Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan’ny olona

Alakamisy 25 desambra 2014

Fankalazana ny Noely, Fahaterahan’ny Tompo (Taona B)

« Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan’ny olona » (Jo. 1, 4)

Mankalaza ny Noely, Fahaterahan’ny Tompo isika anio, andro lehibe ho antsika izany satria ahatsiarovana manokana ny Mistery nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo ka nanavotra ny olombelona rehetra hiala tao anatin’ny aizin’ny fahotana. Io Zanak’Andriamanitra tonga olombelona mitovy amintsika io no voalazan’i Md Joany amin’ny Evanjely androany fa Teny tonga nofo, ka nonina taty amintsika. Tsara homarihina hatrany, araka ny efa voalazantsika isan-taona fa ny Tenin’Andriamanitra voatondro ho an’ny fankalazana ny Noely antoandro no ifampizaran-tsika eto satria fantantsika tsara fa ny fankalazana ny Noely dia manomboka amin’ny andro mialoha (hariva) araka ny fandaharana litorjika. Mitohy amin’ny Sorona misasaka alina sy maraina ary antoandro izany fankalazana izany ka Tenin’Andriamanitra maromaro no aroson’ny Fiangonana hodinihintsika amin’ireo fankalazana samihafa ireo mba hanampy antsika hahalala mazava tsara fa i Jesoa dia tena Andriamanitra saingy nietry tena ka nanaiky ho tonga nofo ary niara-nonina tamintsika olombelona.

Araka ny ambaran’ity Evanjely androany ity dia efa hatramin’ny voalohany Andriamanitra no namolavola ny fandefasana an’i Jesoa Zanany mba hamonjy ny taranak’olombelona rehetra izay niaina tao anatin’ny haizin’ny fahotana tamin’ny fototra hatramin’ny fotoana nihinanan’i Adama sy Eva ny voankazo voarara tsy hohanina. Io fotoana io tokoa no nidiran’ny fahotana tamin’ny zanak’olombelona ka ifandovan’ny taranaka mifandimby. Tsy foin’Andrimanitra Ray ho very anefa isika ka izany no nandefasany an’i Jesoa izay fahazavana mamirapiratra ho an’izao tontolo izao. Io Jesoa fahazavana io indrindra no ambaran’i Md Joany amin’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao fankalazana ny Noely antoandro izao. « Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. Tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany Izy, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy nisy ary ny zavatra àry rehetra. Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan’ny olona. Ary mamirapiratra amin’ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray Azy ny maizina » (Jo. 1, 1 – 5).

Hitantsika amin’ity Evanjely androany ity fa somary miavaka ny fomba itantaran’i Md Joany ny amin’ny nahaterahan’i Jesoa Mpamonjy. Ireo Evanjely hafa toy ny nosoratan’i Md Matio, indrindra ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka dia mitantara mazava tsara ny zava-niseho tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesoa tao Betlehema. Mahakasika izany indrindra dia hoy ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka hoe : « tamin’izany andro izany, dia namoaka didy i Sezara Aogosta hampanoratra ny anaran’ny vahoakany amin’ny tany rehetra: dia fony i Sirinosy no govemoran’i Siria no natao izany fanoratana voalohany izany. Dia samy nankany amin’ny tanàna niaviany avy izy rehetra, mba hosoratana. Ary i Jôsefa koa niakatra avy tany Galilea avy tao an-tanàna Nazareta hankany Jodea ho ao an-tanànan’i Davida atao hoe Betilehema, fa taranaka sy fianakavian’i Davida izy, mba hosoratana izy sy i Maria vadiny izay bevohoka. Fa raha tao izy, dia tonga ny fotoana hiterahan’i Maria, ary niteraka ny Zanany lahy matoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranombahiny » (Lk. 2, 1 – 7).

Ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka izany no manome antsika ny porofo ara-tantara mahakasika ny nahaterahan’i Jesoa. Mazava ho azy fa tena tantara marina no voalazany ary tsy zavatra noforonina satria ireo olona sy toerana samy hafa voalazan’ny Evanjely ireo dia tena nisy tokoa ary azo porofoina ara-tantara. Mety misy amintsika no efa namangy ireo toerana ireo ka nahita maso fa tena mbola voatahiry hatramin’izao andro iainantsika izao ireo toerana masina ireo izay manan-tantara tokoa ary mampiseho marina ny nandalovan’i Jesoa Zanak’Andriamanitra teto an-tany. Araka izany dia tsy fombafomba fotsiny no ataontsika rehefa mankalaza ny Noely fa tena mahatsiaro ny nahateranan’ny Mpamonjy tokoa izay azo porofoina ara-tantara ny fisiany. Tsy dia izay anefa no zava-dehibe satria tsy noho ny porofo ara-tantara no mahatonga antsika hankalaza izao fety lehibe izao ankehitriny fa noho ny finoana velona ao amintsika ka ijoroantsika ho vavolombelona fa tena tonga nofo tokoa i Jesoa Zanak’Andrimanaitra ka niara-nonina tamintsika. Izy no ilay Fahazavana tonga hanilo antsika olombelona miaina ao anatin’ny aizina araka ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Joany Batista. Izany no ilazan’ity Evanjely androany ity hoe : « nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra, Joany no anarany ; tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan’ny olon-drehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Fahazavana, fa tonga ho vavolombelona manambara ny Fahazavana fotsiny izy » (Jo. 1, 6 – 8).

Vakiteny I : Iz. 52, 7 – 10

Tononkira : Sal. 98, 1. 2 – 3ab. 3cd – 4. 5 – 6

Vakiteny II : Heb. 1, 1 – 6

Evanjely : Jo. 1, 1 – 18

Tena i Jesoa, ilay Teny tonga nofo tokoa, no fahazavana satria voalazan’ity Evanjely androany ity « fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao. Teo amin’izao tontolo izao izy, ary izy no nahariana izao tontolo izao, nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao. Tonga tao amin’ny olony izy, fa ny olony tsy nandray azy » (Jo. 1: 9 – 11). Tena fampieritreretana lehibe ho antsika ity Tenin’Andriamanitra ity satria dia iza tokoa moa no olona tsy hanaiky handray ny fahazavana raha sendra miaina ao anatin’ny haizina? Eto anefa dia i Jesoa tonga nofo mihitsy no Fahazavana manilo ny fiainan’ny zanak’olombelona mitoetra ao anatin’ny haizin’ny fahotana nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao ary tsy nandray azy ny olona. Raha dinihina lalina dia efa manomana antsika sahady ity Evanjely ity fa io Jesoa teraka sy ankalazaintsika androany io dia handalo fijaliana ary hovonoina ho faty saingy hitsangana amin’ny maty mba hahatanteraka ny famonjena nanirahan’ny Ray azy.

Ny tsy mpino no tsy mandray azy fa isika vita Batemy kosa dia mandray azy ho Tompo sy fanilo manazava ny fiainantsika isan’andro. Izy no Fahazavana ho antsika ka izay mandray io Fahazavana io dia ho lasa zanak’Andriamanitra ihany koa araka ny voalazan’ity Evanjely ity manao hoe : « fa izay rehetra nandray azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, ka tsy mba nateraky ny rà, na ny sitra-pon’ny nofo, na ny sitra-pon’ny olona ireo, fa naterak’Andriamanitra » (Jo. 1: 12 – 14). Mazava ho azy fa isika vita Batemy rehetra no tian’ny Evanjely hambara eto amin’ny hoe nandray azy sy nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra ary mino ny anarany satria efa natsangan’Andriamanitra ho zanaka mpandova tokoa isika ary mpiray lova amin’i Kristy tamin’ny Batemy noraisintsika. Miara-miavaka ary isika amin’izao Noely izao mba tena handray an’i Jesoa ho Fahazavana marina tokoa eo anivon’ny fiainantsika. Raha izy no manazava ny diantsika dia azo antoka fa tsy handeha amin’ny maizina isika na eo aza ireo fakam-panahy ataon’ny demony izay mitarika antsika ho any amin’ny maizina. Amin-kafaliana tokoa ary no ifanolorantsika ny firarian-tsoa amin’izao fety lehibe izao. Enga anie i Jesoa Fahazavana hitari-dalana antsika mandritra ny androm-piainantsika ka hahafahantsika ho tahaka azy ka handray ny « voninahitra tahaka izay zakain-janaka lahitokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana » (Jo. 1: 14).

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102