Ary tamin’izay dia nentin’ny Fanahy nankany an’efitra Jesoa

Alahady 09 martsa 2014
Alahady Voalohany amin’ny Karemy (Taona A)

« Ary tamin’izay dia nentin’ny Fanahy nankany an’efitra Jesoa, mba halain’ny demony fanahy; ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina izy »

(Mt. 4: 1 – 2)

Rehefa avy nankalaza tamin’ny fomba miavaka ny fanosorana lavenona isika tamin’ny Alarobia lasa teo dia afaka milaza fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny Karemy izay fotoan-dehibe anasan’ny Fiangonana antsika isan-taona mba hiombona amin’ny misterin’i Jesoa tany an’efitra nandritra ny efapolo andro sy efa-polo alina. Misy moa ireo tsy afaka nandray izany fanosorana lavenona izany tamin’ny Alarobia ka manao izany amin’izao Alahady Voalohany amin’ny Karemy izao. Tsara ho marihina fa isan-taona dia ny Evanjely mitantara io misterin’i Jesoa tany an’efitra nandritra ny efapolo andro sy efa-polo alina io no aroson’ny Fiangonana hodinihintsika isaky ny Alahady Voalohany amin’ny Karemy. Raha ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka no naroso antsika tamin’ny taona lasa dia ny voalaza ao amin’i Md Matio no atolotry ny Fiangonana hovakiana amin’ity anio ity. Midika izany fa ny Karemy dia fotoan-dehibe izay ampisehoana fa tena mpanara-dia an’i Jesoa tokoa isika ka tahaka ny nataony dia mivavaka sy mifady hanina ihany koa isika mandritra ny efa-polo andro ho fiomanana amin’ny Paka izay ankalazana amin’ny fomba manetriketrika ny mistery lehibe nanavotany antsika dia ny nanolorany ny tenany ho faty teo ambony Hazofijaliana fa nitsangan-kovelona tamin’ny andro fahatelo.

Vakiteny I : Jen. 2: 7 – 9; 3: 1 – 7
Tononkira : Sal. 51. 3 – 4, 5 – 6a, 12 – 13, 14, 17
Vakiteny II : Rom. 5: 12 – 19
Evanjely : Mt. 4: 1 – 11

Araka izany raha fiomanana tamin’ny asa nanirahana azy no nahatonga an’i Jesoa nentin’ny Fanahy nankany an’efitra ka nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina, ny Karemy kosa ho antsika dia natao ho fiomanana amin’ny Paka amin’ny alalan’ny ny fifadian-kanina sy fivavahana ary fiantrana araka ny voalazan’ny Evanjely izay naroso antsika tamin’ny Alarobia fanosorana lavenona (jereo Mt. 6: 1 – 6; 16 – 18). Noho izany, ny fifadian-kanina sy ny fivavahana ary ny fiantrana izay ataontsika mandritra ny Karemy dia fampisehoana ety ivelany ny fibebahana sy ny fivalozana araka ny fampianarana hita ao amin’ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika manao hoe : « Misy fanehoana ety ivelany amin’ny fomba maro karazana tokoa ny fivalozana anaty ny kristianina. Fomba telo no tena antitranterin’ny Soratra Masina sy ny Aban’ny Fiangonana amin’izany : ny fifadian-kanina, ny fivavahana, ny fiantrana, izay manambara ny fibebahana eo amin’ny fifandraisana amin’ny tena ihany, amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra ary amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Manoloana ny fanadiovana hatrany ifotony notanterahin’ny Batemy na ny fanaovana martiry, dia tanisain’izy ireo ho fitaovana hahazoam-pamelana ny fahotana, ny ezaka natao mba hihavanana amin’ny namana, ny ranomasom-pivalozana, ny fiahiam-pamonjena ny namana, ny fanelanelanan’ny olomasina ary ny fanaovana asa fitiava-namana izay “manarona fahotana maro”(1 Pi 4,8) » (Jereo : Katesizin’ny Fiangonana Katolika, laharana faha – 1434).

Azo lazaina fa tsy afaka misaraka ny fifadian-kanina sy ny fivavahana ary ny fiantrana, izany rahateo no taon’i Jesoa ka nanomezany ohatra hotahafintsika. Ny hivavaka no nitondran’ny Fanahy azy nankany an’efitra, ka nahatonga azy nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina mba ho afaka hanao asa fiantrana dia ireo asam-pamonjena rehetra notanterahany nandritra ny andro niainany teto an-tany. Tao anatin’io fivavahana sy fifadian-kanina io anefa no nanatona azy ny demony mba haka fanahy azy. « Ary tamin’izay dia nentin’ny Fanahy nankany an’efitra Jesoa, mba halain’ny demony fanahy; ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina izy, ka noana nony afaka izany. Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe : Raha Zanak’Andriamanitra hianao, asaovy ho tonga mofo ireto vato ireto. Fa namaly izy ka nanao hoe: Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra » (Mt. 4: 1 – 4).

Tsy nijanona hatreo anefa io fakana fanahy an’i Jesoa io fa mbola nitohy ka hoy ny demony taminy : « Raha Zanak’Andriamanitra hianao, mianjerà any ambany any, fa efa voasoratra hoe: Ny anjeliny no nametrahany anao, ary izy ireo hitondra anao eo an-tànany, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Fa hoy Jeso taminy: Efa voasoratra koa fa: Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao hianao » (Mt. 4: 6 – 7). Farany moa : « Dia nentin’ny demony nankany ambonin’ny tendrombohitra avo dia avo indray izy, ka nasehony azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny, ary hoy izy taminy : Homeko anao izao rehetra izao, raha miankohoka hivavaka amiko hianao. Fa izao no navalin’i Jeso azy: Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary izy irery ihany no hotompoinao » (Mt. 4: 8 – 10).

Hitantsika mazava tsara fa in-telo no nakan’ny demony fanahy an’i Jesoa, toa efa tandindon’ny fahalavoany in-telo tamin’ny nitondrany ny Hazofijaliana izany, saingy na lavo azy Izy dia niarina hatrany, tahaka ny nandreseny ny demony izay nanao ny fomba rehetra handavoana azy. Isika ihany koa dia misedra fakam-panahy maro, tsy in-telo ihany isika no lavao amin’ny fahotana fa tena matetika tokoa. Tsy tokony ho kivy anefa isika amin’izany fa tsimaintsy miarina ary manantona an’i Jesoa izay efa nandresy ny fakam-panahy rehetra nentin’ny demony teo anoloany. Miaraka mangataka ny fahasoavany ary isika amin’izao fotoana anombohantsika ny Karemy izao mba hanana hery tokoa hiatrehana ny fandrika ataon’ny mpaka fanahy ka hibebaka marina tokoa amin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana ary ny fiantrana. Maro ireo fandrika ataon’ny demony handavoana antsika, saingy rehefa manatona an’i Jesoa amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana isika dia mahazo hery vaovao hatrany ka sady mihavana amin’Andriamanitra, no mihavana amin’ny namana. Izao no andro fibebahana, izao no andro fiovana koa samia ary isika miezaka amin’izany, mba hahamendrika antsika handray ny fahasoavana avy amin’i Jesoa izay nanolo-tena ho faty sy hitsangan-kovelona mba ho famonjena antsika mpanota.



 

P. Louis Martin

Assomptionniste

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101