Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana

Alahady 18 mey 2014
Alahady Fahadimy amin’ny Paka (Taona A)

« Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako » (Jo. 14: 6)

Voalazan’ny Evanjely tamin’ny Alahady heriny, izay nankalazantsika ny fetin’ny Mpiandry ondry tsara, fa i Jesoa no varavaran’ny ondry, izany hoe Izy irery ihany no tena varavarana idirantsika amin’ny famonjena izay ahafahantsika manana ny fiainana mandrankizay. Hoy indrindra izy hoe : « Lazaiko marina dia marina aminareo fa izaho no varavaran’ny ondry. Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry. Izaho no varavarana. Raha izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina. Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be » (Jo. 10 : 7 – 10). Izany fampianarana izany no hamafisin’i Jesoa amin’ny alalan’ny Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany izay ankalazantsika indrindra ny Alahady Fahadimy amin’ny Paka. Ambarany mazava tsara amintsika ary fa amin’ny maha varavaran’ny ondry azy dia Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana ka tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalany. Midika izany fa io Jesoa làlana sy fahamarinana ary fiainana io ihany no varavarana mitondra antsika mankany amin’ny Ray, koa raha Izy no hidirantsika, dia hovonjena isika ka ho afaka mahita ny Ray rehefa ho tonga ny fotoana hialantsika amin’ity tany fandalovana ity.

Hitantsika araka izany fa tena mifampitohy amin’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny ny voalazan’ny Evanjely amin’izao Alahady Fahadimy amin’ny Paka izao. Mazava araka izany fa sady varavarana idirana i Jesoa no làlana mitondra mankany amin’ny Ray, saingy tsy nahalala izany ny mpianatra araka ny ambaran’ity Evanjely androany ity. « Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra hianareo, ka minoa ahy koa. Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko ; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo aho ; fa handeha aho hanamboatra fitoerana ho anareo, ary rahefa lasa aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa. Ary fantatrareo koa ny làlana ho any amin’izay alehako. Dia hoy Tomà taminy : Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko, ka ahoana no ahafantaranay ny làlana ? Ary hoy Jesoa taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako » (Jo. 14: 1 – 6). Raha dinihina lalina ity Evanjely ity dia azo ambara fa misolon-tena ny mpianatra rehetra i Tomà eto satria tsy niteny izy hoe tsy fantatro izay alehanao, Tompoko, ka ahoana no ahafantarako ny làlana ? Fa hoy izy hoe « tsy fantatray izay alehanao, Tompoko, ka ahoana no ahafantaranay ny làlana ? ».

Talohan’ny hijaliany moa no nanaovan’i Jesoa ity resaka ity tamin’ny mpianatra ka mialoha ny hiverenany any amin’ny Ray izay naniraka azy dia nampahafantarany azy ireo mazava tsara fa ny asa rehetra izay nataony dia tsy avy amin’ny tenany fa avy amin’ny Ray izay mitoetra ao aminy. Indrisy fa tahaka an’i Tomà dia nisolon-tena ny mpianatra rehetra ihany koa i Filipo niangavy an’i Jesoa mba hampiseho azy ireo ny Ray. « Raha nahafantatra ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa ; hatramin’izao, dia mahafantatra azy hianareo, sady efa nahita azy. Dia hoy Filipo taminy : Asehoy anay ny Ray, Tompoko, dia ampy ho anay izany. Fa hoy Jesoa taminy : Izay ela izay no nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrareo ihany ve aho, ry Filipo? Izay nahita ahy, dia nahita ny Ray koa ; ka ahoana no anaovanao hoe : Asehoy anay ny Ray ? Tsy mino va hianao fa izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko ? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko ; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa » (Jo. 14: 7 – 10). Araka ny voalazan’ity Evanjely ity dia hita fa na niara-nitoetra tamin’i Jesoa nandritra ny taona maromaro aza ireto mpianatra ireto dia tsy nahalala Azy tanteraka ka izany no nahatonga an’i Jesoa hanambara mazava tamin’izy ireo fa Izy no làlana mankany amin’ny Ray ka izay mahita Azy dia mahita ny Ray satria « Izaho » hoy Izy no « ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko ».

Tsy ho an’ny mpianatra irery ihany fa ho antsika ihany koa no nanaovan’i Jesoa izany fampianarana izany. Marina fa vita Batemy isika, mandray ny Sakramenta samihafa ary mazoto mivavaka ihany koa, saingy azo lazaina fa tsy ho afaka ny halala tanteraka an’i Jesoa isika raha tsy mazoto mihaino ny Teniny sy mitandrina ny didiny ary mitoetra miaraka Aminy ao amin’ny Ray araka ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « Raha namboraka an-karihary tamin’ireo mpianany ny misterin’ny fivavahana amin’ny Ray i Jesoa, dia nampiseho azy ireo ny tsy maintsy ho fivavahan’izy ireo, sy ny antsika, rahefa hiverina eo anilan’ny Ray Izy, amin’ny maha-Olombelona enim-boninahitra Azy. Ny zava-baovao amin’ izany ankehitriny dia ny mangataka amin’ny anarany. Ny finoana Azy no mampiditra ny mpianatra amin’ny fahalalana ny Ray, satria i Jesoa no “Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana” (Jo 14, 6). Amin’ny fitiavana no mamokatra ny finoana : mitandrina ny Teniny, ny didiny, mitoetra miaraka Aminy ao amin’ny Ray izay tia antsika ao Aminy hatramin’Izy monina ao amintsika. Ao amin’ity Fanekem-pihavanana Vaovao ity, ny fitokiana marimarina fa ho ekena ny fangatahantsika dia miorina amin’ny vavak’i Jesoa » (Jereo ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika laharana faha-2614).

Tamin’ny alalan’ny Batemy izay noraisintsika ary nohamafisina tamin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fankaherezana dia ambarantsika am-pahibemaso fa mino an’Andriamanitra isika, ka mino an’i Jesoa ihany koa. Nahafantatra Azy isika, ary nahafantatra ny Ray koa araka ny voalazan’i Jesoa manao hoe : « hatramin’izao, dia mahafantatra azy hianareo, sady efa nahita azy » satria Izy ao amin’ny Ray, ary ny Ray ao aminy. Noho izany dia tsy tonkony hitebiteby ny fontsika fa tsimaintsy matoky mandrankariva ny fahasoavany. Maro tokoa ny tebiteby sy ahiahy ary adin-tsaina mpahazo antsika ka mitarika antsika indraindray tsy hatoky ny fahasoavan’Andriamanitra izay omeny antsika amin’ny alalan’i Jesoa Zanany isaky ny mihaino ny Teniny sy mandray ny Vatany rehefa mankalaza ny Eokaristia Masina isika. Misy amintsika aza moa dia mamoy fo tanteraka ka alaim-panahy tsy hivavaka intsony satria mieritreritra fa tsy mihaino ny vavaka ataontsika Andriamanitra rehetra ao anatin’ny zava-tsarotra sy manahirana isika. Amin’ireny fotoana ireny indrindra anefa no ilazan’i Jesoa amintsika manao hoe : « Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra hianareo, ka minoa ahy koa ». Andeha ary isika hangataka mandrankariva ny fahasoavany amin’izao Alahady Fahadimy amin’ny Paka izao, mba hanamafisany hatrany ny finoantsika ka hifikirantsika Aminy na inon-kidona na inon-kihatra eo amin’ny fiainantsika andavan’andro satria Izy no efa niteny hoe : « Minoa ny teniko fa izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko; na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany. Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray aho » (Jo. 14: 11 – 12).



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098