Aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko

Alahady 09 novambra 2014

Fankalazana ny Nitokanana ny Bazilika ao Latran

Alahady Faha – 32 tsotra Mandavan-taona (Taona A)

« Aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko »

(Jo. 2, 16)

Tahaka ny tamin’ny heriny dia mbola miavaka ihany koa ity Alahady anio ity, izay anasan’ny Fiangonana antsika hankalaza manokana ny Nitokanana ny Bazilika ao Latran. Araka izany, raha ny tokony ho izy dia ny Alahady Faha – 32 tsotra Mandavan-taona no ankalazaintsika androany, saingy noho ny maha fety lehibe ny Nitokanana ny Bazilika ao Latran izay mifanojo amin’ny andro Alahady dia manasa antsika ny Fiangonana mba hankalaza amin’ny fomba manetriketrika io fety io ka ireo Vakiteny voatondro manokana ho an’izao fankalazana izao no aroso antsika fa tsy izay voalahatra ho an’ny Alahady Faha – 32 tsotra Mandavan-taona tsy akory. Mety manontany tena ihany isika manao hoe : Inona moa no antony ankalazana manokana ity Nitokanana ny Bazilika ao Latran ity ? Maro ny fanazavana azo omena ary mety ho lava be raha hotantaraintsika eto ny antony mampiavaka manokana io Bazilika ao Latran io fa araka ny voalazan’ny teny fampidirana ao amin’ny boky Sorona Masina andavanandro dia izao no azo amintinana azy : « Ny Bazilika ao Latran no Katedralin’ny Papa amin’ny maha Evekan’ny Roma azy. Ary satria tsy azo sarahina ny maha Papa sy ny maha filohan’ny Fiangonana rehetra eran-tany azy dia azo lazaina fa tena lohan’ny trano fiangonana rehetra eran-tany ny Bazilikan’i Latran ».

Azo ambara araka izany fa io Bazilikan’i Latran io no Renifiangonana izay mampiombona ny trano fiangonana rehetra eran-tany ka izany no mahatonga antsika hankalaza izao fety izao amin’ny fomba manokana sy manetriketrika. Ny tena dikany dia tsotra, Iray ny Fiangonana Katolika ary ny Papa dimbin’i Md Piera no filoha mitarika azy, noho izany dia mariky ny fiombonana sy fankatoavana ny maha Iray ny Fiangonana eo ambany fitarihan’ny Papa no tena antony lehibe ankalazana ny Nitokanana ny Bazilika ao Latran. Manaraka izany dia mariky ny fanajana ny trano fiangonana ivavahantsika ihany koa izao fankalazana izao ka tsy noho ny maha trano fiangonana tena lehibe tokoa raha ny fahitana ny Bazilika ao Latran amin’ny endrika ety ivelany no ankalazana azy fa amin’ny maha tranon’Andriamanitra azy ka natao hivavahana sy handraisana fahasoavana. Ny Bazilika ao Latran izany dia misolo tena ihany koa ny trano fiangonana rehetra eran-tany ka na lehibe io na kely, na voaravaka sy mamirapiratra tahaka ny ao Latran na vita amin’ny fotaka sy tafo bozaka dia mitovy daholo satria samy tranon’Andriamanitra natao hivavahana ka tsy maintsy hajaina satria ny tsy fanajana ny tranon’Andriamanitra indrindra no nahatezitra an’i Jesoa araka ny ambaran’ny Evanjely izay aroson’ny Fiangonana ho antsika amin’izao fankalazana ny Nitokanana ny Bazilika ao Latran izao.

Vakiteny I : Ez. 47, 1 – 2. 8 – 9. 12

Tononkira : Sal. 46, 2 – 3. 5 – 6. 8 – 9

Vakiteny II : 1 Kor. 3, 9b – 11. 16 – 17

Evanjely : Jo. 2, 13 – 22

Voalazan’ity Evanjely androany ity tokoa fa « akaiky ny Pakan’ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema Jesoa. Hitany tao anatin’ny tempoly ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao, ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika izy, dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny tempoly ; nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra, ary hoy izy tamin’izay nivaro-boromailala : Esory eto ireo, fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko » (Jo. 2, 13 – 16). Eto ny tempoly dia tandindon’ny trano fiangonana ivavahantsika araka ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « matetika ihany koa, ny Fiangonana dia lazaina hoe trano aorin’Andriamanitra. Izy Tompo ihany no nampitaha ny Tenany tamin’ny vato narian’ny mpanorin-trano fa tonga vato fehizoro (Mt 21, 42 ; Asa 4, 11 ; 1 Pi 2, 7 ; Sal 118, 22). Eo ambonin’io fototra io no nanorenan’ireo apôstôly ny Fiangonana ary avy amin’io fototra io no ananany fahamafisana sy firaisan-kina. Noravahana anarana samihafa io fanorenana io : tranon’Andriamanitra, izay ao amin’izany no onenan’ny fianakaviany, trano fonenan’Andriamanitra ao amin’ny Fanahy, fonenan’Andriamanitra eo amin’ny olombelona, ary indrindra ilay tempoly masina, aseho amin’ny toerana masina naorina tamin’ny vato, izay anton’ny fideran’ireo Ray masina, ary rariny, ao amin’ ny litorzia, raha ampitahaina amin’ny Tanàna masina, ilay Jerosalema vaovao izany. Satria, ao amin’izany isika ety an-tany no toy ny vato velona izay mirafitra eo amboniny (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 756).

Amin’ny maha tranon’Andriamanitra azy dia manana adidy isika rehetra hikolokolo sy hanaja ny trano fiangonana izay ivavahantsika any amin’ny toerana misy antsika tsirairay avy any. Natao hivavahana izy io ary natao hiderana an’Andriamanitra, izany no mahatonga ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika hampianatra antsika mazava tsara fa : « ny fiangonana, tranon’Andriamanitra, no toerana sahazan’ny fivavahana litorzika ho an’ny ankohonana kristianina eo amin’ny paroasy. Ny fiangonana koa no toerana manokana amin’ny fitsaohana ny fisiana marin’i Jesoa-Kristy amin’ny Sakramenta Masina (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 2691). Araka izany ary dia tsy azo atao mihitsy ny mampiasa ny trano fiangonana hanaovana zavatra hafa tsy mifanaraka amin’ny fivavahana sy fiderana an’Andriamanitra ary fandalinam-pinoana isan-karazany. Io moa dia anjaran’ny Pretra tompon’andraikitra eo an-toerana no mijery akaiky sy mandamina ny tokony hatao na tsy tokony hatao ao am-piangonana.

Araka ny voalazan’ity Evanjely androany ity moa dia tena tezitra tokoa i Jesoa nahita ny mpivarotra isan-tokony tao anatin’ny tempoly ka nandroaka azy ireo tamin’ny kotopia vita amin’ny tady madinika. Fampianarana ho antsika ihany koa ity nataon’i Jesoa ity ka mila mitandrina ihany koa isika rehefa manao fitadiavam-bola ho an’ny fiangonantsika mba tsy hanao ny trano fiangonana ho tsena sy fivarotana etana isan-karazany. Amin’ny toerana sasany ohatra dia ao anatin’ny fiangonana no anaovana lavantim-bokatra, misy aza tena manao varotra fampiratiana mihitsy na manao varoman-deha mandritra ny fivavahana. Marina fa vola hanaovana ny asam-piangonana ihany no tadiavina amin’ireny saingy tsy maintsy atao ivelan’ny trano fiangonana mba ho fanajana ny tranon’Andriamanitra. Aoka ho fantantsika mazava tsara fa ireo mpivarotra rehetra tao amin’ny tempoly tamin’ny andron’i Jesoa dia tsy mpivarotra mpitady vola tahaka ny eny an-tsena fa ireo zavatra rehetra namidy tao dia tsy hafa fa zavatra nilaina tamin’ny fanompoam-pivavahana daholo. Ny omby aman’ondry sy voromailala ohatra dia tsy hoe biby namidy ka nentina nody mba hompiana fa natao indrindra hanaovana sorona ao amin’ny tempoly ihany. Ny vola nividianana azy ireny dia tsy ny vola rehetra izay nentin’ny olona fa efa vola voatoka mihitsy ka izany no antom-pisian’ireo mpanakalo vola. Tsy nanaiky izany anefa i Jesoa ka niteny mafy azy ireo nanao hoe : « Esory eto ireo, fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko » (Jo. 2, 16).

Amin’izao fankalazana manokana ny Nitokanana ny Bazilika ao Latran izao ary dia miara-mivavaka isika mba hihamafy ao amintsika tsirairay avy ny fitiavantsika ny Fiangonana izay mandray antsika ho zanany. Ao amin’ny Fiangonana tokoa isika no mandray ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sakramenta isan-karazany koa rariny raha kolokolointsika sy hajaintsika tsara ny trano fiangonana fivavahantsika satria ao no ankalazantsika ireo Sakramenta ireo. Tena tempolin’Andriamanitra tokoa ny trano fiangonantsika saingy araka ny voalazan’i Md Paoly amin’ny Vakiteny faharoa androany dia tandindona ihany izany fa ny vatantsika mihitsy no tempolin’ Andriamanitra. Hoy izy hoe : « tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra? Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra dia mba horavan’Andriamanitra kosa, satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia hianareo izany » (1 Kor. 3, 16 – 17). Enga anie izao fankalazana ny Nitokanana ny Bazilika ao Latran izao hanampy antsika rehetra handini-tena tokoa ka sady hanaja ny trano fiangonana ivavahantsika no hanaja ihany koa ny tenantsika tsirairay avy izay tempolin’Andriamanitra ka masina sy itoeran’ny Fanahiny.


 

P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0191