Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra, Joany no anarany

Alahady 14 desambra 2014
Alahady Fahatelo amin’ny amin’ny Fiaviana (Taona B)

Alahady roa izay no lasa amin’izao fankalazantsika ny Fiaviana izao, ny Alahady Fahatelo no ankalazaintsika androany, midika izany fa tsy hoela intsony dia hankalaza ny Noely isika. Tamin’ny Alahady heriny dia ny fanentanana antsika hibebaka ka hanatona amim-pinoana ny Sakramentan’ny Fampihavanana no hevi-dehibe nambaran’ny Tenin’Andriamanitra. Azo inoana fa efa maro amintsika no nanatanteraka izany, tsy mbola tara anefa ho an’ireo izay mbola manam-paniriana handray io Sakramenta lehibe io satria tena tafiditra tanteraka amin’ny fanomanana ny Noely mihitsy isika izao. Aoka anefa hotsaroantsika mandrakariva fa tsy amin’izao Noely izao ihany no andraisana io Sakramentan’ny Fampihavanana io fa isaky ny mahatsiaro tena isika fa tapaka fihavanana amin’Andriamanitra sy ny namana noho ny fahotana dia tokony hiezaka hifona ka handray ny famelan-keloka sy ny famindram-pon’Andriamanitra satria be fitiavana izy ary mamela heloka antsika amin’ny fotoana rehetra ilantsika izany. Io fitiavana tsy misy fetra ao amin’Andriamanitra io no nanirahany an’i Jesoa Zanany ho tonga nofo mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny fahotana.

Vakiteny I : Iz. 61: 1 – 2a, 10 – 11

Tononkira : Lk. 1: 46 – 48, 49 – 50, 53 – 54

Vakiteny II : 1 Tes. 5: 16 – 24

Evanjely : Jo. 1: 6 – 8, 19 – 28

Ho fanomanana ny fahatongavan’ny Mpamonjy dia naniraka mpialoha lalana Andriamanitra ka nandefa an’i Joany Batista izay niseho tany an’efitra ary nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka araka ny voalazan’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny. Mbola manamafy izany ny ambaran’ny Evanjely androany izay milaza amintsika fa : « nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra, Joany no anarany ; tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy » (Jo. 1: 6 – 8). Araka ny ambaran’ity Evanjely ity dia tena irak’Andriamanitra tokoa i Joany Batista mba hanambara ny fahatongavan’i Kristy Fahazavana izay tonga hanilo ny fiainantsika olombelona rakotry ny aizin’ny fahotana. Mba hanampy antsika hahazo misimisy kokoa ny mahakasika an’i Joany Batista dia ambaran’ny fampianarana omen’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika fa : « Md Joany Batista no mpialoha lalana mivantana ny Tompo, nirahina hamboatra lalana ho Azy. “Izy no mpaminanin’ny Avo Indrindra” (Lk 1, 76), mihoatra ny mpaminany rehetra, farany amin’izany, nisantatra ny Vaovao Mahafaly ; vao tao an-kibon-dreniny izy, dia niarahaba ny fahatongavan’i Kristy, ary nentanin’ny hafaliany ho “sakaizan’ny mpampakatra” (Jo 3, 29) izay notondroiny ho “ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’izao tontolo izao” (Jo 1, 29). Tamin’ny nialohavany lalana an’i Jesoa “tamin’ny fanahy sy ny herin’i Elia”(Lk 1, 17) no nijoro ho vavolombelony izy, tamin’ny toriteniny, tamin’ny Batemim-pibebahana nataony ary farany tamin’ny nahafatesany martiry » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 523).

Na eo aza anefa io fampianarana mahakasika an’i Joany Batista omen’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika io dia tsy nihevitra ny tenany ho ambony velively izy. Porofon’izany dia nolaviny daholo ny fanontaniana natao taminy mahakasika ny tenany. « Ary izao no nambaran’i Joany raha naniraka mpisorona sy Levita, avy tany Jerosalema, hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe : “Iza moa Ianao?” Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe : “Tsy i Kristy aho”. Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe : “Iza àry? i Elia va ianao?” Fa hoy izy : “Tsy izy aho”. Ary hoy ihany izy ireo: “Ilay mpaminany va ianao?” Fa hoy ny navaliny : “Tsia”. Ka hoy izy ireo taminy : “Iza àry ianao, mba hitondranay valy amin’izay naniraka anay? Ataonao ho iza ny tenanao?” Dia hoy izy : “Izaho no feo miantso any an’efitra hoe : Ahitsio ny lalan’ny Tompo, araka izay voalazan’i Izaia mpaminany”. Ary Farisianina ireo iraka ireo » (Jo. 1: 19 – 24). Valin-teny feno fanetren-tena no namalian’i Joany Batista ny Farisianina izay nirahin’ny Jody mba hanontany azy hoe : Iza moa Ianao? Nambarany mazava tsara fa tsy izy no Kristy, tsy nihevitra ny tenany ho mpaminany akory izy ary nolaviny ny filazana fa izy no Elia izay mpaminany lehibe tokoa teo amin’ny tantaran’ny vahoaka Israely.

Tena fianarana lehibe ho antsika ity nataon’i Joany Batista ity. Zavatra fahita matetika amin’izao vanin’andro iainantsika izao ny olona mirehareha sy mizahozaho ka milaza tena ho olona ambony sy manan-kaja. Tena hita ary tsy azo afenina fa maro tokoa ireo midera tena fa manam-pahaizana na manam-pahefana ka misehoseho sy mieboebo ery mba ho hitan’ny olona. Jesoa mihitsy no nanambara hoe : « Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho Joany Batista » (Matio 11: 11 sy Lioka 7: 28). Tsy nanaiky izany anefa izy fa nietry tena tanteraka ary raha mbola nanontany azy indray ny iraky ny Jody nanao taminy hoe : « Nahoana àry ianao no manao batemy raha tsy i Kristy, na i Elia, na ilay Mpaminany? » (Jo. 1: 25), dia mazava ny navaliny azy ireo nanao hoe : « Izaho manao batemy amin’ny rano ; fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo, dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny kofehikapany aza aho » (Jo. 1: 26 – 27). Eto dia mazafa fa tsy vitan’ny hoe nietry tena fotsiny i Joany Batista fa mbola nampisongadina ihany koa an’i Jesoa izay tena Fahazavana sy irak’Andriamanitra hamonjy izao tontolo izao.

Ohatra velona, tsara alain-tahaka ity nataon’i Joany Batista ity, koa miara-mivavaka isika amin’izao Alahady Fahatelo amin’ny Fiaviana izao mba hanana fanetren-tena tahaka azy ka tsy hizahozaho sy hieboebo fa hiezaka hampisongadina ny hafa. Indraindray tokoa mantsy dia ny mifanohitra amin’izany no fahita eny anivon’ny fiarahamonina eny satria toa fanaratsiana sy fanambanimbaniana ny hafa aza no ataon’ny sasany mba hisehoana sy hideran-tena fa izy irery ihany no mahavita azy. Na i Joany Batista, na i Jesoa Kristy dia samy tao anatin’ny fanetren-tena daholo no nahatongavany koa amin’izao fiomanana amin’ny Noely izao dia izany toetra izany ihany koa no tokony hananantsika. Mety mihevitra isika fa fahambaniana ny fanetren-tena, tsy izany velively anefa fa araka ny voalazan’i Jesoa dia « izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra » (Lioka 14: 11 ; 18: 14) ka arakaraky ny ananantsika fanetren-tena no hanandratan’i Jesoa antsika satria izany rahateo no nataony ka na Andriamanitra nanana ny voninahiny aza izy dia nietry tena ho tonga olombelona ary nateraka tao an-tranon’omby. Enga anie ny tsodranon’Andriamanitra hirotsaka amintsika ka hitari-dalana antsika amin’izao fiomanana amin’ny Noely izao, araka ny voalazan’i Md Paoly ao amin’ny Vakiteny androany manao hoe : « Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina ny tenanareo manontolo, ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny vatanareo. Tsy mivadika Ilay niantso anareo, ka Izy ihany koa no hanefa izany » (1 Tes. 5: 23 – 24).


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0572