Hianao no Kristy zanakAndriamanitra velona

Alahady 29 Jiona 2014
Fankalazana an’i Masindahy Piera sy Paoly Apostoly 

« Hianao no Kristy zanakAndriamanitra velona » (Mt. 16: 16)

Raha ny tokony ho izy dia ny Alahady Faha–13 tsotra Mandavan-taona no ankalazaintsika androany. Noho ity Alahady ity mifanandrify indrindra amin’ny 29 Jiona anefa dia ny fetin’ny Masindahy Piera sy Paoly Apostoly no ankalazaina amin’ny fomba manetriketrika. Araka ny voalazan’ny teny fampidirana ao amin’ny Boky « Sorona Masina Andavanandro » moa dia « tsy sarahin’ny Fiangonana na oviana na oviana izy roa lahy ireo, ka akambany ny fankalazana ny fetiny. Ireo Apostoly roa lehibe ireo ary no ankalazaintsika anio : i Piera moa solontenan’i Jesoa Kristy voalohany teto an-tany ; i Paoly kosa nanitatra ny Eglizy hanerana an’izao tontolo izao. Izy mirahalahy samy mahatsiaro fa tompon’andraikitra amin’ny fitazonana ny fomba ifandovana sy amin’ny fandrosoana tsy maintsy izoran’ny Eglizy ». Araka izany dia tena manan-danja tokoa izao fankalazana androany izao ka na tsy dia mahazatra antsika aza ny fankalazana ny fetin’ny Olomasina samihafa amin’ny andro Alahady dia amin’ny fomba manokana no anasan’ny Fiangonana antsika androany amin’ny fankalazana manetriketrika ny fetin’ny Masindahy Piera sy Paoly Apostoly.

Ireo tenin’Andriamanitra izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao fankalazana manetriketrika izao dia samy manamafy daholo ny anjara toeran’ireo Apostoly roa lehibe ireo. Ny Vakiteny voalohany izay nalaina tao amin’ny Boky mitantara ny Asan’ny Apostoly no mampahafantatra antsika ny nisamborana an’i Piera ka nanaovana azy an-tranomaizina nefa noho ny finoana mafy orina nananany dia tonga ny Anjelin’i Tompo nanafaka azy tao amin’izany tranomaizina izany. Ny Vakiteny faharoa indray dia manome antsika ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly. Nambarany mazava tsara fa : « Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho ; hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa » (2 Tim. 4: 7 – 8). Farany moa dia ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao fety lehibe izao no manambara amintsika ny fiekem-pinoana lehibe nataon’i Piera tamin’ny filazany fa « Hianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona » (Mt. 16: 16).

Ambaran’ity Evanjely androany ity tokoa fa : « nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe : Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona? Ary hoy ireo : Ny sasany manao hoe : Joany Batista, ny sasany Elia, ary ny sasany Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany. Dia hoy Jesoa taminy : Fa hianareo kosa, ataonareo ho iza aho? Namaly Simona Piera ka nanao hoe : Hianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona » (Mt. 16: 13 – 16). Azo lazaina fa misolo-tena ny mpianatra rehetra i Piera amin’ny famaliana ny fanontaniana nataon’i Jesoa. Midika izany fa izy no mitana ny toerana voalohany amin’izy Roa ambin’ny folo lahy. Izany no nilazan’i Jesoa taminy fa « Sambatra hianao, ry Simona zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. Ary izaho milaza aminao fa hianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra » (Mt. 16: 17 – 19).

Mazava araka izany fa i Piera, noho ny finoana nekeny ampahibemaso, no notendren’i Jesoa ho vatolampy iorenan’ny Fiangonana. Izany indrindra no ambaran’ny fampianarana izay hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « Amin’ny fiombonam-piadidian’ny Roa ambin’ny folo, i Simôna Piera no mitana ny toerana voalohany. Nanankinan’i Jesoa andraikitra tsy manam-paharoa izy. Noho ny fanambaràna avy amin’ny Ray no nahatonga an’i Piera niaiky hoe : “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona”. Tamin’izay, hoy ny nambaran’ny Tompontsika taminy : “Ianao no Piera (vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Fiangonako, ary ny Vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy” (Mt 16, 18). I Kristy, “Vato velona” (1 Pi 2, 4), no miantoka ho an’ny Fiangonany miorina eo ambonin’i Piera, amin’ny fandresena ny hery amam-pahefan’ny fahafatesana. I Piera, noho ny finoana nekeny ampahibemaso, dia haharitra ho vatolampin’ny Fiangonana tsy voahozongozona. Hanana andraikitra hitahiry izany finoana izany tsy ho lefy izy sy hanamafy ny finoan’ireo rahalahiny » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 552). Araka izany dia « nanankinan’i Jesoa fahefana manokana i Piera : “Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra : na inona na inona hofehezinao ety an- tany dia ho voafehy any an-danitra, ary na inona na inona hovahanao ety an-tany dia ho voavaha any an-danitra” (Mt 16,19). Ilazana ny fanomezam-pahefana hitondra ny tranon’Andriamanitra, izay tsy inona fa ny Fiangonana, ny hoe : “fahefan’ny fanalahidy”. Nanamafy izany fiadidiana izany i Jesoa, “ilay Mpiandry ondry Tsara” (Jo 10, 11), taorian’ny Fitsanganany ho velona : “Fahano ny ondriko” (Jo 21, 15-17). Ny fahazoam-pahefana “hamehy sy hamaha” dia midika fahefana hamela ny fahotana, hamoaka hevitra voalanjalanja amin’ny fitambaram-pampianarana momba ny finoana sy ny lalàna ary handray fanapahan-kevitra momba ny fitsipi-pifehezana ao amin’ny Fiangonana. Nankinin’i Jesoa amin’ny Fiangonana io fahefana io, amin’ny alalan’ny andraiki-panompoan’ny apôstôly, ary indrindra ny an’i Piera manokana, ilay izay hany nanankinany miharihary ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 553).

Ireo fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ireo no manazava amintsika tsara ny maha zava-dehibe ny ankalazantsika amin’ny fomba manetriketrika ny fetin’ny Masindahy Piera sy Paoly Apostoly. Miara-mivavaka ary isika androany ho an’i Papa Ray Masina izay dimbin’i Piera solontenan’i Jesoa Kristy voalohany teto an-tany. Izy no nahazo ny fahefana “hamehy sy hamaha”, izay tsy mora tokoa, indrindra amin’izao vanin’andro diavintsika izao ka ny fiombonantsika aminy sy ny fanekentsika ny fampianarany amim-pinoana ary ny vavaka ataontsika no hankahery azy amin’izany adidy sarotra sy mavesatra izany. Mivavaka ihany koa isika ho an’ny Eveka rehetra izay dimbin’ny Apostoly. Izy ireo no tahaka an’i Paoly izay nanitatra ny Eglizy hanerana an’izao tontolo izao satria izy ireo no miparitaka maneran-tany. Manana adidy lehibe izy ireo satria araka ny voalazan’io fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika laharana faha – 553 io dia ireo Eveka ireo, eo ambany fitarihan’ny Papa no « hamoaka hevitra voalanjalanja amin’ny fitambaram-pampianarana momba ny finoana sy ny lalàna ary handray fanapahan-kevitra momba ny fitsipi-pifehezana ao amin’ny Fiangonana ». Koa mivavaka ho azy ireo isika androany ary mangataka ny fanilovan’ny Fanahy Masina ihany koa mba hitari-dalana antsika hahafahantsika manambara ampahibemaso ny finoantsika. Tahaka an’i Piera ary, dia tsy hisalasala isika hiteny amin’i Jesoa manao hoe : « Hianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona ».

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0807