Hianareo no fanasin’ny tany... Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao

Alahady 09 febroary 2014
Alahady Faha-5 tsotra Mandavantaona (Taona A)

Rehefa avy nankalaza tamin’ny fomba manetriketrika ny nanolorana an’i Jesoa tao an-tempoly isika tamin’ny Alahady heriny dia miverina indray amin’ny fankalazana ny Alahady tsotra Mandavantaona ka ny Alahady Faha-5 no ankalazaina anio izay anasan’ny Fiangonana antsika indrindra mba ho fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao. Raha iverenana kely ny fankalazana tamin’ny Alahady heriny dia nambarantsika fa io fankalazana ny Nanolorana ny Tompo io no nankalazana ihany koa ny fetin’ny Jiro Masina ka tamin’ny famaranana ny fifampizarana natao teo dia nifampirary soa isika nanao hoe: « enga anie izao fankalazana ny fetin’ny Jiro Masina izao hanampy antsika rehetra handini-tena ka hahatonga antsika ihany koa ho fahazavana eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy araka ny fampianaran’i Jesoa antsika manao hoe : « hianareo no fahazavan’izao tontolo izao : tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra » (Mt. 5: 14 – 16).

Mahatalanjona tokoa ny fandaharan’Andriamanitra satria miharihary eto fa tena mifandray ary mifampitohy tanteraka amin’ny fankalazana nataontsika tamin’ny Alahady heriny ny fampianarana hita amin’ireo Tenin’Andriamintra izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany, indrindra ny voalaza ao amin’ny Evanjely. Ambaran’i Jesoa mazava tsara fa « hianareo no fanasin’ny tany ; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa dia hariana any alatrano hohitsahin’ny olona » (Mt. 5: 13). Ambarany ihany koa fa « hianareo no fahazavan’izao tontolo izao : tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano » (Mt. 5: 14 – 15). Azo lazaina fa tsy afa-misaraka ny fanasan’i Jesoa antsika mba ho fanasin’ny tany sy ny fanentany antsika hiseho ho fahazavan’izao tontolo izao satria zavatra iray ihany ireo dia ny fijoroantsika marina tokoa ho vavolombelona eo imason’izao tontolo izao fa Kristianina ary manara-dia an’i Kristy ka manaiky sy mandray izay fampianarana omeny.

Mazava araka izany fa io fijoroana ho vavolombelona io no nahatonga an’i Jesoa hanasa antsika manao hoe : « aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra » (Mt. 5 : 16). Abaribarin’i Jesoa amin’ity fampianarany ity fa ny fanaovana asa soa no fomba hahafahantsika ho tonga fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao. Aoka anefa ho tsaroantsika mandrankariva fa tsy niteny izy hoe, aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny tenanareo, ny hanomezany voninahitra ny « Rainareo izay any an-danitra », no ambaran’i Jesoa eto ka izay no antony tsimaintsy hijoroantsika ho fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao. Noho izany tsy ao anatin’ny fisehosehoana ety ivelany na amin’ny alalan’ny fidokafan-tena na fizahozahoana ka hanomezan’ny olona voninahitra ny tenantsika no anasan’ i Jesoa antsika fa ny hijoroantsika ho vavolombelona ka hanaovantsika asa soa izay hitarika ny olona hidera sy hanome voninahitra an’Andriamanitra.

Raha dinihina lalina ity Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity dia hita tokoa fa tsy ny fitadiavana voninahitra ho an’ny tenantsika no anaovantsika asa soa fa ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany. Noho izany, izay rehetra ataontsika dia ao anatin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy no anaovana azy fa tsy ao anatin’ny filan-dera sy voninahitra. Izany indrindra no fampianarana sy ohatra omen’i Md Paoly ao amin’ny Taratasy Voalohany nosoratany ho an’ny Korintiana, izay aroso ho antsika ihany koa amin’izao Alahady Faha-5 tsotra Mandavantaona izao : « fony aho tonga tany aminareo koa, ry rahalahy, dia tsy mba tamin-teny ambony, na tamim-pahendrena no nitoriako ny Evanjelin’Andriamanitra taminareo. Fa ninia tsy nahalala zavatra hafa afa-tsy Jeso-Kristy aho tany aminareo, indrindra fa izy voafantsika tamin’ny hazo fijaliana. Ary tamim-pahalemena sy tahotra ary hovitra be no nanatonako anareo ; sady tsy mba tamin’ny tenim-pahendrena mampiaiky volana no nampianarako sy nitoriako teny taminareo, fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy sy ny herin’Andriamanitra azy ho marina, mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’olombelona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany » (1 Kor. 2: 1 – 5).

Fampianarana sy ohatra lehibe ho antsika io nataon’i Md Paoly io satria voalazany mazava tsara fa tamim-pahalemena sy tahotra ary hovitra be no nanatonany ny olona ka nampianarany sy nitoriany teny tamin’izy ireo. Midika izany fa tsy ao anatin’ny fizahozahoana no hijorona ho fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao fa ao anatin’ny halemem-panahy. Tsy amin’ny alalan’ny fanaovana resa-be sy kabary ambony vavahady ihany koa fa amin’ny alalan’ny fanaovana asa soa izay hitsinjovana indrindra ny madinika sy fadiranovana. Izany rahateo no voalazan’Izaia Mpaminany ao amin’ny Vakiteny Voalohany izay aroso antsika androany manao hoe : « moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va ; sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana, sy ny hanafianao izay hitanao miboridana, ary ny tsy hiviliana tsy hijery ny tapaky ny tenanao? Amin’izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina, ary ny fahasitrananao ho tonga faingana ; ny fahamarinanao, hialoha làlana anao ; ny voninahitry ny Tompo ho vodi-làlanao » (Iz. 58: 7 – 8).

Araka ny voalazan’Izaia Mpaminany eto, izay hamafisin’i Jesoa ao amin’ny Evanjely ary notorin’i Md Paoly ka nosoratany ao amin’ny Taratasy Voalohany ho an’ny Korintiana, dia tsy afa-misaraka ny fanaovana asa soa ao anatin’ny fanetren-tena sy ny fijoroana ho fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao. Noho izany dia manasa antsika ireo Tenin’Andriamanitra izay aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ireo mba hiezaka mandrankariva hanao asa soa hahafahan’ny olona manome voninahitra ny Ray izay any an-danitra. Tsy ao anatin’ny fisehosehoana ety ivelany fotsiny anefa no hanaovana izany fa ao anatin’ny fanetren-tena sy fitiavana marina tokoa. Tsy natao hanomezana voninahitra ny tena no anekentsika ny fanasan’i Jesoa antsika ho fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao, fa ho fanomezana voninahitra an’Andriamanitra Ray amin’ny asa soa ataontsika ho an’ny mahantra sy ny madinika indrindra ; amin’izay dia ho tentaraka amintsika ny tenin’Izaia ao amin’ny Vakiteny Voalohany androany manao hoe : « raha manome ny haninao ho an’ny noana hianao, sy mamoky ny fanahy miferin’aina ; hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny aizinao » (Iz. 58: 10).



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0606