Avia hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo

Alahady 26 janoary 2014
Alahady Fahatelo tsotra Mandavantaona (Taona A)

 

Ny fijoroan’i Joany ho vavolombelona ka nampahafantarany an’ i Jesoa no hevi-dehibe voalazan’ny Tenin’Andriamanitra izay naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady heriny. Raha tsiahivina dia nambaran’ny Evanjely tamin’izay fa: « Nony ampitso, nahita an’i Jesoa nanatona azy Joany ka hoy izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra ; indro ilay manala ny fahotan’ny olona. Izy no ilay nantsoiko hoe: Misy lehilahy avy ao aoriako, sy efa tonga eo alohako, satria talohako izy. Ary izaho tsy nahalala azy ; fa mba hampisehoana azy amin’Israely no nahatongavako manao batemy amin’ny rano. Ary nilaza marina Joany nanao hoe : Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromahailala, ka nitoetra teo amboniny. Ary izaho tsy nahalala azy, fa izay naniraka ahy hanao batemy amin’ny rano no nilaza tamiko hoe : Izay hitanao hidinan’ny Fanahy Masina sy hitoerany eo amboniny no ilay manao batemy amin’ny Fanahy Masina. Ary nahita aho ka milaza marina fa izy no Zanak’Andriamanitra » (Jo. 1: 30 – 34). Azo ambara fa nifarana hatramin’io fotoana nampafantaran’i Joany an’i Jesoa io ny iraka nampanaovina azy dia ny fitoriana ny fibebahana tamin’ny alalan’ny fanaovana batemy amin’ny rano. Izay no nilazany hoe : « Ary izaho tsy nahalala azy ; fa mba hampisehoana azy amin’Israely no nahatongavako manao batemy amin’ny rano » (Jo. 1: 31).

Ny iraka nampanaovina an’i Joany no mifarana fa ny an’i Jesoa kosa dia hatramin’io fotoana nampahafantarana azy io no nanombohany ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly izay nanirahan’i Ray azy. Io fanombohan’i Jesoa nitory teny io indrindra no ambaran’ny Tenin’Andriamanitra izay naroson’ny Fiangonana ho antsika androany. « Ary nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina Joany, dia lasa izy nankany Galilea; ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaoma, tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny sisin-tanin’i Zabolona sy Neftalì ka nonina tao, mba ho tanteraka ny teny nolazain’Izaia mpaminany hoe: Ny tanin’i Zabolona sy ny tanin’i Neftalì, ny làlana ao amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny jentily : ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava. Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny Jesoa ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra » (Mt. 4: 12 – 17).

Raha ny voalaza amin’ity Evanjely ity no dinihina dia hita avy hatrany fa tena ny hanomana ny fahatongavan’i Jesoa tokoa no nanirahana an’i Joany satria azo lazaina fa nifampitohy tanteraka ny fitoriana ny fibebahana nataon’i Joany sy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly natombok’i Jesoa. Voalaza mazava tsara amin’ity Evanjely androany ity mantsy fa « hatramin’izay dia nanomboka nitory teny Jesoa ka nanao hoe : Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra » (Mt. 4: 17). Mazava araka izany fa tsy zava-baovao no nambaran’i Jesoa satria io fibebahana notoriny io no efa naverimberin’i Joany. Raha tsiahivina ny voalazan’ny Evanjely izay naroson’ny Fiangonana ho antsika tamin’ny Alahady Faharoa amin’ny Fiaviana (Taona A) dia azo lazaina fa tena mitovy tanteraka ny voalazan’i Jesoa amin’ity Evanjely androany ity sy ny fanasan’i Joany ny olona mba hibebaka satria voalaza tamin’izay fa : « Ary tamin’izany andro izany dia niseho Joany Batista, nitory teny tany an’efitr’i Jodea nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Izy no ilay voalazan’Izaia mpaminany hoe : Re ny feon’izay miantso any an’efitra hoe : Amboary ny làlan’ny Tompo, ahitsio ny alehany. Akanjo volon-drameva no fitafian’io Joany io, fehikibo hoditra no tamin’ny valahany, ary valala sy tantely remby no hanina fihinany. Ary nankany aminy daholo Jerosalema sy Jodea rehetra mbamin’ny tany manodidina an’i Jordany ; ka nony efa niaiky ny fahotany izy ireo, dia nataony batemy tao amin’ny ony Jordany » (Mt. 3: 1 – 6).

Na eo aza anefa io fitovian’ny fitoriana ny fibebahana nataon’i Joany sy Jesoa io, dia hita ihany koa ny maha samy hafa ny fanatanterahana ny iraka nampanaovina azy ireo. Rehefa niseho Joany Batista, nitory teny tany an’efitr’i Jodea nanao hoe : Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra, dia nankany aminy daholo Jerosalema sy Jodea rehetra mbamin’ny tany manodidina an’i Jordany ; ka nony efa niaiky ny fahotany izy ireo, dia nataony batemy tao amin’ny ony Jordany. Ny an’i Jesoa kosa dia tsy ny olona no nankany mainy fa araka ny voalazan’ny Evanjely izay aroso antsika androany dia Izy mihitsy no nandeha « nitety an’i Galilea manontolo, nampianatra tao amin’ny sinagogan’ny olona, sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona » (Mt. 4: 23). Io fanantonan’i Jesoa ny olona io no nahitany an’i Piera sy Andre rahalahiny, teo ihany koa i Jakoba sy Joany rahalahiny izay samy nantsony hanaraka azy. « Ary raha nitsangatsangana teny amoron-dranomasin’i Galilea Jesoa, nahita olona mirahalahy, dia Simona ilay atao hoe Piera sy Andre rahalahiny, nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Dia hoy izy taminy : Avia hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo. Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka azy. Dia mbola nandroso ihany izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak’i Zebede sy Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tami’i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony ; ary nantsoiny izy mirahalahy. Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka azy » (Mt. 4: 18 – 22).

Manantona antsika ihany koa i Jesoa ary miteny amintsika isan’andro manao hoe : « mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra ». Noho izany dia tsimaintsy vonona handray azy mandrankariva isika amin’ny alalan’ny fihainoana ny Teniny sy amin’ny fandraisana ny Vatany ao amin’ny Eokaristia. Miantso antsika ihany koa izy ary mibitsika mangina ao am-pontsika manao hoe : « Avia hanaraka ahy ». Mety maro no mihevitra fa ireo izy manokan-tena ho pretra sy relijiozy no natao hamaly io antson’i Jesoa io. Fahadisoan-kevitra ihany anefa izany satria isika vita batemy rehetra no tsimaintsy mamaly io antson’i Jesoa io satria ny Batemy noraisintsika no mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra ka miray aina tanteraka amin’i Jesoa isika ary samy asainy hanaraka azy mba hanohy ny asam-pamonjena izay efa natombony. Mitalaho ny fanilovan’ny Fanahy Masina ary isika amin’izao Alahady Fahatelo tsotra Mandavantaona izao mba tena hanara-dia an’i Jesoa marina tokoa eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy. Miara-mivavaka ihany koa isika mba ho maro ireo izay mamaly ny antsony ka hanara-dia azy amin’ny lalana maha pretra ka hanohy ny asa efa natombony dia ny fitoriana ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary mba hanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra amin’ny alalan’ny fizarana ireo Sakramenta samihafa izay naorin’i Jesoa ho antoky ny fiainana mandrankizay ho an’izay mandray azy.



P. Louis Martin

Assomptionniste

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098