Dia mba notantarain’izy ireo kosa ny zavatra niseho taminy

Alahady 04 mey 2014
Alahady Fahatelo amin’ny Paka (Taona A)

« Dia mba notantarain’izy ireo kosa ny zavatra niseho taminy teny an-dàlana sy ny nahafantarany azy tamin’ny famakiana ny mofo
(Lk. 24: 35)

Voalohany indrindra dia miara-misaotra an’Andriamanitra isika fa tontosa soa aman-tsara tamin’ny Alahady heriny ny fanandratana ho olomasina ny Papa Joany faha-23 sy ny Papa Joany Paoly faha-2. Fahasoavana lehibe ny fananana azy ireo ho ohatra azo alain-tahaka, koa miara-mivavaka amin’ireto olomasina roa lehibe ireto isika mba hitantan’Izy Tompo hatrany ny Fiangonana manoloana ireo zava-manahirana samihafa izay tsimaintsy atrehina amin’izao vanin’andro iainantsika izao. Anatin’ny fankalazana ny Paka moa isika izao ary ny Alahady Fahatelo no ankalazaintsika androany ka anomezan’ny Fiangonana antsika ny Evanjely izay mitantara ny nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianatra roa lahy nankany amin’ny vohitra anankiray atao hoe Emaosy. Araka ny voalazan’ny Evanjely androany dia tena kivy sy nalahelo erý izy ireo nifampiresaka sy ny fampilaza ny heviny mahakasika ny zava-niseho rehetra dia ny amin’ny nampijaliana an’i Jesoa sy ny nahafatesany. Tamin’izay indrindra anefa no niseho tamin’izy ireo Jesoa saingy araka ny ambaran’ity Evanjely ity dia voasakana tsy hahafantatra azy ny mason’izy ireo. « Androtr’izay ihany dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny vohitra anankiray atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stady raha avy eo Jerosalema. Niresaka izany zava-niseho rehetra izany izy ireo. Ary raha mbola niresaka sy nifampilaza izay heviny teny izy, dia nanatona azy Jesoa ka niara-dàlana taminy : fa voasakana tsy hahafantatra azy ny mason’izy ireo. Inona izato resahinareo etý an-dàlana, hoy izy taminy, no toa dia efa malahelo erý hianareo izany? » (Lk. 24: 13 – 17).

Noho ny hakiviana sy ny alahelo ary ny famoizam-po dia voasakana tsy nahafantatra an’i Jesoa ny mason’ireto mpianatra roa lahy ireto. Manoloana izany dia very tanteraka ny fanantenan’izy ireo ka nahatonga azy ireo tsy hino ireo vavolombelona efa nilaza fa nitsangana tamin’ny maty ny Tompo. « Dia namaly ny anankiray atao hoe Kleofasy ka nanao taminy hoe: Hianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato? Fa hoy izy tamin’ireo : Zavatra inona moa izany? Dia hoy ireo : Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra, dia ny amin’ny nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny lehibentsika azy ho faty, mbamin’ny namantsihana azy tamin’ny hazo fijaliana. Nanantena izahay fa hoe izy no ilay hanavotra an’Israely: kanjo indro fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nisehoan’izany. Nisy ihany tokoa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra, fa tany amin’ny fasana maraina koa izy ireo, ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny, nefa nahita anjely niseho taminy, nanambara fa velona izy. Dia nankany amin’ny fasana ny sasany taminay ka nahita araka izay nolazain’ny vehivavy, nefa tsy nahita azy » (Lk. 24: 18 – 24).

 

Azo lazaina fa sakana lehibe ho an’ireto mpianatra roa lahy ireto ny alahelo teo amin’izy ireo. Voalohany dia voasakana tsy hahafantatra an’i Jesoa ny mason’izy ireo, manaraka izany dia vosakana tsy hino ireo nijoro ho vavolombelona fa efa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa ary farany dia voasakana tsy hahalala izay voalazan’ny Soratra Masina ihany koa izy ireo ka nahatonga an’i Jesoa hametraka azy ireo ho adala, sy votsa saina amin’ny finoana ka nanazava hatramin’ny voalohany fa io fijaliana sy fahafatesana ary fitsanganany amin’ny maty io dia efa voalazan’ny Soratra Masina hatramin’i Moizy sy ny mpaminany rehetra. « Ary hoy izy tamin’izy ireo : Ry adala, sy votsa saina amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny mpaminany! Moa tsy tokony ho niaritra izany va ny Kristy mba hidirany amin’ny voninahiny? Dia novoasany tamin’izy ireo ny tenin’i Moizy sy ny mpaminany rehetra manambara azy ao amin’ny Soratra Masina » (Lk. 24: 25 – 27). Tena hita tokoa ny nahavotsa saina amin’ny finoana ireto mpianatra roa lahy ireto satria dia tsy nahafantatra mihitsy fa i Jesoa no nanazava tamin’izy ireo teny an-dalana ny Soratra Masina. Teo am-pihinanana vao nisokatra ny mason’izy ireo rehefa nahita an’i Jesoa nitsodrano sy namaky ny mofo. « Ary rahefa niara-nihinana izy ireo, dia nandray ny mofo izy ka notsofiny rano sy novakiny, dia natolony azy ireo. Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala azy, fa izy kosa tonga tsy hitany intsony » (Lk. 24: 30 – 31).

Hita miharihary fa na tsy nahalala avy hatrany an’i Jesoa izy ireo teny an-dalana dia ambaran’ity Evanjely aroson’ny Fiangonana ho antsika androany ity fa tena nirehidrehitra tokoa ny fon’izy ireo teo am-pihainoana ny fivoasany ny Soratra Masina. Midika izany fa ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra dia mampirehidrehitra ny fo ary mampisava ny alahelo. Tsy ampy nampisokatra ny mason’izy ireo anefa izany fa ny fiarahan’izy ireo nitoetra sy niara-nihinana tamin’i Jesoa no nampisava tanteraka ny alahelo sy ny hakiviana teo amin’izy ireo ka nampisokatra ny mason’izy ireo ary nahatonga azy ireo niverina niaraka tamin’izay tany Jerosalema ka nanambara tamin’ny apôstôly fa tena nitsangana tamin’ny maty tokoa ny Tompo. « Dia nifampilaza izy hoe : Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika fony izy niresaka tamintsika teny an-dàlana sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika! Niaraka tamin’izay, dia nitsangana izy ireo ka niverina tany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory sady nilaza hoe : Efa nitsangana tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simona izy. Dia mba notantarai’izy ireo kosa ny zavatra niseho taminy teny an-dàlana sy ny nahafantarany azy tamin’ny famakiana ny mofo » (Lk. 24: 32 – 35).

Tahaka ireto mpianatra roa lahy nandeha tany Emaosy ireto dia matetika ihany koa ny masom-panahitsika no voasakana tsy hahita an’i Jesoa rehefa tojo alahelo na hakiviana, indrindra rehefa ao anatin’ny famoizam-po. Indraindray aza dia alaim-panahy mihitsy isika hanome tsiny azy ary misy aza moa dia mandray fanampahan-kevitra tsy hivavaka intsony. Amin’ny fotoana tahaka ireny indrindra anefa no eo anilantsika foana i Jesoa fa isika no tsy mahatsapa izany. Nirehidrehitra ny fon’izy roa lahy ireo teo am-pihainoana ny fanazavana ny Soratra Masina ary dia nisokatra ny mason’izy ireo rehefa nitsodrano sy namaky ny mofo i Jesoa. Mazava ho azy fa ny fihainoana ny Tenin’Andrimanitra sy ny fandraisana ny Eokaristia no fomba tokana hahafahantsika mahatsapa fa tena velona sy miaraka amintsika isan’andro tokoa i Jesoa. Miara-mangataka ny fahasoavany ary isika amin’izao Alahady Fahatelo amin’ny Paka izao mba tena hazoto mivavaka tokoa, indrindra isan’Alahady ka hihaino amim-pinoana marina ny Soratra Masina ary handray amim-pahamendrehana ny Eokaristia. Tahaka ny nankaherezan’i Jesoa ny mpianatra no ankaherezany antsika ihany koa rehefa ao anatin’ny alahelo na rehefa tojo hakivina koa tokony hatoky azy tanteraka isika satria miara-dalana amintsika mandrankariva izy ary eo foana fa tsy mamela antsika hiady irery. Miara-dàlana amintsika mandrankariva izy tahaka ny nataony tamin’ireo mpianatra roa lahy nandeha tany Emaosy.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102