanatona azy fa ny Majy avy any Antsinana izay tena faly tokoa nahita ny Mpamonjy vao teraka araka ny voalazan’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany manao hoe : « rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa. Ary indro ilay kintana hitany tany Atsinanana, fa nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zaza. Faly dia faly izy nony nahita ny kintana, ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy i Maria Reniny, ka niankohoka nitsaoka Azy ; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho Azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira. Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Herôda, dia lalan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany » (Mt. 2: 9 – 12).

Azo lazaina fa solontenan’ny firenen-drehetra ireto Majy ireto ary fambara sahady fa tsy natokana ho an’ny Jody irery ny famonjena nentin’i Jesoa fa ho an’izay rehetra mino azy ho Tompo sy Mpamonjy. Izany indrindra no ambaran’ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « Tao amin’ireo “Majy” ireo, izay solontenan’ny fivavahan’ny jentily teo amin’ny tany manodidina, no ahitan’ny Evanjely ny santatry ny firenena maro izay mandray ny Vaovao Mahafalin’ny famonjena tamin’ny alalan’ny Fahatongavana ho nofo. Ny fahatongavan’ireo Majy tao Jerosalema, mba hitsaoka ny mpanjakan’ny Jody, dia mampiseho fa notadiavin’izy ireo tao amin’i Israely, tamin’ny fahazavan’ny Mesia nasehon’ny kintan’i Davida, Ilay izay ho mpanjakan’ny firenena rehetra. Ny fahatongavan’izy ireo no midika fa ny mpanompo sampy dia tsy afaka hahita an’i Jesoa sy hitsaoka Azy ho Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao raha tsy mitodika any amin’ny Jody, sy mandray avy amin’izy ireo ny fampanantenana Mesia ho azy ireo, araka ny voarakitra ao amin’ny Testamenta Taloha » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 528).

Miara-mivavaka isika amin’izao fankalazana ny Epifania izao mba tena hihamafy hatrany ny finoantsika an’i Jesoa izay tonga hamonjy ny firenen-drehetra. Na tsy Jody aza isika dia mandray anjara amin’izany fanavotana nentiny izany satria mino fa izy tokoa no ilay Zanak’Andriamanitra tonga olombelona ary niara-nonina tamintsika. Tahaka ireo Majy avy tany Antsinana dia mitsaoka an’i Jesoa ihany koa isika ary manolotra fanatitra ho Azy. Tsy volamena sy emboka manitra na mira no atolontsika azy fa ny fo sy ny fiainantsika manontolo. Ny tena andrasan’i Jesoa hatolontsika azy indrindra dia ny fontsika feno finoana sy fanantenana ary fitiavana, koa mangataka ny fahasoavana avy aminy isika mba hiorina mafy amin’ny finoana ka tsy ho very fanantenana manoloana ny hasarotry ny fiainana ary hiaina ao anatin’ny fitiavana marina ka hanalavitra ny fialonana sy ny fitiavan-tena ary ny ady sy ny fifandirana isan-karazany, amin’izay dia ny Fanahy Masina no ho tahaka ny kintana mitari-dalana antsika hahafahantsika mamakivaky ity taona vaovao ity izay natokana indrindra ho taonan’ny famindram-pon’Andriamanitra.

 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094