Fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako

Alahady 06 Jolay 2014 
Alahady Faha – 14 tsotra Mandavan-taona (Taona A)

« Fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako » 
(Mat. 11: 30)


 

Rehefa avy nanakalaza ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty isika dia miverina indray amin’ny fankalazana ny Alahady tsotra Mandavan-taona. Nambarantsika tamin’ny Alahady heriny fa raha ny tokony ho izy dia ny Alahady Faha–13 tsotra Mandavan-taona no nankalazaintsika. Noho io Alahady io nifanandrify tamin’ny 29 Jiona anefa dia ny fetin’ny Masindahy Piera sy Paoly Apostoly no nankalazaina tamin’ny fomba manetriketrika. Araka izany dia ny Alahady Faha – 14 tsotra Mandavan-taona no ankalazaintsika androany izay anasan’ny Fianagonana antsika hanara-dia an’i Jesoa izay nilaza hoe: « Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo ; fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako » (Mat. 11: 29 – 30). Tena fampianarana lehibe tokoa no omen’i Jesoa antsika amin’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana androany ity satria sady mampianatra antsika ny tokony hatao rehefa mivavaka izy, no mankahery antsika ihany koa hankany aminy rehefa mitondra fahoriana sy mavesatra entana.

Voalohany indrindra dia manome ohatra ho antsika izy amin’ny fitodihana amin’ny Ray mandrakariva rehefa mivavaka. « Tamin’izany andro izany, dia hoy indray i Jesoa : Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa manafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao, ary manambara azy tamin’ny tso-po kosa. Eny, misaotra Anao Aho, Raiko, fa izany no sitraponao » (Mat. 11: 25 – 26). Hitantsika amin’ity Envanjely androany ity ny halalin’ny fifandraisana nisy teo amin’i Jesoa sy ny Ray izay naniraka azy mba hamonjy antsika olombelona osa sy malemy. Isika ihany koa dia asainy hianatra ny nataony koa rahefa mivavaka isika dia « amin’ny Rain’i Jesoa-Kristy Tompontsika no ivantanan’ny vavaka ataontsika tsirairay. Tsy manasaraka ny maha-Andriamanitra isika, satria ny Ray no “loharano sy fiandohana” amin’izany, ka amin’izany no anambaràntsika ampahibemaso fa Izy no niteraka ny Zanaka hatramin’ny mandrakizay ary avy Aminy ny Fanahy Masina. Tsy manafangaro velively koa ireo Olona telo isika, satria ambarantsika ampahibemaso fa ny fiombonantsika dia miaraka amin’ny Ray sy i Jesoa-Kristy Zanany, ao amin’ny Fanahy Masin’Izy ireo tokana ihany. Iray fombam-pisia-maha-izy sy tsy azo sarahina ny Trinite Masina. Rahefa mivavaka amin’ny Ray isika, dia mitsaoka Azy sy manome voninahitra Azy miaraka amin’ny Zanaka sy ny Fanahy Masina » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 2789).

Manaraka izany dia mampianatra antsika i Jesoa hahay hisaotra mandrakariva rehefa mivavaka. Indraindray tokoa dia alaim-panahy isika hanao fangatahana lava reny ary rehefa mihevitra fa tsy mahazo valim-bavaka dia kivy na mandao an’Andriamanitra mihitsy aza. Aoka ho tsaroantsika fa Andriamanitra tsy mba mandao fa isika no mihataka aminy rehefa tsy mahazo izay ilaintsika. Mihaino ny vavaka ataontsika Izy ary mamaly antsika ihany koa amin’ny fomba maro samy hafa fa isika no tsy mahatsapa izany satria mety tsy mifanaraka amin’ny eritreritra maha olombelona antsika ny valim-bavaka omeny antsika. Noho izay fahasoavana omeny antsika izay ary no tsimaintsy isaorantsika azy lalandava tahaka ny nataon’i Jesoa. Noho izany, na tsapatsika na tsy tsapatsika ny fahasoavana omeny dia misaotra azy mandrakariva isika satria be fitiavana antsika Izy tamin’ny nanomezany antsika an’i Jesoa Zanany mba hamonjy antsika. Izany rahateo no ambaran’ity Evanjely androany ity satria hoy i Jesoa hoe : « Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray ; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy » (Mat. 11: 27).

Isika izao no voalazan’i Jesoa fa tian’ny Zanaka hanehoana ny Ray tamin’ny alalan’ny Batemy noraisintsika. Mazava ho azy fa ny fandraisantsika io Sakramentan’ny Batemy io no mahatonga antsika ho zanak’Andrimanitra araka ny voalazan’i Md Paoly ao amin’ny vakiteny faharoa manao hoe : « Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’Andriamanitra » (Rom. 8 : 9). Araka izany « izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andrimanitra. Ary izany tokoa, satria tsy fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe : Aba ! Ray ! » (Rom. 8 : 14 – 15). Fahasoavana lehibe ho antsika izany satria na mpanota tsy mendrika aza isika dia noraisin’Andriamanitra ho zanany noho ny fitiavany koa anjarantsika no manao ezaka hiaina ny finoana araka izay fitiavana tsy misy tankalony nomen’Andriamanitra antsika izay.

Farany moa dia ambaran’i Jesoa amin’ity Evanjely androany ity fa izay mandray azy dia hahita fiadanana na dia vesaram-pahoriana aza. « Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho » (Mat. 11: 28). Teny fankaherezana lehibe ho antsika io ambaran’i Jesoa io satria tena maro tokoa ny eta-mavesatra sy fahoriana entintsika, saingy rehefa mankany aminy isika sy matoky ny fitiavany dia manamaivana antsika izy. Miara-mivavaka ary isika amin’izao Alahady Faha – 14 tsotra Mandavan-taona izao ho an’ireo rehetra ao anatin’ny fahoriana sy fijaliana mba homen’i Jesoa fiadanana tokoa izy ireo ka na eo aza izay zava-mampahory dia ho maivana izany satria eo foana Izy, izay tsy mandao ary tsy manary antsika amin’ny sarotra sy ny manahirana. Isika olombelona no mora mandao sy be siasia fa Izy kosa mamonjy antsika hatrany satria tsy misy fetra ny fitiavany ary tsy manam-pahataperana ny famindram-pony. Enga anie izay fiadanana avy amin’i Jesoa izay no hanenika ny fiainantsika manontolo mandritra ity andro ity sy mandritra ny andro rehetra iainantsika.



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102