Tsy havelako ho kamboty hianareo, fa hankaty aminareo aho

Alahady 25 mey 2014

Alahady Fahaenina amin’ny Paka (Taona A)

Mankalaza ny Alahady Fahaenina amin’ny Paka isika androany, midika izany fa rehefa avy nandinika ny Misterin’ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty tao anatin’ny Alahady maromaro isika, dia tonga amin’ny famaram-paranana sahady ny fankalazana ny Paka satria afaka andro vitsivitsy dia hankalaza ny fetin’ny Niakaran’i Jesoa Kristy any an-danitra ka ho fanomana ny fontsika hankalaza izany fety lehibe izany no anomezan’ny Fiangonana anio ny Evanjely izay mitantara ny hafatrafatra napetraky Jesoa tamin’ny mpianatra mialohan’ny nialany teto an-tany. Raha dinihina lalina ity Evanjely androany ity dia hita fa tena mifampitohy tanteraka amin’ny efa naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny, izay niresaka indrindra ny fankaherezan’i Jesoa ny mpianatra mba tsy hitebiteby satria Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana ka tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalany. Raha tsiahivina ny voalazan’io Evanjely tamin’ny Alahady heriny io dia hoy i Jesoa hoe: « Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra hianareo, ka minoa ahy koa. Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko ; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo aho ; fa handeha aho hanamboatra fitoerana ho anareo, ary rahefa lasa aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa. » (Jo. 14: 1 – 4).

Araka ny fampanantenana nataon’i Jesoa dia handeha ho any amin’ny Ray izay naniraka azy Izy, nefa mbola ho avy indray ka izany no nilazany tamin’ny mpianatra araka ny ambaran’ny Evanjely androany manao hoe : « Tsy havelako ho kamboty hianareo, fa hankaty aminareo aho. Raha afaka kelikely, dia tsy hahita ahy intsony izao tontolo izao ; fa hianareo no hahita ahy, satria velona aho, ary ho velona koa hianareo. Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa izaho ao amin’ny Raiko, hianareo ato amiko, ary ho velona koa hianareo » (Jo. 14: 18 – 20). Notanterahin’i Jesoa tokoa io fampanantenana nataony io ka tsy nitsahatra niseho tamin’ny mpianatra Izy taorian’ny nitsanganany ho velona. Tena marina ny voalazany satria tsy nahita azy tokoa ny olona rehetra fa ireo mpianatra ireo sy ny vehivavy masina niara-nivory tamin’izy ireo no nisehoan’i Jesoa sy nahita azy tafatsangan-ko velona. Izy ireo no vavolombelona nahita maso fa tena velona mandrakizay tokoa ny Tompo ary dia nitory hatraiza hatraiza izany fitsanganan-ko velona izany, saingy maro tamin’ireo nihaino izany fijoroana ho vavolombelona izany no tsy nino ary tsy nanaiky izay voalazan’ny mpianatra ka nanenjika azy ireo mihitsy aza.

Tsy nahasakana ny fitorian’ny mpianatra ny Vaovao Mahafaly anefa izany fanenjehana nahazo azy ireo izany satria natoky mandrakariva izy ireo fa tsy miasa irery. Araka ny fampanantenana nataon’i Jesoa mantsy dia ho eo amin’izy ireo mandrakariva izy ary hangataka amin’ny Ray ihany koa ny Fanahy Mpanafaka alahelo mba hitoetra ao amin’izy ireo mandrakizay. « Ary izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa hianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany ka tsy fantany, fa hianareo no hahafantatra azy, satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo izy » (Jo. 14: 16 – 17). Io Fanahin’ny fahamarinana, Mpanafaka alahelo io tokoa no nitoetra mandrakizay tamin’ny mpianatra ka nanahatonga azy ireo nanana hery ka nitory ny Vaovao Mahafalin’i Jesoa Kristy manerana ny tany sy ny fotoana rehetra. Mazava ho azy fa io Fanahin’ny fahamarinana nitoetra mandrakizay tamin’ny mpianatra io no mahatonga ny Fiangonana ankehitriny mbola hijory sy ho mafy orina hatrany na dia teo aza ireo fanenjehana sy zavatra nanahirana maro natrehiny.

Na eo aza anaefa izay fandefasan’ny Ray ny Fanahin’ny fahamarinana izay raha tsy nandray izany tamim-pitiavana ny mpinatra dia zava-poana ihany izany. Noho ny fitavana nampifamantotra azy tamin’ny mpianatra no nahatonga an’i Jesoa hiteny fa hangataka amin’ny Ray mba honome azy ireo ny Fanahy Mpanafaka alahelo. Io fitivana nampifamantotra azy ireo io ihany koa no nahatonga ny mpianatra handray izany fahasoavana izany ka na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra dia nitandrina mandrakariva ny didin’i Jesoa izy ireo. Mazava rahateo ny hafatrafatra nomen’i Jesoa azy ireo manao hoe : « Raha tia ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko » (Jo. 14: 15). Tsy izany ihany fa mbola nampiany hoe : « Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia ahy; ary izay tia ahy, dia hotian’ny Raiko, sy hotiako koa, ka haneho ny tenako aminy aho » (Jo. 14: 21). Tena tanteraka ara-bakiteny io tenin’i Jesoa io satria dia nasehony ny mpianatra tokoa ny tenany ary mialohan’ny niakarany any an-danitra dia niseho tamin’izy ireo foana izy ary nampanantena fa rehefa lasa Izy dia handefa ho azy ireo ny Fanahy Masina mba hankahery sy hanala alahelo azy ireo. Azo ambara ary fa ny fandinihantsika lalina ity Evanjely androany ity dia efa fanomanantsika sahady ny fankalazana ny fetin’ny Niakaran’i Jesoa Kristy any an-danitra sy ny Pantekôty.

Tsy ho an’ny mpianatra ihany fa ho antsika vita Batemy rehetra no nilazan’i Jesoa fa : « Raha tia ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko » satria « izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia ahy; ary izay tia ahy, dia hotian’ny Raiko, sy hotiako koa, ka haneho ny tenako aminy aho ». Tena asehony antsika tokoa ny tenany amin’ny alalan’ny Teniny izay henointsika isan’andro indrindra isan’Alahady sy amin’ny Eokarisitia izay raisintsika. Indraindray anefa toa lasa fahazarana fotsiny izany ka tsy dia tsapantsika loatra fa tena fampisehoan’i Jesoa ny tenany amintsika tokoa ny fankalazana sy vavaka rehetra ataontsika. Matetika isika no mihevitra fa ny vavaka ataontsika dia fisehoantsika amin’i Jesoa ka isika no manantona azy. Ny tena marina dia izy no miseho amintsika ary izy no manantona antsika ka mandray sy mihaino ny vavaka ataontsika. Izy ihany koa no mandefa ho antsika ny Fanahy Mpanafaka alahelo, koa amin’izao Alahady Fahaenina amin’ny Paka izao dia hangataka mandrankariva aminy izay Fanahy Mpanafaka alahelo izay isika mba hitari-dalana antsika ho afaka miatrika ireo zavatra manahirana sy mampalahelo antsika eo amin’ny fiainana andavan’andro. Marina fa maro tokoa ny zavatra manahirana sy mampalahelo atrehintsika, saingy raha miankina amin’i Jesoa isika dia tsy hamela antsika ho irery izy raha mitandrina ny didiny isika. Manasa antsika ary Izy androany mba hitandrina mandrankariva ny didiny amin’ny alalan’ny fanaovantsika asa soa ho an’ny namana araka ny voalazan’i Md Piera amin’ny Vakiteny Faharoa androany manao hoe : «  aleo amin’ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana, raha izany no sitra-pon’Andriamanitra, toy izay amin’ny fanaovan-dratsy » (1 Pi. 3: 17).

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0507