Tsy tonga handrava aho, fa hanatanteraka

Alahady 16 febroary 2014
Alahady Faha-6 tsotra Mandavantaona (Taona A)

Tafiditra tanteraka ato anatin’ny fankalazana ny Alahady tsotra Mandavantaona isika izao ka andinihantsika ny fampianarana nataon’i Jesoa teo an-tendrombohitra. Raha tsiahivina dia ny Evanjely nosoratan’i Md Matio no aroson’ny Fiangonana hodinihintsika mandritra izao Taona A izao ka rehefa avy natao batemy i Jesoa araka ny voalazan’ity Evanjely ity ao amin’ny toko faha-3, dia nifady hanina sy ny nalain’ny demony fanahy ary nanomboka nitory teny sy niantso ny Apostoly araka ny hita ao amin’ny toko faha – 4. Rehefa izany dia vahoaka maro be no nanara-dia azy ka niakatra teo an-tendrombohitra izy ary nampianatra azy ireo. Io fampianarana nataon’i Jesoa teo an-tendrombohitra io no hita amin’ny fiandohan’ny toko faha – 5, izay milaza mazava tsara fa « nony nahita ny vahoaka Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rahefa tafapetraka izy, dia nanatona azy ny mpianany, ka niloa-bava izy nampianatra azy » (Mt. 5: 1 – 2). Ny nambohany izany dia mahakasika indrindra ny fampianarany momban’ny fahasambarana izay antsointsika mahazatra hoe: « Ny fahasambarana valo » (Mt. 5: 3 – 8).

Ny nanohizan’i Jesoa izany fampianarany teo an-tendrombohitra izany dia ny filazany fa « hianareo no fanasin’ny tany... hianareo no fahazavan’izao tontolo izao » (Mt. 5: 13 – 16). Hitantsika avy hatrany fa izay fanasan’i Jesoa antsika ho fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao izay, no niarahantsika nandinika tamin’ny Alahady heriny. Mitohy amin’izao Alahady Faha-6 tsotra Mandavantaona izao, io fampianaran’i Jesoa teo an-tendrombohitra io ka nilazany mazava tsara fa tsy tonga handrava ny Lalàna na ny Mpaminany izy fa tonga hanatanteraka izany. « Aza ataonareo fa tonga aho handrava ny Lalàna na ny Mpaminany; tsy tonga handrava aho, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia i iray na tendrin-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra » (Mt. 5: 17 – 18). Tsy fanatanterahana ara-bakiteny, tahaka ny fanaon’ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana anefa no nataony, fa fampianarana vaovao kosa mba handavorary ny Lalàna teo aloha. Izany indrindra no antony nitenenany tamin’ireo nihaino azy nanao hoe : « Fa lazaiko aminareo, fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory hianareo » (Mt. 5: 20).

Raha dinihina akaiky tokoa ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity dia in-telo miantoana i Jesoa no nilaza hoe : « efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe » sy ny hoe : « Fa izaho kosa milaza aminareo fa ». Midika izany fa tsy namorona lalàna vaovao izy satria ny ntaolo tiany hambara eto dia izay efa voasoratra ao amin’ny Testamenta Taloha ihany ka araka ny nambarany dia hoy izy hoe : « Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana. Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrina; ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo. Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny otely hianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo amin’ny otely aloha ny fanatitrao, ka mandehàna mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray » (Mt. 5: 21 – 22). Ity fampianaran’i Jesoa ity no fanavaozana netiny voalohany mahakasika ny fanatanterahana ny lalàna. Ho azy dia tsy azo sarahina amin’ny didy hoe : « Aza mamono olona », ny fihavanana sy ny fahaizana mamela heloka. Izany hoe, tsy ny famonoana olona ho faty ihany no maha meloka, fa izay rehetra mitezitra sy miteny ratsy ny namana ary mitana heloka ao am-po dia tahaka ny mpamono olona ihany koa, ka tsimaintsy mibebaka mba tsy hohelohina amin’ny fitsarana ka ho very mandrakizay satria hoy indrindra i Jesoa hoe : « Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao, dieny samy mbola eo an-dàlana hianareo, fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara hianao, ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra, ka hatao an-tranomaizina hianao. Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany » (Mt. 5: 25 – 26).

Manaraka izany dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka hoe : « Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Aza mijangajanga. Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady. Koa raha ny masonao an-kavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo. Ary raha ny tànanao an-kavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo (Mt. 5: 27 – 30). Mazava dia mazava io fampianaran’i Jesoa io ary azo ambara fa ny hananantsika fitondran-tena mendrika eo anivon’ny fiarahamonina no tena tiany hasongadina ka anasany antsika mba tsy hisalasala hanapaka ny fifandraisana amin’izay mety mitondra antsika amin’ny fahaverezana. Ho azy dia tsy ny fanantanterahana ny filan-dratsin’ny nofo ihany no atao hoe mijangajangana fa tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fijery sy ny faniriana eny fa hatramin’ny resaka tsy maontina ihany koa aza, izay mety mitarika tsy fahadiovam-po.

Hamafisiny amin’ity fampianarany ity ihany koa ny hasin’ny fanambadiana ka nahatonga azy hiteny manao hoe : « Ary koa efa voalaza hoe: Na iza na iza hisaotra ny vadiny, dia aoka hanome azy ny taratasy fisaorana. Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy; ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga » (Mt. 5: 31 – 32). Ambaran’i Jesoa eto fa tsy azo atao ny misao-bady. Ny lalàna taloha mantsy dia nanome alalana izay misao-bady hanome taratsy fisaorana, ny an’i Jesoa kosa dia ambarany mazava tsara fa fijangajangana tsotra izao izany ka tsy azo ato, raha tsy hoe fanambadiana noho ny fijangajangana angaha. Maro no diso hevitra amin’ity fampianaran’i Jesoa ity ka milaza fa azo atao izany ny misara-panambadiana raha toa ka manitsakitsa-bady ny iray satria fijanganjangana izany. Tsy izany no tiany hambara eto fa ny atao hoe fanambadiana noho ny fijanganjangana dia ireo izay miara-monina tahaka ny mpivady nefa tsy vita fomba na tsy vita soratra amin’ny fanjakana, indrindra tsy nandray ny Sakramentan’ny Mariazy araka ny fampianaran’ny Fiangonana Katolika. Io no antsoin’ny teny Frantsay hoe « union illégitime ». Tsara ho marihina fa ny « union illégitime » sy ny « adultère » ho an’ny teny Malagasy dia samy adika ho fijangajangana daholo ka izay no tsimaintsy anavahana azy mba tsy hanao fandikana be fahantany isika manoloana izay mety ho olona misy amin’ny fanambadiana. Ny tena tian’i Jesoa hambara dia ny fifanajana sy ny fifankatiavana marina tsimaintsy ananan’ny mpivady ka nilazany ihany koa fa « aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona » (Mt. 19: 6).

Ny namaranan’i Jesoa ny fampianarana nomeny ka ambaran’ity Evanjely androany ity moa dia ny fanentanany ny olona tsy hanao fianianana tsy tò fa ho marina mandrankariva amin’izay ambara ka tsy hivadibadika amin’ny teny nomena. Hoy indrindra i Jesoa hoe : « Ary efa renareo koa fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Aza mianiana tsy tò, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao. Fa izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy; na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy; na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny Mpanjaka lehibe izy; na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza hianao. Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay ratsy » (Mt. 5: 33 – 37). Azo ambara fa tena fampianarana lehibe no omen’i Jesoa antsika amin’izao Alahady Faha-6 tsotra Mandavantaona izao. Manasa antsika izy mba hanaraka ny teniny ka hanatanteraka ny lalàna araka ny tokony ho izy ka tsy hivadibadika amin’ny teny omena fa rehefa eny, dia eny; tsia, dia tsia. Io fivadibadihana io matetika no mitarika tsy fifampitokisana, koa miara-mivavaka ary isika androany mba hanara-dia marina tokoa an’i Jesoa izay nifidy antsika ho anisan’ny zanak’Andriamanitra tamin’ny Batemy ka tsy hivadika aminy na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Angatahantsika ihany koa ny fahasoavany mba hitari-dalana antsika hahay hihavana sy hifankatia ary hifanaja marina tokoa araka ny fampinarana omeny antsika tamin’ny alaln’ity Evanjely androany ity.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727