Fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay

Alahady 02 Novambra 2014

Fahatsiarovana ny maty rehetra

Alahady Faha – 31 tsotra Mandavan-taona (Taona A)

 

« Fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay »

(Mt. 25, 46)

 

Miavaka amin’ny Alahady rehetra ity anio ity, androany tokoa mantsy no ankalazana ny Fahatsiarovana ny maty rehetra. Raha ny tokony ho izy dia mankalaza ny Alahady Faha – 31 tsotra Mandavan-taona isika androany, saingy noho ity Fahatsiarovana ny maty rehetra ity mifanojo amin’ny andro Alahady dia manasa antsika ny Fiangonana androany hahatsiaro manokana ireo havantsika rehetra efa nodimandry ary hitondra azy ireo am-bavaka. Noho izany dia ny Vakiteny voatondro ho an’ny Fahatsiarovana ny maty rehetra no aroson’ny Fiangonana ho antsika androany fa tsy izay voatondro ho an’ny Alahady Faha – 31 tsotra Mandavan-taona. Tsara ho marihina fa misy maromaro ireo Vakiteny azo isafidianana ho an’ity fankalazana androany ity ka aoka isika tsy ho gaga raha toa ka mety Vakiteny hafa no henontsika any amim-piangonana fa tsy mitovy amin’izay arosontsika eto. Manaraka izany, fantantsika fa omaly Asabotsy 01 Novambra dia Fankalazana ny Olomasina rehetra, isan-taona dia misy hatrany ny fifampizarana ny Tenin’Andriamanitra ataontsika eto ho an’io fety lehibe io. Noho ny Asabotsy sy Alahady mifanakaiky dia tsy nanao izany isika omaly fa antambatra amin’izao fifampizarana ataontsika anio izao daholo izay tokony hifampizarana ho an’ny Fankalazana ny Olomasina rehetra, ny Alahady Faha – 31 tsotra Mandavan-taona ary ny Fahatsiarovana ny maty rehetra.

Amin’ny maha olombelona dia mafy sy mangidy ary fahoriana lalina tokoa no iainana rehefa miatrika ny fahafatesana. Izany no mahatonga ny olona sasany hametram-panontaniana manao hoe : Inona moa no mahatonga ny Fiangonana hanasa antsika hankalaza ny fetin’ny maty ? Tsara ho marihina fa io fankalazana ny fetin’ny maty io no saika mahazatra ny maro iantsoana ny fankazana isan-taona ny faha-02 Novambra. Raha ny marina anefa dia tsy ny fetin’ny maty no ankalazaina fa ny Fahatsiarovana ny maty rehetra. Mino isika fa tsy mifarana hatreo amin’ny fahafatesana ny fiainana fa mbola mitohy mandrankizay any an-danitra ka izany no ahatsiarovana manokana isan-taona ireo havana rehetra efa nodimandry ka ivavahana ho azy ireo mba hahafahan’izy ireo miditra any amin’ny hasambarana mandrakizay eo an-kavanan’Andriamanitra any an-danitra. Tena zava-dehibe ho antsika mpino tokoa ny mivavaka ho an’ireo havantsika efa nodimandry, indrindra ny manolotra Lamesa ho azy ireo ka izany no mahatonga ny Fiangonana hanasa antsika isan-taona hankalaza amin’ny fomba manokana izao Fahatsiarovana ny maty rehetra izao.

Vakiteny I : Fah. 3, 1 – 9

Tononkira : Sal. 27, 1. 4. 7. 8. 9. 13 – 14

Vakiteny II : Rom. 6, 3 – 9

Evanjely : Mt. 25, 31 – 46

Araka ny voalazan’ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika dia tsy zava-baovao ny Fahatsiarovana ny maty rehetra fa efa hatrany am-boalohany mihitsy. Mazava ho azy fa tena amporisihin’ny Fiangonana tanteraka isika mba tsy hisalasala hivavaka ho an’ireo havantsika efa nodimandry satria izay vavaka ataontsika izay no toy ny vatsin-dalana entin’izy ireo manatona an’Ilay Andriamanitra be voninahitra. « Hatrany am-boalohany ny Fiangonana no nanaja ny fahatsiarovana ireo nodimandry sy nanolotra vavaka ho azy ireo, indrindra ny soron’ny Eokaristia, mba ho afaka ho tonga amin’ny fahitana mivantana an’Andriamanitra any an-danitra izy ireo, rahefa voadio. Ny Fiangonana dia manafatrafatra koa amin’ny fiantrana, ny endolzansy ary ny tsanganasa fivalozana ho an’ireo nodimandry : Mitondrà isika vonjy ho azy ireo ary manaova isika fahatsiarovana azy ireo mandritra ny fivavahana. Raha ny zanak’i Jôba aza voadion’ny sorona nataon-drainy, koa aza misalasala isika fa ny fanatitsika ho an’ireo nodimandry dia mitondra fiononana ho azy ireo ? Aza mihambahamba isika mitondra vonjy ho an’ireo izay nialoha lalana sy manolotra ny fivavahantsika ho azy ireo » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1032).

Ny antony tsy maintsy ivavahana ho an’ireo nodimandry moa dia mba hanafahana azy ireo hiala tao amin’ny Afofandiovana ka hidiran’izy ireo any amin’ny hasambarana any an-danitra. Araka ny finoantsika mantsy dia mazava fa noho ny fisian’ny fahadisoana kely sasantsasany dia tsy afaka ny hiditra any andanitra avy hatrany ny olona iray rehefa maty fa tsy maintsy mandalo ao amin’ny Afofandiovana. Mba hahafahantsika mahazo bebe kokoa mahakasika izany dia izao no voalazan’ny fampianaran’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika mahakasika indrindra izany Afofandiovana izany. « Ireo izay maty ao anatin’ny fahasoavana sy ny fisakaizana amin’ Andriamanitra, kanefa tsy voadio tanteraka, na azo antoka aza ny famonjena mandrakizay ho azy ireo, dia mijaly amin’ny fandiovana aorian’ny fahafatesany izy ireo, mba hahazoana ny fahamasinana ilaina hidirana ao amin’ny hafalian’ny lanitra. Antsoin’ny Fiangonana hoe Afofandiovana izany fandiovana farany ireo olom-pinidy izany, izay tsy mitovy velively amin’ny famaizana ny olom-bery any amin’ny afobe… Ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana, izay manovo hevitra avy amin’ny lahatsoratra sasany ao amin’ ny Soratra Masina, dia miteny afo mpandio : Noho ny fisian’ny fahadisoana kely sasantsasany, tsy maintsy mino fa misy afo mpandio alohan’ny fitsaràna, araka ny nolazain’Ilay Fahamarinana, amin’ny fitenenana fa ny olona izay hanao teny faniratsirana ny Fanahy Masina, dia tsy hahazo famelan-keloka, na amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy (Mt 12, 32). Ao amin’ izany tenim-pitsaràna izany no ahafahantsika mahafantatra fa ny fahadisoana sasantsasany dia mety ho voavela eto amin’ity fiainana ity, fa ny hafa sasantsasany dia any amin’ny fiainana ho avy » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1030 – 1031).

Araka ireo fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika ireo dia tsy isalasalana fa tena misy tokoa ny Lanitra ka ireo izay niaina araka ny didim-pitiavana, izany hoe ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana no afaka handova ny fiainana mandrakizay any an-danitra. Izany indrindra no ambaran’i Jesoa amin’ity Evanjely izay ifampizarantsika androany ity manao hoe : « rahefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’olona otronin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny izy ; ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy ; ny ondry moa hataony eo an-kavanany ; ary ny osy kosa eo an-kaviany. Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo an-kavanany hoe : Avia hianareo, ry nohasoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao. Fa noana aho, nomenareo hanina, nangetaheta aho, nomenareo hosotroina; nivahiny aho, nampiantranoinareo ; tsy nitafy aho, notafianareo; narary aho, novangianareo, tany an-tranomaizina aho, notsidihinareo. » (Mt. 25, 31 – 36). Ireo izay tsy nanao izany kosa dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay araka ny ambaran’i Jesoa eto manao hoe : « Ary dia hiteny amin’ireo eo an-kaviany kosa indray izy ka hanao hoe : Mialà amiko hianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny demony sy ny anjeliny. Fa noana aho, tsy nomenareo hanina ; nangetaheta aho, tsy nomenareo hosotroina ; nivahiny aho, tsy nampiantranoinareo ; tsy nitafy aho, tsy notafianareo ; narary aho sy tany an-tranomaizina, tsy novangianareo » (Mt. 25, 41 – 43).

Mazava ny fampianaran’i Jesoa eto fa izay manao ratsy « dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay » (Mt. 25, 46). Na eo aza anefa ny faharatsiana mpahazo antsika olombelona dia be famindram-po Andriamanitra ka mandray antsika rehefa mibebaka sy mangatam-pamelan-keloka aminy isika. Manaraka izany dia mandio antsika ihany koa izy rehefa miala amin’ity tany fandalovana ity isika mialohan’ny hiarahantsika mitoetra aminy mandrakizay. Noho izany dia tsy tokony hampatahotra antsika io Teny voalazan’i Jesoa io fa tokony hanampy antsika kosa hiomana sy ho vonona mandrakariva. Miara-mivavaka ary isika amin’izao Fahatsiarovana ny maty rehetra izao mba ho anisan’ireo olo-marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay ireo havantsika rehetra efa nodimandry fa tsy sanatria ho anisan’ireo ho any amin’ny fijaliana mandrakizay. Amin’izay dia ho tanteraka amin’izy ireo ny voalazan’ny Boky Fahendrena manao hoe : « Eo an-tànan’Andriamanitra ny fanahin’ny marina, ka tsy mahatratra azy ny fijaliana » (Fahendrena 3, 1).


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0671